Ireo bibilava jamba

1. soanja ( 03/04/2010 00:17)
Mizara fotsiny aho an. Araka ny voalaza tamin'ny fikarohana vao hita moa izany dia efa ela no nisian'i bibilava jamba tao Madagasikara, zany hoe ela noho ny fisian'i Madagasikara aza hono. Raha tsorina izany dia mbola tsy niforona akory ny nosintsika fa mbola nitambatra tamin'i Inde (95 million) taona lasa izay dia efa nisy io karazam-biby io, avy eo amin'izay niova ry zalahy nony lasa nosy i Madagasikara.

Mahavariana ny siansa ka. Za zao mbola tsy nahalala izany bibilava jamba izany mihitsy raha tsy izao fa ny voay nihinana ravin-javatra (vegetarianina) no fantatro fa nahitana taola-nify, izay hoe fa nisy taloha elabe ary ireo trondro jamba ao anaty rano ambany la groty any Mada.

Ary vaovao amiko koa ilay anarana hoe "Indigascar landamass". Mbola tsy naheno izany tany ampianarana tany Mada mihitsy aloha taloha fa dia io zany no anaran'ilay tanintsika nitambatra tamin'i Inde talohan'ny fizaran'ny kontinanta tafaran'i Gondwana land.

Miaky anao aho ry Siansa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.314