Varanga, sakafo nentin-drazana

1. Ratoa ( 01/11/2009 01:12)
Iza no mahay mahandro varanga (viande de boeuf effilé)?
novalian'i sipagasy ny 16/05/2010 20:20
2. sipagasy ( 01/11/2009 02:05)
euuhh tsy atao sahala @ hena ritra ihany veh dia atao malemy beh fotsiny?? izany hoe mila tenehina ela² kokoa.....
3. sipagasy ( 01/11/2009 02:18)
iny fa nahita rohy aho kay e!

http://www.madagascar-tourisme.com/article.php?&article_id=70&lang=fr

ahitana fanazavana ihany koa ny sakafo fy a'ny olona taloha

http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=178.
4. Ratoa ( 01/11/2009 16:58)
misaotra ano ry sipagasy nandany fotoana nitady rohy fa efa fantatro ireo no tsy manazava mihitsy ny fomba fanaovana azy. Ilay izy anie ilaina ho maina tanteraka é! Mba hkarepoka ao am-bava.
5. sipagasy ( 03/11/2009 18:52)
nanandrana ary aho, ka nataoko, t@ hena fanao fondu ireny ilay izy, nataoko tahakan'ny hena ritra, tongolo gasy sy sakamalaho no nampiarahiko taminy, rehefa masaka malemy tsara iny ilay hena dia hopasapasahako/nosaratsarahiko, dia somary nendasiko kely(menaka zara raha misy), ka tsy haiko hoe izay veh no atao hoe varanga sa inona?????
6. Ratoa ( 03/11/2009 21:14)
Angamba. Fa ny fantatro dia misaratsaraka tokoa saingy maina dia maina sy mikarepoka ary azo tahirizina ela be. Izany no fanaon-drazana raha hianala izy satria tsy fantatra izay sakafob ho hita any. Ka ny fanaovana azy maina tsisy menaka sy mateza no tadiaviko;
Misaotra anao nanandrana
7. hana ( 04/11/2009 07:38)
miarahaba antsika rehetra,
nisy nasehony t@ fahitalavitra taloha ela be, vilany tany spécial izay mihitsy no ampiasainy. Andrahoina ela be ilay varangan-kena, dia rehefa vita dia ohatry ny laloriny menak'omby izay hampihidy ilay takotra.
Dia azo tehirizina herintaona hono.
Izay ihany no tadidiko fa azafady
8. Ratoa ( 04/11/2009 22:51)
sarotranny raharaha!
9. Ratoa ( 14/05/2010 00:45)
Nataoko ary ny varanga ka nety tsara araky ny fahafantarako sy itiavako azy.
Nahandroako atmin'ny cocotte minute ny vonga-kena mandra paha- leminy. Tsy dia atao be rano fa tena zara fa misy.
avela hangatsiaka.
Silatsilahana madinika amin'ny tànana na fourchette.
avela ho somary maina anaty frigo roa na telo andro (roa andro raha kely indrindra).
Endasina amina vilany tsy misy menaka.

TANDREMO FA VETIVETY DIA MAINA sy MIKAREPOKA TSARA;

Mazotoa
10. jojo-bebe ( 14/05/2010 02:31)

wow ;-)
11. sipagasy ( 16/05/2010 20:20)
mmhhh raha avela anaty frigo tokoa dia hanjary maimaina ilay hena dia avy eo vao endasina izany miaraka @ menaka kely e!!!!

misaotra nizara e!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1458