glace

1. mirambola ( 16/10/2009 23:00)
manahoana daholo nareo o!mba saika anotany hoe misy mahay manao glace v nareo? :)
isaorana mialoha ho any reo namana afaka mamaly!!!
novalian'i olite ny 20/10/2009 07:38
2. Ratoa ( 17/10/2009 17:06)
3/8l ronono
1 vanille na sucre vanillé
75 gr siramamy
2 tamenaka atody
1/8l crème fraiche

Apangotraho ny ronono + vanille (didiana) + siramamy.
Kapohy ny tamenaka atody ho maivana tsara sy crémeux
Araraho tsimoramora ao ny ronono mbola mamay.
Avelao hangatsiaka tsara.
Kapohy ny crème fraiche ho maivana tsara, tonga chantilly.
Afangarohy amin'ilay ronono + vanille + siramamy + tamenaka atody efa nangatsiaka.
Ahidiro anaty freezer na congélateur.
Raha tianao koa dia ampio lait concentré non sucré 1/4 l efa nokapohina tsara. Mampatavy ilay glace io farany io.
3. mmmhh ( 19/10/2009 10:41)
Ratoa:
Ahidiro anaty freezer na congélateur.


Astuce iray hitako t@ boky koa :
Tsara kokoa ny glace raha atao @ sorbetier, Dia ohatra ahy tsy manana de ampiariko ity fomba iray ity :
ampidirina anaty congelateur dia avoaka afaka 1h na 1h30, dia arohirohina tsara, na mixer-na, dia averina anaty congelateur indray dia avoaka afaka 1h,
dia toy izany hatrany,
in-telo hatao an'izay
1 - ampidirina anaty congelateur
2 - avoaka afaka 1h ou 1h30
3- Arorohina tsara na mixer-na
4 - averina anaty congelateur (miverina @ etape 2 sy 3)
et toy izany foana ..... averina in-3

Andramo fa ho tsara kokoa ny tsirony.

4. mirambola ( 19/10/2009 23:09)
misaotra nareo e :-* andeha andramakoa aloha reo!ary misy mahay anilay glace minou reny v?otrany mahatsiaro any fahazazana :D lay mihinana anireny mavokely sy fotsifotsy ny lokony
5. Ratoa ( 19/10/2009 23:59)
Diua andefaso colis express aho
6. olite ( 20/10/2009 07:38)
misaotra betsaka fa hanandrana hanao glace zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3884