hena ritra potipotika!

1. Djhamhal ( 09/10/2009 11:11)
ahoana kay ny fahandro reny hena ritra tena potipotika reny ? de hena inona @ omby no ampiasaina ? (le anarany )! misy hotely maromaro aty tàna tena mahay azy io ! fa tsy mety manoro le tompon'ny hotely !marihiko fa hen'omby ritra tsy misy fangarony miitsy an! na épice aza tsy misy ! fa tonga de hena sy menaka fotsiny ! fa matsiro an!!
novalian'i ni81 ny 13/10/2009 11:15
2. fahamarinana ( 09/10/2009 12:16)
:arrow: Djha :handrahoana adiny zato eo ve r'ise tsy ho potika amin'ny farany ? :-P .Ny olona aza mitady hena tsara mivongana ny any ise hafa ndraika ? :D (l)
3. Lejoba ( 09/10/2009 19:05)
andrahoy @ charbon mangirana sy vilany vy
4. ikaretsaka ( 09/10/2009 21:45)
hoazana @ vilany aliminiom 1 andro manontolo eo ambony fatana mitsitsy de tapohana rano foana foana mandra paleminy dia rehefa manomboka mipasaka dia ritina @ izay!
tranche fine io de efa poinss.. vodihena moa mainka ao tsara
5. tywa68 ( 11/10/2009 11:38)
Faha >njy angah tsy tia taipiraka ? rhf be ny vahiny tsy misy vongan-kena zany :-D :-D
6. fahamarinana ( 11/10/2009 12:30)
:arrow: tywa :tena marina fa aleoko aloha ny vonga-kena fa raha lany iny vao mandeha amin'ny tai-piraka kouh (et encore!! be loatra ny mpiady dia adaboko any ),tahaka ny apango ihany e,tsy tiako fa rehefa tena hoe mati-kanoanana angaha dia miafara any satria lany ny vary efa eo !Tàolana koa raika,tsa mpiady an'iny za ! :-D :-D tsy hita fa zay i Faha e ! :-P (l)
7. ni81 ( 11/10/2009 13:16)
tywa :tena marina fa aleoko aloha ny vonga-kena fa raha lany iny vao mandeha amin'ny tai-piraka kouh (et encore!! be loatra ny mpiady dia adaboko any ),tahaka ny apango ihany e,tsy tiako fa rehefa tena hoe mati-kanoanana angaha dia miafara any satria lany ny vary efa eo !Tàolana koa raika,tsa mpiady an'iny za ! tsy hita fa zay i Faha e !
ny ahy ilay taolana koa tsy mba ahavoazako fa ilay apango dia izy na dia mbola misy vary fotsy maro aza eo ka atao ny safidy dia ndao! :lol:
Fa ilay taipiraka trondro koa ry tywa sy faha mafilotra an! :miam: :miam:
8. tywa68 ( 13/10/2009 04:55)
Efa masaka kosa zay fa ampy adin'ny zato ry Djhamhal a :D
Ni sy Faha > tsy mety vary ampango lay vary aty tssss, ny laoka indray be loatra hahaha :-*
9. ni81 ( 13/10/2009 07:23)
Ni sy Faha > tsy mety vary ampango lay vary aty tssss
mety ilay vary apango ry tywa a! zà efa manao matetitetika ka!
10. tywa68 ( 13/10/2009 09:23)
Vary inn no ampiasainjy ? sa ny vilany no mila afarana any Ambatolampy hihihi :lol: sa mila atao kila b :)
11. ni81 ( 13/10/2009 11:15)
Vary inn no ampiasainjy ? sa ny vilany no mila afarana any Ambatolampy hihihi sa mila atao kila b
Vary Basmati no ampiasaiko fa jereo fa nisy resaka mombamomba ny apango sy ranovola ao afovoany ao
http://forum.serasera.org/rub=dinika/message&msgid=m4ab6103d90de8#m4aca88e3bf8f8
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5043