Fa ahoana tokoa ary e

1. niryna ( 01/10/2009 14:26)
Samy manana ny fandrahoina sakafo angamba isika rehetra e,ao koa ny toerana sy ny zavatra andrahoina.
Any amintsika raha mahandro akoho izany ? lany eo ny saribao vao masaka ilay akoho,toy izany koa ny henomby.Aty aminay anefa atao hoe vao mangotra tokana dia efa masaka ny akoho, hi,hi
mety hoe mamono ny otrik'aretina angaha dia aleo andrahoina elabe na koa
fa ahoana tokoa ary e
niryna
novalian'i Lejoba ny 09/10/2009 19:02
2. soanja ( 01/10/2009 15:52)
Tsy mitovy ny nofon'akoho natavezina haingana miaraka amin'ny fanafody isan-karazany sy ny akoho navela hirenireny malalaka milamina hitady sakafo ho azy nefa velona tsara ihany. Rehefa mividy sakafo dia ny sakafo natoraly ihany no tsara sy mahasalama ka na ela aza ny fandrahoana azy dia hatsiro kokoa iny no sady tsy hanimba antsika olombelona.
3. AndriambyII ( 02/10/2009 00:22)
Ny vorona vokatry ny produit chimique Riboflavin sy ireo ganagana na akanga na izay rehetra mety ho toa izany dia misy ampahany @ ireo tohan' aina tsy hita ao anatiny .Mihena 40% ohatra ny vitamine B 12 azo avy amin' io sakafo io.
Izany hoe tsy manome sakafo ny hozatray ny tenan' olombelona ilay izy fa lasa bouratif fotsiny.
Na dia izany aza dia ao ihany ny essentiels , proteine , sy ny sisa .
4. niryna ( 02/10/2009 04:11)
soanja:

Tsy mitovy ny nofon'akoho natavezina haingana miaraka amin'ny fanafody isan-karazany sy ny akoho navela hirenireny malalaka milamina hitady sakafo ho azy nefa velona tsara ihany. Rehefa mividy sakafo dia ny sakafo natoraly ihany no tsara sy mahasalama ka na ela aza ny fandrahoana azy dia hatsiro kokoa iny no sady tsy hanimba antsika olombelona.



misy akoho koa anie any amintsika ,omena sakafombazaha fotsiny dia manatody e
ny laisoa no tena nahavariana ahy ,mivelatra be toa inona kanefa raha vao t sy lafo ilay izy dia mamofona mampandoa

fa misy koa sakafo tsy misy ireny produit ireny ka
5. bobone ( 02/10/2009 13:40)
hoy soanja


tena marina io aloha : sady matsiro be ny akoho mirenireny noho ny atavezina ! lasa be taviny fotsiny!!! fa ny akoho gasy be nofotra no mifandanja tsara ny taviny ao anatiny!!!

Niryna: tena samy manana ny fahandrony ny olona kah ! ny anay aty M/ga zao endasina ny akoho dia avy voahendy iny dia asiana côcô indray fa milay an! milelan-tanana ny rehetra fa nareo angaha ahoana!!! :D :D
Misy indray izy endasina iny dia manao ro mazava angivy ! hhhmmmm aoka aloha sao mitelin-drora eo nareo
6. soanja ( 02/10/2009 15:30)
bobone:


ny anay aty M/ga zao endasina ny akoho dia avy voahendy iny dia asiana côcô indray fa milay an! milelan-tanana ny rehetra fa nareo angaha ahoana!!! :D :D
Misy indray izy endasina iny dia manao ro mazava angivy ! hhhmmmm aoka aloha sao mitelin-drora eo nareo


Oy Oy loko miaro vanio mashiro ehhhhhh!!!!


:D
7. ikaretsaka ( 02/10/2009 19:13)
ho anareo mihinana akoho izany 8)
8. bobone ( 05/10/2009 12:25)
ikaretaka:
fa angaha enao tsy mihinana akoho??? :)
9. Lejoba ( 09/10/2009 19:02)
ny any @ dry niryna OGM. Be hormone mampatavy sady matsatso
:x :x :x
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.17