fitahirizana kaly

1. simplex ( 21/09/2009 14:47)

tsy haiko na misy valiny ity na otran'ny question bete be fa zao:
ahoana kay ny fitahirizana voankazo mora simba ee. Genre hoe akondro na zavoka... ra vao atao anaty frigo tsin dia lasa maintimainty be ny hodiny :)

merci

;-)
novalian'i xxx ny 02/01/2010 04:46
2. fasha ( 21/09/2009 15:43)
ny ahy aloa ny akondro tsy ba ataoko anaty frigo zany mitsy fa sasako aloha dia aveho fafako atao maina tsara dia apetrako @ reny fasiana voankazo.ARY TSY BA MAINTY ZANY MITSY;sasao tsara dia fafao tsara atao maina tsara dia atovy aty ivelany zay ihany ny fanaovako ny agna ato.RA MISY MAHITA HEVITRA HAFA MO VAO MAINKA TSARA NY SOA HONO FIANATRA
3. sipagasy ( 21/09/2009 18:16)
ny hitako t@ tv cuisine izay dia ny zavoka, somary mainty iny ny hodiny, dia nampandaloviny tao anaty rano mandevy dia niverina ho maitso, fa tsy mbola nandramako aloha e!
4. kelly13 ( 21/09/2009 21:16)
rano mandevy
inn ankia no dikan'io?

za ndray ry reto ra vao misy karazam-boankazo tafajanona 2 na 3 jours d efa lasa smoothies a! asiko rano kely fotsiny ny blender d tetitetehako madinidinika ny voankazo ambiny ato antrano fa lasa cocktail de jus de fruits bien frais sady misy vitamine! mmhhh, tsara an, surtt akondro sy kiwi mitambatra miam miam tendankanina ze mijery kômorianina (blaguinay t@ zay mbola kely)
5. simplex ( 21/09/2009 21:33)

ie
io kozin'i kelly io mintsy le izy... hoe mividy akondro enao izany dia afaka 2 andro miova loko doly izy rehetra, afaka 3 andro manomboka miboledaka wazy ao :)

ny noeritreretiko dia hoe tonga dia voasana dia freez-ena :roll: mbola miandry ny hevitrareo aloha ah :P

;-)
6. soanja ( 22/09/2009 02:32)
Ny ahy indray ry Simplex dia miankina tokoa amin'ilay karazam-boakanzo vidiana. Ny Paiso izao no malaza aty aminay saingy efa ho lany. Iny tonga dia any anaty frigo fa raha tsy izay mora polesaka. Raha akondro kosa dia kajiako hoe oviana izahay no hamely azy dia ny somary maintso no vidiana dia raha vao miseho feno petipetina afaka herinandro dia tonga dia mivadika mofo akondro. Ny zavoka koa torak'izany; tsy ampidirina anaty frigo fa dia ny mividy le mahery tsy bolejiky fa ilay mbola manta no atao dia iny maharitra herinandro eo. Ankoatr'izay dia manova an'ilay voankazo ho kaonfitira no manamora ny fitehirizana elaela. Na mividy ireny mpanamaina ireny dia vitaina amin'ireny ny akondro hivadika pitika na fintsa.

Mazotoa tompoko!
7. ni81 ( 22/09/2009 08:00)
Voalaza teo :
rano mandevy
inn ankia no dikan'io
rano mandevy = rano mangotraka
8. ni81 ( 22/09/2009 08:03)
Zà koa tsy mba mampiditra akondro anaty frigo izany mihitsy na dia été aza teo, fa aleoko mividy ilay somary mbola maitso dia mihamasaka miadana eo izy.
9. booboo ( 22/09/2009 08:22)
Zà koa tsy mampiditra akondro anaty frigo zany, lasa tsy bledaka tsara @ ilay itiavako azy lé izy :�)

Sinon, ny fanaoko vao haingana kely, natoron'ilay mpivarotra voankazo anà tany an-tsena, hoe atsofoka anaty rano misy vinaigre blanc, ohatra hoe sasana ( esorina tao anaty rano avy teo ). Sady manala ny krôba kely isan-karazany hoe io no mana-ela ny pourrissement des fruits.

Tsy misy tsirona vinaingre ilay voankazo avy teo kah :-D , tsy haiko ny filaza azy fa tsy miraikitra ny vinaigre fa fongana ho azy rehefa tratran'ny rivotra.

10. xxx ( 22/09/2009 11:29)
Ny ahy ilay manasa akondro mihintsy no tena mbola tsy nataoko , i fasha toa manao azy mantsy

Ny paoma sy akondro aty ivelany, poire , paiso, voaloboka miditra vata fampangatsiahana

Hitako hevitra tsara ilay smoothie !!! Merci
11. Papoose ( 22/09/2009 13:02)
ny akondro avela @ toerana mangatsiakatsiaka, eny @ mpivarotra misy efa fanatonana azy!

dia rehefa mividy voankazo en zeneral dia le mbola mafimafy vidiana @ zay maharitraritra kokoa!
12. simplex ( 22/09/2009 17:28)

:)
aleo freez-ena azany ee :lol:

ahoana ny fanaovana an'le smoothies?
mixer-na dia asiana yaorta sa ahoana :P

;-)
13. ikaretsaka ( 22/09/2009 18:09)
tsy haiko raha mety @ fruits .. fa kosa mety @ legumes..
misy cuisinier akama izay, Nordique lery (tsy haiko intsony na Suedois lery na norvegien na Danois) fa nen-dry lerony atao ao anaty bocal be misy menaka na aindoux ny legumes rehefa tehirizina.. karoty, ovy, courgettes,voatabia, voatavo sns... de fafana tsara avy eo rehefa ampiasaina fa tsy mivadika mihitsy le izy
fa tsy haiko ny fruits
14. Papoose ( 22/09/2009 18:41)
ahoana ny fanaovana an'le smoothies?
googleo :-P dia mahazo re7 beutabeu!
15. kelly13 ( 22/09/2009 21:04)
kefa oe rano d ampy kou aourta a aourta, lollll

16. Ratoa ( 22/09/2009 21:31)
mpanamaina
inona indray izany?

Jereo fa any Taomasina fatorana ny akondro dia ahantona dia tsy malady simba. Ny ahy indray akondro mbola somary maintso no vidiako dia ataoko anaty frigo. Dia avoaka androany raha hanina rampitso.
Ny voankazo indray, raha tsy te hanao confiture dia fantenina ny tena tsara tarehy sy mafy, sasana madio, fafana tsara. Alahatra tsara anaty bocal ngeza be ilay misy caoutchouc sy vy manidy azy. (tetehina ny voankazo ngeza be). tsy dia atao feno loatra ny bocal fa asiana ambiny (vide) 2cm eo ho eo. Idiana tsara ny bocal.
Atao bain- marie iny bocal be iny, anaty vilany lehibe misy lafika mba tsy hikasihan'ny bocal sy ny vody vilany (mety ho vaky ilay bocal raha mifampikasika amin'ny vody vilany). Atao mitovy ahavo amin'ny voankazo ny rano anaova bain -marie.
Andrahoina ao ny bocal telo na efatra,arakaraky ny haben'ny vilany, mandra-pitera-drano (jus) ilay voankazo anaty bocal. Rehefa mitovy ahavo amin'ny voankazo ny jus dia vita izy izay.
Avelao ao angatsika. Aza kasikasihana fa mora vaky ny bocal avy nampangotrahana. Raisina amin'ny vatany fa tsyamin'ny loha fa mety hisokatra ny bocal ka hifafy amin'ny endrikao ny ao anatiny. Misy pression ao anty bocal, sous-vide ny mari-marina kokoa.
Mitovitovy amin'ny compote ny tsirony. Angamba isika efa samy efa nividy voankazo anaty boîte? Mitovy amin'ireny. Azo tehirizina aman-taonany ny voankazo voamboatra tahaka izao.
17. simplex ( 23/09/2009 14:52)

papoose,
lol
aza omena tsiny fa dondrona ee :)

kelly,
hihi
zany anie wa ee
tsy azo asiana sira ve? :-P

Ratoa,
ah okay
misaotra ee.
Aleo tonga dia mividy confiture ngambany ny moramora kokoa ee.
Sao mandratra izany bocal vaky izany...
fa tsara alou e... ra sendra any @ toerana tsisy A/tra na otr'zany hevitra mety :-)

;-)


18. ikaretsaka ( 23/09/2009 15:56)
Ka zay le izy ra simp... gravy le hoe te hihinana legumes sy fruit tropicaux nefa tratran'ny boot camp any alaska...
19. Ratoa ( 23/09/2009 19:00)
Sao mandratra izany bocal vaky izany
ka raha ajanona ao anaty vilany izy mpaha hangatsiakany tsy maninona mihitsy. Tsy confiture izy fa fruit au sirop no anarany. Azonao asiana liqueur izay tianao koa sy siramamy kely. Amin'izay fotoana izay indra dia atao 3cm eo ho eo nybanga tsy misy voankazo.
Eo an-tokotaninay ao Tana misy letchi sy paiso gasy ilay masaisay iny ny hodiny, aty amiko tsy misy , dia andefasan'i mamanay bocal tela aman'efatra aho dia ohatra ny nihinana teo an-tokotany mihitsy. Dia averiko indray ny bocal, fenoiko poires sy mirabelles na jus de pommes ataoko.
Intéressant.
20. booboo ( 23/09/2009 19:06)
hu ! interessant tokoa...hanganona bôkal zà klé
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1881