ba toroy hevitra azafady

1. fasha ( 20/09/2009 11:21)
manahoana daoholo tompoko
zao re hanasa olona mpivady gasy izahay mivady @ alahady zao ka vao tokantrano vao manko ny tokantranoko bola tsy ary nanasa olona zany ny tenako nefa belle soeur io asaina io ka ba omeo orohevitra inona no sakafo anasako azy reo.manantena fa hisy hamaly ny hetahetako miasaotra mialoha.
novalian'i soanja ny 06/10/2009 00:01
2. Ratoa ( 20/09/2009 13:21)
Fantapataro aloha inona ny sakafo tiany. Azonao atao koa ny manontany azy mivantana. Ny ahy raha anontaniana aho dia hena atono amin'nafo kitay na charbon no tiako na trondro gasy.
Azonao atao koa ny manao ny sakafo izay tena hainao ny manao azy. Dia voankazo tsy fahita isan'andro arahana gâteau sy café na tisane: tilleul -memthe na thé au jasmin.
3. xxx ( 20/09/2009 14:16)
Fiainana efa sarotra zao ve de mbola asiana an'izany indray? Ny ankamaroan'ny Malagasy izao zara raha mahita ny hoanina dia vitanao ve ny hanao fandanianamihoatra amin'izay fanasana ao an-tokatrano ihany fa tsy hoe olona hafa no ho tonga ao aminao?
Sa kosa le resaka tsindry io ka tsy maintsy atao haute qualité ny sakafo aroso sao dia tolorany ro matsatso fotsiny rehefa mivahiny any aminy amin'ny manaraka?
Rehefa sakafo mendrika, ara-pahasalamana, madio sy voahomana tamim-pitiavana dia azo aroso daholo. Ny fahaizanao mandray vahiny sy mampandroso an'izay voaomanao no tena zava-dehibe fa tsy izay arosonao akory.
4. fasha ( 20/09/2009 18:11)
misaotra anareo namaly .tsy any dago ny tenako fa aty am pitandranomasina ka reo vahiniko reo ko torak izany ka nangataka izy ba atao sakafo gasy ka izay no antony angatahiko toro hevitra aminareo ,fa tena bola tsy manana hevitra sady matahotra sao manao taho foana eo ka hihomezan olona eo marina fa zoa baviko ba omeo hevitra ary ny fomba fanaovana azy ko ra mety.MERCI EH
5. xxx ( 20/09/2009 18:24)
Fiainana efa sarotra zao ve de mbola asiana an'izany indray? Ny ankamaroan'ny Malagasy izao zara raha mahita ny hoanina dia vitanao ve ny hanao fandanianamihoatra amin'izay fanasana ao an-tokatrano ihany fa tsy hoe olona hafa no ho tonga ao aminao?
ndry! ka raha misy atao kosa izy ireo hanasany voalohany ny fianakaviam-badiny dia maninona e?
Sa kosa le resaka tsindry io ka tsy maintsy atao haute qualité ny sakafo aroso sao dia tolorany ro matsatso fotsiny rehefa mivahiny any aminy amin'ny manaraka :roll:
fa maninona no tonga dia misaina toy izany kosa ianao ry xxx1? Mba hafahafa ity fomba fisainana k'ity? Mahatalanjona mihitsy 8O
6. simplex ( 20/09/2009 20:33)

ie
tsara ra anotaniana izy... na du moins ny vadinao no anotaniana.
Misy ny olona manana fady an, na hoe allerzika na hoe tsy tiany tsotra izao. Ohatra hoe za zao tsy tia voatavo atao loaka ka ra izay no aroson'i toi ao dia faran'ze tsy mazoto be hande ho any intsony ah :)
refa miantso izy hi-confirme hoe ho avy dia anotanio hoe sao dia misy sakafo ankafizinareo na hoe misy sakafo tsy haninareo na otr'zany ee...

sinon, rohy kaly gasy:
http://razafimalala.free.fr/Recette/SommaireRecette.htm
7. soanja ( 21/09/2009 03:51)
fasha:

manahoana daoholo tompoko
zao re hanasa olona mpivady gasy izahay mivady @ alahady zao ka vao tokantrano vao manko ny tokantranoko bola tsy ary nanasa olona zany ny tenako nefa belle soeur io asaina io ka ba omeo orohevitra inona no sakafo anasako azy reo.manantena fa hisy hamaly ny hetahetako miasaotra mialoha.


Ny sakafo heveriko fa tena Malagasy amiko dia ireto avy:

1- Vary fotsy na vary miaro vanio na vary amin'anana.
2- Hena: ka na hena ritra io na henakisoa sy akoho nahandro gasy.
3- Rogay- sady misy sakay voatoto mitokana.
4- Lasary cocombre na lasary manga.
5- Ro matsatso- anana sy sakamalao dia atao mazva be ka io no maha ro mazava azy. Tsy asiana sira io.
6-Tsindrin-tsakafo: voankazo toy ny papay, na izay voankazo misy mifanaraka amin'ny fiainana any Mada.
7- Mofo akondro na mofo tantely na mofo mamy tsotra.

Ireo amiko no antsoina hoe hanim-pitoloha. Izay nahaGasy antsika hatramin'izay. Azo avadibadika ireo miankina amin'izay sakafo tiana fa tsara raha feno fito karazana ho fanomezam-boninahitra ny mpivahiny ary haja ho an'ny tompo-trano. Miankina amin'ny fahafahana anefa ny rehetra.

Mazotoa homana tompoko.



8. soanja ( 21/09/2009 03:59)
Saika hadinoko:

Ny zava-pisotro dia tokony ho rano ampango raha mahay indry. Ny ahy tsy mety mamoaka izany ny vilany na dia efa manana cocoty avy any Ambatolampy aza aho. Ho solon'io dia mividy ranona sijavo (coco tanora) dia iny no arosoko amin'ny vera tsotra. Misy mivarotra an'io any amin'ny manangazay sinoa. Rehefa hihinana ny tsindi-tsakafo indray dia mandroso Dite Sahambavy misy vanille. Azo atao koa manamboatra cafe.

Amin'ny MahaBetsileo ahy, raha manana divay cotes d'Isandra na avy any Ambalavao na Maromby izay malaza ianareo dia soa izay. Raha tsy misy moa io dia aza misahirana fa izay eo aroso.
9. ni81 ( 21/09/2009 06:36)
Rehefa sakafo mendrika, ara-pahasalamana, madio sy voahomana tamim-pitiavana dia azo aroso daholo. Ny fahaizanao mandray vahiny sy mampandroso an'izay voaomanao no tena zava-dehibe fa tsy izay arosonao akory.
Mety ho marina ny voalazanao fa kosa maro ny olona manao vezetarianina @ zao fotoana na koa vezetalianina dia ho very maina ny sakafo voakarakara raha tsy mihinana izy. Noho izany dia tsara ny manontany azy alohan'ny ahatongavany fa tsy tonga dia hianona @ hoe zava-dehibe izay aroso.
10. xxx ( 21/09/2009 08:56)
xxx:

Fiainana efa sarotra zao ve de mbola asiana an'izany indray? Ny ankamaroan'ny Malagasy izao zara raha mahita ny hoanina dia vitanao ve ny hanao fandanianamihoatra amin'izay fanasana ao an-tokatrano ihany fa tsy hoe olona hafa no ho tonga ao aminao?
Sa kosa le resaka tsindry io ka tsy maintsy atao haute qualité ny sakafo aroso sao dia tolorany ro matsatso fotsiny rehefa mivahiny any aminy amin'ny manaraka?
Rehefa sakafo mendrika, ara-pahasalamana, madio sy voahomana tamim-pitiavana dia azo aroso daholo. Ny fahaizanao mandray vahiny sy mampandroso an'izay voaomanao no tena zava-dehibe fa tsy izay arosonao akory.



Toa miakatra be ?
11. ni81 ( 21/09/2009 09:04)
Toa miakatra be ?
may ny sakay angamba koa! :-D :-D
12. ni81 ( 21/09/2009 09:05)
Ny zava-pisotro dia tokony ho rano ampango raha mahay indry. Ny ahy tsy mety mamoaka izany ny vilany na dia efa manana cocoty avy any Ambatolampy aza aho
ataovy @ casserole alu fa mety.
13. fasha ( 21/09/2009 15:47)
MISAOTRA NAREO REHETRA NAMALY AHY KA REHEFA NANDINIKA ZA DE METY HO ARAHIKO LAY MENU NOMEN SOANJA EO AMBONY
merci eh fa raha bola misy manana hevitra ba omeo mo azafady saika ny eritreretiko atao
entré;composé gasy
resistance:gana na hena ritra+ rougail
dessert:salade de fruit
14. soanja ( 22/09/2009 02:25)
Fasha> Tongava malaky ny vahiny dia mazotoa homana ianareo rehetra ary!

Ni81> Misaotra fa andramako indray ary io.

:-* :-* :-*
15. booboo ( 22/09/2009 08:33)
Tsy haiko fasha fa zà rehefa manao hena ritra dia eo am-pikarakarana azy eo dia lasa mivadika motika à la bourguignone ny anà :�) :�) . Mahita ilay izy miketrika anaty vilany zà dia hitako hoe tsara² kokoa raha asiana divay izao ito :-D :-D

Motika gasy koa : henakisoa sy poireaux, trondro asiana lafika, trondro maina atao ro miampy ovy, henakisoa sy crevettes, ravitoto sy voanjo...

ro : rom-patsa, ro mazava dia salady na epinard dia efa mety aby

taitaikanina mandra-piandry ny tena motika be :�) : katilesy e, henabôl e, samosa e, sns miaraka @ ilay composé.

dessert : akondro nodorana ( banane flambée )

16. ni81 ( 22/09/2009 11:56)
Ni81> Misaotra fa andramako indray ary io
tandremo fa somary lasa marron mihitsy ilay casserole avy eo an! :)
17. soanja ( 22/09/2009 15:45)
ni81:

Ni81> Misaotra fa andramako indray ary io
tandremo fa somary lasa marron mihitsy ilay casserole avy eo an! :)


Tena avela ho may be somary mamofona ireny mihitsy zany ny trano sa adiny firy eo ny fandrahoana azy? Afo malefaka ve sa afo mahamay rehefa nalaina tao ny vary masaka? Misaotra mialoha.


:-* :-* (l)
18. ni81 ( 22/09/2009 15:55)
Tena avela ho may be somary mamofona ireny mihitsy zany ny trano sa adiny firy eo ny fandrahoana azy? Afo malefaka ve sa afo mahamay rehefa nalaina tao ny vary masaka? Misaotra mialoha.
Avela ho may mamofona iny mihitsy, (andraso rahampitso antoandro ho marihiko ny fotoana ahamasahany) dia misy lokony somary marron tazana eo @ sisin'ny casserole, dia loarana @ zay iny ambonimbony rehetra iny, dia ilay miraikitra @ vilany no asiana rano ho tonga ranovola.
19. Ratoa ( 22/09/2009 21:34)
20mn ihany dia mahamasa-bary. raha tiana ho manitra dia ampitomboy ny afo (électricité na gaz) dia 5 à 7mn eo iany dia manitra.
20. ni81 ( 23/09/2009 09:56)
20mn ihany dia mahamasa-bary. raha tiana ho manitra dia ampitomboy ny afo (électricité na gaz) dia 5 à 7mn eo iany dia manitra.
tena 20mn tokoa @ gaz Ratoa a! tena marina ny voalazanao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1449