Ampiasao ny saina

1. dangytsmaty ( 16/09/2009 10:07)
Aleo mba hanome asa saina kely ndray é!
Nisy olona 3 mianaka: 2 lahy zanaka, ary ny 1 Rainy(Dadany). Hiampita lakana ry zareo kanefa misy Condition miampita eo: tsy mahazaka afa-tsy 50Kg le lakana nefa zareo efa mihoatra ny 50Kg.Zao anefa: izy 2 lahy 50Kg ny lanjany, Dadany ihany koa dia 50Kg ny lanjany; ny lakana iray ihany fa tsy misy hafa.
Nataony ahoana ary no niampita teo? tafita daholo ry zareo an! Tsy mihoatra ny 50Kg no zakan'ilay lakana an!
Fanazavana kely hafa mintsy: le oe dangytsmaty Inspiraka tany an-tsekoly fahiny io de...!!) Okay daholo.
2. dangytsmaty ( 16/09/2009 10:49)
Ekena é!
Nisy razoky hiampita lakan ndray ary: fotsim-bary sy akoho ary saka no nentiny, tsy azo atao ndry miampita fa tsirairay an, nefa ze tavela na tafita de mifam-pihinana. Ohatra: saka sy akoho; akoho sy vary
ahoana ndray ary no nataony t@ zany nefa tafita daholo
Okay ary
3. caprio ( 16/09/2009 20:59)
ka tsy ho afaka hiampita eo mihintsy raha tsirairay satria ny biby tsy hafaka mivohy lakana,dia mazava ho azy zany ny valiny fa nandraon-drazoky ny vary dia saka sy akoho no nataony laoka de zay izy vao niampita,de tafita doly ry zareo
4. tsial ( 22/06/2010 09:39)
ilay faharoa no valiako ah
aterina eny am-pita voalohany ny akoho satria ny saka tsy mihinana fotsim-bary, de avy eo alaina manaraka ny saka, de entina miverina miaraka indray ny akoho fa ny saka no avela, de ajanona eo indray ny akoho fa ny fotsim-bary no aterina eny @ saka de avy eo alaina farany ny akoho. de tonga daholo.
5. fidinirina ( 16/03/2015 06:01)
Valiny:
Nandeha mialoha izy roalahy zanany = 50kg,
ny iray nijanona teny am-pita ary ny iray niverina nitondra lakana = 25kg
Nandeha irery indray kosa ilay Rainy avy eo = 50kg
Ary ilay zanany iray efa teny am-pita no nitondra ny lakana niverina haka ny rahalahiny = 25kg
Niara-niampita izy roa lahy t@ farany = 50kg
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1644