Ampiasao ny saina

1. dangytsmaty ( 16/09/2009 10:02)
Aleo mba hanome asa saina kely ndray é!
Nisy olona 3 mianaka: 2 lahy zanaka, ary ny 1 Rainy(Dadany). Hiampita lakana ry zareo kanefa misy Condition miampita eo: tsy mahazaka afa-tsy 50Kg le lakana nefa zareo efa mihoatra ny 50Kg.Zao anefa: izy 2 lahy 50Kg ny lanjany, Dadany ihany koa dia 50Kg ny lanjany; ny lakana iray ihany fa tsy misy hafa.
Nataony ahoana ary no niampita teo? tafita daholo ry zareo an! Tsy mihoatra ny 50Kg no zakan'ilay lakana an!
Fanazavana kely hafa mintsy: le oe dangytsmaty Inspiraka tany an-tsekoly fahiny io de...!!) Okay daholo.
2. tywa68 ( 16/09/2009 10:15)
inspiraka fahiny :lol:
Dia lay izy 2 lahy zany no mandeha aloha d miverina ny 1 mamerina ilay lakana ho an'ilay baina, zay miampita irery, d lasa indray lay tokana miverina maka ny rahalahiny d vita :lol:
3. dangytsmaty ( 16/09/2009 10:46)
Ekena é!
Nisy razoky hiampita lakan ndray ary: fotsim-bary sy akoho ary saka no nentiny, tsy azo atao ndry miampita fa tsirairay an, nefa ze tavela na tafita de mifam-pihinana. Ohatra: saka sy akoho; akoho sy vary
ahoana ndray ary no nataony t@ zany nefa tafita daholo
Okay ary
4. tywa68 ( 16/09/2009 10:56)
D ny saka aloha no entiny, d avy eo ny fotsimbary, zay vao ny akoho :lol:
5. tywa68 ( 16/09/2009 10:58)
raha tsy efa lanin'ny akoho lay fotsimbary :-D :-D
6. dangytsmaty ( 16/09/2009 11:09)
D lanin'ny akoho le fotsim-bary tavela ry tywa68 ah! tsy mety zany fa mitadiava hevtra. hi hi hi hih
7. tywa68 ( 16/09/2009 11:19)
ho avy eo ny namana sasany fa afapò aho :-D :-D
8. Mandefitra ( 16/09/2009 11:25)
Nentina ny akoho, niverina, nentina ny saka dia napetraka eo ampita dia nentina niverina ny akoho, nentina ny fotsimbary fa i akoho navela teo, @ farany vo netina indray ny akoho.
9. nathie86 ( 16/09/2009 12:05)
nentiny ny akoho, d ny saka sy ny fotsimbary najanina teny ampita, niverina iz d nentina ndray ny saka, rehefa napetraka ny saka d nentina niverina ny akoho, napetraka ny akoho teny ampita d nentina ilay fotsimbary, d avy teo niverina naka ilay akoho :-D :-D :-D :-D :-P
10. xxx ( 16/09/2009 12:39)
K'hatsikana dangodango koa raha ty ry dangytsmaty :-D :-D :-D
11. peta83 ( 18/09/2009 09:02)
zao ary, nisy ranga nanana zanaka lahy 3, hizara atody 38 @reo zanany reo izy ka toy izao ny fizarany azy : nen'ilay lahy matoa dia 1/2 amin'ny atody 38 no anjarany, ny lahievo 1/4 ary ny farany dia 1/5. Firy avy ny isan'ny atodin'izy ireo. Marihana fa tsy azo zaraina ny atody 1. Mazto e!
12. rhina ( 20/09/2009 09:01)
napitainy ny sakai
dia avy eo ny vary
d farany ny ankoho niaraka taminy d tsis nifapinana satria ny saka tsy mihinana sakay sy ny vary tsy mifapinana fa ny ankoho ihany no mihinana ireo

13. pitiny ( 22/09/2009 12:17)
ka tsy azoko hoe kou raha efa niaraka nipetra ireo telo ireo talohan'ny niampitana anle rano de tsy efa nifampihinana ihany ve e? :D
de izao e ny akoho nihinana ilay vary de efa saka sy akoho izany sisa de avy eo indray nohanin'ny saka ilay akoho de le saka sisa de avy eo nentina fotsiny ilay saka tafapits daholo ihnay izy telo fa le akoho sy le vary efa niova ny forme any :lol: :lol:
14. vahiny2004 ( 22/09/2009 12:46)
peta83:

zao ary, nisy ranga nanana zanaka lahy 3, hizara atody 38 @reo zanany reo izy ka toy izao ny fizarany azy : nen'ilay lahy matoa dia 1/2 amin'ny atody 38 no anjarany, ny lahievo 1/4 ary ny farany dia 1/5. Firy avy ny isan'ny atodin'izy ireo. Marihana fa tsy azo zaraina ny atody 1. Mazto e!


Nampiana 2 ny atody dia lasa 40

Faralahy : 40/5 = 8
Lahiaivo : 40/4 =10
Lahimatoa : 40/2 = 20

Dia raha atambatra ireo dia 38, dia alainy indray ilay atody 2 azy teo
15. pitiny ( 22/09/2009 14:38)
inty kou misy iray e:nisy tary iray aleo atao hoe izaho io tary io
manana kanety enina(6), tamin'ny nividianana azy de ozy ilay mpivarotra hoe misy iray amin'ireo maivana nohon' ny sasany ,tiako ho fantara ary hoe iza ny maivana nefa ilay mizana andanjako azy tsy mahazo ampiasaina mihotra ny indroa ihany ahoana ary no atao mba ahafantarana ilay maivana?
16. rhina ( 25/09/2009 05:59)
ssssh tsy fa mpimeezana ny anareo fa fampiasana saina fotsiny
ny eo tsy vovaly d ny eo mametraka
17. dangytsmaty ( 25/09/2009 08:24)
pitiny:

inty kou misy iray e:nisy tary iray aleo atao hoe izaho io tary io
manana kanety enina(6), tamin'ny nividianana azy de ozy ilay mpivarotra hoe misy iray amin'ireo maivana nohon' ny sasany ,tiako ho fantara ary hoe iza ny maivana nefa ilay mizana andanjako azy tsy mahazo ampiasaina mihotra ny indroa ihany ahoana ary no atao mba ahafantarana ilay maivana?

Nozarainy roa le kanety 6 de nolanjainy; zay 3 maivana no nolanjainy faharoa ka: 2 ihany no nataony teo ambony mizana ha ny 1 nataony an-tanana, raha mitovy le 2 lanjaina de ny eny an-tanany no maivana ndrindra raha tsy zay ndray de ny iray @ le eo ambony mizana zany no izy
Sa tsy marina zany ry pitiny?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0831