Ndao hitantara adalan'ireo RAD taloha

1. boozkel ( 28/08/2009 13:37)
Ny an'i Papanay nanao fifaninana hidirana miasa izany hono izy, de tena mora be le test natao, de efa nahatoky tena be fa ho afaka e,
de nivoaka ny valim-panadinana kinanjo tsy tao ny anarany, nalahelo be hono izy, de we andeha hamono tena, de niraisina ny moto, (le moto taloha be ireny, tsy haiko na vespa io na camino) de andeh erakiny arabe hono izy de tsy hijanona stop mintsy na de hisy tomobil mirimorimo be aza, de lasa de tsy nijanona stop tokoa, ..........reraka ihany fa tsy nisy tomobila naninona, sady mbola tsy de be Tomobila koa Tamatave t@ zany andro zany,
reraka fotsiny, ny lasantsy lany...izy tsy maty...
t@ zay izy hono mbola celibat.

An'ny hafa ndray ndao henoina.
novalian'i Envy7 ny 08/09/2009 09:27
2. Bazily ( 28/08/2009 14:16)
Ra-bainay ndray hono fahiny izy mbola jeune de vao hi-kôty an-drabôfy t@zay.
Ny lalana miditra ny tanananay moa misy fidinana kely izay, lery manana le beka quadre700 be ireny t@zany. Dia mba ni-stylll nanao tsy ankitana guidon fa mba hoe handalo eo alohan'ny tranon-dr rabôfy satria mandalo eo vao tonga ao amindry zareo. Kanjo sendra omby niporitsaka tampoka fa folaka ny lamosiny nitsingidina t@ tany. Lery nikarapoka be no nahataitra an-dry rabôfy. Fa isaky ny misy fifanalàna kely izy mitsamy taloha de ao foana le resaka beka.
Ouzy rabaina : ianao aza nanaovako tsy ankitazona tsy nahatandamba,
dia valiandrabôfy fotsiny hoe raha tsy le omby de tsy notompazako maso akory.
3. Envy7 ( 29/08/2009 05:10)
Ty kosa angamba tsy hadalana kle,T@mbola tsy nivady,ra-Dada sy ra-Mama.Mitady fika ry zareo ahafahana mihaona.Lavitra eo @7km eo,ilay signe atao. ra-Dada zany any @7km no mitazatazana,lay toerana somary avoavo,ra-Mama any @7km no mametraka lay fika.Raha vao mipetraka eo @varavarankely avaratra ,ny lamba fotsy ,tongava ,alaivo za,tsisy olona.Fa ndray andro,mba nametraka iany ty ra-Mama,notsofiny rivotra tao,nandrasana ty ra-Dada tsy nipoitra,nefa io no andro ahitany any ra-Mama,fa andeha hoany Tsiroanimandidy ry zareo ny apitsonio,iray volana any foana.ra-Dada sasa-niandry teny lavitra tsisy signe.Farany nihaodihaody teny,nihidy be ny trano.Namoifo,(...)nivady iany niafarany.
4. ni81 ( 29/08/2009 12:09)
Lery nikarapoka be no nahataitra an-dry rabôfy. Fa isaky ny misy fifanalàna kely izy mitsamy taloha de ao foana le resaka beka.
:-D :-D :-D
5. nathie86 ( 01/09/2009 10:47)
Bazily:

Ouzy rabaina : ianao aza nanaovako tsy ankitazona tsy nahatandamba,
dia valiandrabôfy fotsiny hoe raha tsy le omby de tsy notompazako maso akory.

Masiaka b kosa neninareo zany eh

:-D :-D :-D :-D
6. fahamarinana ( 01/09/2009 11:16)
:arrow: Basily : :-D :-D merci e! tsy mbola nihomehy koa aho raha tsy iny !(l)
7. ikaretsaka ( 01/09/2009 16:36)
Ary taloha izany ny beka sy ny moto no tena fitaovana Fikotiana an
8. Papoose ( 01/09/2009 16:50)
de gitara koa! :lol:
9. Envy7 ( 08/09/2009 09:16)
De mitaingina tamboho sady mivazo.Ary ny sisa faly mamaky ny voasoratra fotsiny kle,mba tantarao koa mba hiarahana mihomeh.
10. Envy7 ( 08/09/2009 09:17)
De mitaingina tamboho sady mivazo.Ary ny sisa faly mamaky ny voasoratra fotsiny kle,mba tantarao koa mba hiarahana mihomeh.
11. Envy7 ( 08/09/2009 09:27)
De mitaingina tamboho sady mivazo.Ary ny sisa faly mamaky ny voasoratra fotsiny kle,mba tantarao koa mba hiarahana mihomeh.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8306