Aretinkoditra/mila fanampiana fa efa lany aiky

1. Raleta ( 11/08/2009 12:52)
Inona no fanafody tena mahomby manala aretinkoditra izay niatomboka teo @ loha (Angadrao tena madevina be ary) ary nifindra amin'ny volomaso tarehy sy eny, sofina @ filahiana. Efa betsaka ny traitement anti-fongique sy anti- dermite sébhoraique natao nefa tsy nisy naharesy ilay aretina. keto plus izao no nampiasaiko nandritra ny 2 taona hatramin'izao, tsy mahafaka fa misoulager fotsiny. Betsaka ny lehilahy Mamonjy mpanety no voan'izy io.

Misaotra mialoha raha misy vahaolana mahomby any aminareo any.
2. ari.malala ( 12/08/2009 06:04)
MAninona raha manatona dermatologue e! tsisy afatsy ny dokotera iany nge no afaka manome ny traitement adéquat @ aretina sy izay manjo e! Ny fanafody mety @ hafa ts voatery hety aminao, indrindra resaka hoditra izany saropady!
3. ni81 ( 12/08/2009 08:11)
Ny dermatologue mihitsy tokoa no tokony hatoninao e!
4. Raleta ( 12/08/2009 13:19)
Efa namonjy dermato foana hatramin'ny nazahoana io aretina, efa nasainy nampiasaina daholo zao fanafody rehetra zao nefa tsy misy mahafaka azy. lazain'ny le dermatologue fa tsy mifindra le izy nefa teny @ mpanety teny no nazahoana azy.
5. ni81 ( 12/08/2009 13:28)
Ka izay izany no fahafantarany an'ilay aretina e! Mety noheverinao fa teny @ mpanety fa mba sendra nifanandrify angamba.
Ny tena hitako misy ireny angadrano matevim-be ireny dia ireo olona misotro toaka be (miala tsiny raha toa ianao tsy mpisotro, fa olona tena fantatro tsara sy mifanerasera no misy toa io ny lohany sy ny tarehiny). Dia tsy mifindra tokoa ilay izy.
6. ritsa ( 12/08/2009 22:03)
Nitovy tamin'ny anao mihitsy ny cas-ko 5taona lasa izay;izaho dia tsy mpandeha mpanety mihitsy;efa nampiasaiko daholo izao rehetra izao fa lany aiky hatr@ dermatologue;hay ilay izy vokatry ny adin-tsaina;tsy nety nino aho raha niteny ahy radoko hoe tratran'ny depression za ka izany no mahatonga azy io tsy mety sitrana,tsy miteny akory za hoe sao de mideprime ianao an;fa ny cas-ko izay fa ny fomba fisehon'ny aretina dia nitovy mihitsy.Nihinana anti-depresseur nandritry ny 1an za de nisy fahasitranana fa tonga de najanoko amin'izay le fanafody.Ny tiko tenenina de hoe betsaka ny antony mahatonga an'izy io;ary hatramin'izao ra vao manana bleme kely za de mihetsika ilay izy fa efa fantatro de miezaka mandamin-tsaina za.
7. Lejoba ( 12/08/2009 22:53)
Fa tsy psoriasis ve izany? Tsy mifindra io mantsy.
Arak'io voalazan'i ritsa io, mety ho vokatry ny fiasan'ny saina be loatra, na tsy tonga any @ déprime aza.
Amboary koa ny sakafo fa ny tsy fahatomobanan'ny taova ao anaty hita taratra ety ivelany rehefa tena gravy: aretin'aty, mauvaise circulation sanguine (io resak'i ni81 io).
Raha mampiahiahy ny mpanety, mankanesa any @ ireny mi-désinfecter fitaovana eo imasonao ireny eh. @ izay koa nareo tsy mamindra @ mpiara-monina raha sanatria mifindra ilay izy :D :D :D
8. Raleta ( 13/08/2009 06:08)
Misaotra @ torohevitra. Le hoe Miasa saina, misy fotoana tena miasa saina be mihitsy, misy fotoana mba mitsotsotra, le misotro toaka aloha tena tsy manao izany e! ndraindray ihany mba mamely bex, fa tsy betsaka. Ny tena mahatonga ahy miteny hoe mifindra nge, 1 volana taorian'ny nakanesako teny @ mpanety no nanomboka niseho teo @ handrina ilay izy avy eo nidina nankeny @ volomaso, eny @ sofina, de @ izao eo @ hoditra ny testicule lasa misy; de tsy mifindra ve izany?? Raha vao tsy sasaina isaky ny 2 jours le izy de tena mitombo be sady manaikitra sy lasa menamena ny hoditra (otrany hoe hoanin'ilay izy ny hoditra, indrindra fa ny eo @ tarehy). Le teo @ sofina aloha afak'ilay fanafody fa ny sisan'izay de eo ihany no eo. Efa nisy olona 3 izay no hitako nitovy Cas tamiko, ilay anakiray nifampiresaka tamiko de efa nanantona dermato koa nefa tsy sitrana. Ho arahiko ze torohevitra mahasoa arosonareo ary raha misy sosokevitra hafa mahasoa any de isaorana mialoha.
9. ari.malala ( 13/08/2009 06:17)
Raha vao tsy sasaina isaky ny 2 jours le izy de tena mitombo be sady manaikitra sy lasa menamena ny hoditra
F'angaha kosa nareo ramose isaky ny 2 jours na mihoatra aza vao misasa? 8O 8O mesure d'ehygiène farak'izay madinika idnrindra anie ny misasa isanandro e! ekeko hoe mangatsika zao ny andro eto Tana, fa na izany aza v d...
10. roxanaha ( 13/08/2009 08:15)
Raleta:

Inona no fanafody tena mahomby manala aretinkoditra izay niatomboka teo @ loha (Angadrao tena madevina be ary) ary nifindra amin'ny volomaso tarehy sy eny, sofina @ filahiana. Efa betsaka ny traitement anti-fongique sy anti- dermite sébhoraique natao nefa tsy nisy naharesy ilay aretina. keto plus izao no nampiasaiko nandritra ny 2 taona hatramin'izao, tsy mahafaka fa misoulager fotsiny. Betsaka ny lehilahy Mamonjy mpanety no voan'izy io.

Misaotra mialoha raha misy vahaolana mahomby any aminareo any.

Izaho koa manana problème ôtranao io Raleta. Rehefa mihinana sakafo be menaka aho no tena mihetsika ilay aretina. Angadrano matevina be, midina eny @ volomaso sy eo @ sofina. Avy eo lasa ôtrany hoe hodipotsy lay izy. Dia nandeha teny @ mpanao volo za ndray andro ary hitany fa fotsifotsy be tsy mitovy @ teint-ko ny eo @ sisin'ny andriko. Natorony anà hoe mycolog ampiasaina dia ahositra @ faritra misy lay problème(voir notice). Dia nandaitra lay izy . Fa rehefa mihinana sakafo be menaka ndray avy eo de mihetsika lay izy dia ainsi de suite.De manisy mycolog ndray de tonitony.Na izany aza anontanio ihany ny dokotera e!
11. Ratoa ( 13/08/2009 09:36)
ny angadrano matetitka dia fisehona tsy fahampiana avy any anty. Ka raha tena hanao soin ianao dia manantona Dr na farafaharatsiny Pharmacie. Ny traitement hitako nataon'olona dia misy olna iray manadio ny hodi-dohano amin'ny huile d'amande douce na huile d'olive. Dia raha avy eo sasana madio tsara amin'ny rano mafana sy shampoing im-betsaka. Misy karazana savony liquide désinfectant koa eny amin'ny pharmacie, anasanao loha sy androinao. Dia nisy fanafody natelina koa.
12. soanja ( 13/08/2009 14:45)
Ny fanafody hitako mety hanampy anao fa asa anefa na misy any amin'izay misy anao any dia ny fisotroana rano na mangosteen isanandro in-4 ny sotrokely maraina atoandro hariva. Io ranom-boakazo io dia notsihifina avy amin'ny hodiny ilay voankazo ao anatiny mihitsy.

Io dia mandio ny any anaty sy mitsabo ny aretin-koditra toy izany. Tsy eo no ho eo ny fiovana fa mety haharitra 6 mbolana vao mahita mangirana saingy tena mandaitra tokoa.

Raha te hahalala io fanafody io misimisy kokoa dia manorata manokana any amin'ny mail-ko dia tadiaviko ny toerana mety manakaiky anao indrindra mivarotra azy.
13. Raleta ( 14/08/2009 13:35)
soanja:

Mahaliana tokoa izany, mbola tsy fantatro aloha io fa mba ampio @ fitadiavana azy

14. Raleta ( 14/08/2009 13:41)

Tsy haiko ny mailnao fa io ny ahy fidsonbe@yahoo.fr

15. cutie ( 14/08/2009 14:10)
Mpandefa : Raleta [ Valio ] 11-08-2009 14:52:14
Lohateny : Aretinkoditra/mila fanampiana fa efa lany aiky
Inona no fanafody tena mahomby manala aretinkoditra izay niatomboka teo @ loha (Angadrao tena madevina be ary) ary nifindra amin'ny volomaso tarehy sy eny, sofina @ filahiana. Efa betsaka ny traitement anti-fongique sy anti- dermite sébhoraique natao nefa tsy nisy naharesy ilay aretina. keto plus izao no nampiasaiko nandritra ny 2 taona hatramin'izao, tsy mahafaka fa misoulager fotsiny. Betsaka ny lehilahy Mamonjy mpanety no voan'izy io.

Misaotra mialoha raha misy vahaolana mahomby any aminareo any.

Sao de manana allergy enao? mety ho resaka toetr'andro koa io, miova toerana mafana hipetrahana na dry climat koa mety.
16. Ratoa ( 14/08/2009 18:41)
Indraindray koa permanganate fotsiny dia mety: rehefa avy nanadio tena tsara iny ianao dia kobano amin'ny ranona permanganate ny tenanao rehetra. Tavoahangy efa mitapoka sahaza ho 1,5litre mahavita ny tenanao rehetra ( efa misy mode de dilution ny tavoahangy d'origine). Dia tsy fafana amin'ny serviette fa anddrasana ho maina eo.
Mahafaoka betsaka ny permanganate ary tsy misy danger atahorana; Telo andro ihany dia misy fiatsarana.
17. millenium ( 18/08/2009 07:30)
Ny an-dry ari-malala sy ni81,à chaque fois misy hevitra misokatra ara-pahasalamana ato anaty forum dia hoe manantona dokotera na spécialiste foana matoa le olona manontany ato dia mba mila ny hevitrareo, efa lazainy hoe lany aiky izy mbola hoe manantona dokotera ihany.
Raleta:ny vadiko koa mitovy càs aminao fa fiasana saina be loatra na dépression nerveuse no mahatonga an'io, ny nataony mba naha afaka an'le izy dia alona huile de ricin eo @ 15mn eo (vidina any @ homéo-pharma),avy eo sasana @ shampoing fructis anti-pellicilaire, alona eo @ 10mn eo,de kobanina tsara @ rano matimaty.Manantona pharmacie fa misy pommade anti-mycose zay vidina any ary hosorana maraina, atoandro, hariva ary mihinana chlophéniramine(comprimé eny @ pharmacie tsy dia lafo ny vidiny,anti allérgie mantsy io).Fa mba tsy niverina intsony ilay izy hatramin'izao nanao ireo,andramo ihany sao dia mba mety aminao.Mirary soa
18. xxx ( 18/08/2009 07:50)
Soso-kevitra ny ahy, tsara raha manara-maso ny sakafonao koa ianao, manandràma mihinana sakafo "sain", izany hoe tsy be menaka, hahena ny fihinanana hena, misotro rano tsotra betsaka sns ! dia mandehana indray any amin'ireny olona manao medecine naturelle ireny, izany hoe a base-nà plante, na zavatra natioraly ampiasaina toy ny fakavonenina sns ..; sady tsy misy effet secondaire izy ireny anefa mandaitra dia mandaitra. fa ilay sakafo aloha no tena amporisihako anao e ! manao cure de fruit et legume ianao, na manaova aloha purification ny vatana. ilay vao maraina iny, na dia mangatsiaka aza ny andro dia misotroa rano, ilay vao mifoha iny
mazotoa
19. ni81 ( 18/08/2009 07:52)
Ny an-dry ari-malala sy ni81,à chaque fois misy hevitra misokatra ara-pahasalamana ato anaty forum dia hoe manantona dokotera na spécialiste foana matoa le olona manontany ato dia mba mila ny hevitrareo, efa lazainy hoe lany aiky izy mbola hoe manantona dokotera ihany.
Ka azo atao ange ny miovaova dokotera e! Misy Dr maro azo atonina!Toro-hevitra no notadiaviny eto ka tsy dia tena hitako izay olana @ millenum @ zany, dia toro-hevitra koa ny hoe: mandehana DR na spécialiste. Manana safidy izy: na handeha na hijanona. Ireo olona eto ireo ange toa samy fanafody avy @ Dr daholo koa no nolazainy e! Afa-tsy i Soanja no nanoro fanafody natoraly.
Mba te hanampy azy aho fa tsy mahita ho lazaina dia aleoko manao hoe: manatona dokotera ry millenum a! :)
20. ni81 ( 18/08/2009 09:38)
Ohatra iray omeko an'i millenum fotsiny: misy tasy eo @ tarehiko ilany havia eo. Nandeha Dr aho ary nampiasa karazam-panafody maro. Tsy nahita vokany dia nametraka dinika nanontany namana tetsy sy teroa. Dia natao sy nampiasaina fa tsy nahomby indray koa. Dia niverina dermato hafa indray dia izao vao mahita fahafaham-po.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3403