Grossiste

1. xxx ( 09/08/2009 21:30)
Hono ho aho ry reto, raha mba te hanokatra magazay grossiste de aiza no tokony ho aleha ary hoatrinona ny renivola farafakeliny ampiasaina? Misaotra betsaka e
novalian'i soanja ny 09/07/2010 03:56
2. Lejoba ( 12/08/2009 23:48)
1- mikarakara ny lafiny ara-panjakàna rehetra
2- mifampiraharaha @ fournisseur
3- mivarotra

Ataovy matotra kokoa ilay fanontaniana dia omeko valiny mahafa-po kokoa, na mandefasa hafatra manokana raha tsy te halain'ny hafa ny hevitra
3. Ratoa ( 13/08/2009 10:09)
mikarakara ny lafiny ara-panjakàna rehetra

Ka aiza kosa ilay fanjakana aleha? chambre de commerce sa inona dia aiza koa?
raha tsy te halain'ny hafa ny hevitra

Nahoana kosa no manao izany? Izy izao mety hanao grossiste kiraro, izaho mety te hanao grossiste solo-nify, tsy mifaninana mihitsy izahay fa ny fomba fanantanterahana (procédures arahina) no mety hitovy.
4. xxx ( 13/08/2009 21:01)
Grossiste PPN no tiako hatao. Fanjakana aiza no aleha. Dia mba afaka manome anarana na fournisseur ve lejoba? Merci
5. Lejoba ( 16/08/2009 22:47)
mbola malalaka be ihany ny valin-teny satria miankina @ antsipirihan\'ilay projet. Miala tsiny aloha, fa mety ho efa nisy niova ny adiresy.
1- fanjakàna : ao @ fitsaràna momba ny varotra ao Anosy manao enregistrement. Ambohidahy ny fisc : TVA, patanty sns. Raha misy mpiombon\'antoka dia mila manao sata mifehy an-tsoratra ka hamarinina ara-panjakàna any @ Firaisana daholo ny sonia vao mankao Anosy. Raha hampiasa olona dia mankao à CNAPS
2- ny vola iaingàna miankina @ zavatra be dia be koa. Efa manana toeram-pivarotana sa tsia, aza hadinoina ny toerana hanatobiana entana. Mbola mila fanamboarana ve ireo toerana ireo sa efa vonona avy hatrany. Miankina @ fahalalàna na fahaizana mifampiraharaha @ mpamatsy ny hoe aloa manontolo mialoha ve ny entana sa azo atao aoriana. Hanakarama mpiasa sa tsia, ary ianao, inona ny hohaninao mandra-pahazo tombom-barotra. Kelikely sa goavana be ilay tsena hosokafana...
3- mpamatsy : raha vary, voa maina, hazan-drano, ets dia ny mpamokatra na ny collecteurs. Raha etana avy any ivelany : lafarinina, menaka sns dia ny firenena nihaviany no tokony jerena @ internet, na ao @ chambre de commerce (ambonin\'ny Roxy). Mora kokoa ny Turkie sns fa ao @ ilain\'ny mpanjifa ve, lafolafo kokoa fa sehatra hafa indray ny La Réunion, Maurice ets.
Raha kelikely nefa no iaingàna dia mifampiraharaha @ ireo efa am-perin\'asa no ahazoana : na mividy ao aminy, na miara-manafatra, raha mifampatoky.

Raha hiasa irery ka tsy dia misy ny hoenti-manana iaingàna, dia manao mpanelanelana koa no fomba iray. Carte rouge no ilaina ananana. Ohatra : Mividy entana ao Analakely dia mitety épiceries eny Sab-Nam sy ny manodidina; mandray komandy @ épicerie any ambanivohitra dia manao izay hahitana azy any an-drenivohitra.

Fa tsy mora aloha ilay asa, be ny mpifaninana ka mila matotra. Ny fandriam-pahalemana koa aza atao ambanin-javatra. Ary tena asa vatana be

Mahereza eh, apetraho ihany ny fanontaniana raha mbola misy manitikitika; ankoatry ny hoe aiza no hahita mpiasa mahatoky :D
:-* :-* :-*
6. soanja ( 09/07/2010 03:56)

Tena mazava be mihitsy ny fanazavanao fa misaotra indrindra.

Ny fanontaniana manitikitika ahy indray dia te hanamboatra karazan-tsakafo vaovao aho efa vita omana amina pake amidy eny an-tsena rehetra eny.

Inona avy ny dingana tsy maintsy ataoko mba hazahoako fazahoan-dalana amin'izany ara-panjakana ary moa efa betsaka isafidianana ny mpamokatra karazana packaging na famonosan'entana arifomba sy ara-kalitao ao Madagasikara sa tsy maintsy mbola hanondrana izany avy any amin'ny firenen-kafa aho? Ohatra raisiko izao dia ny boaty kely vita plasitika ary misy manao panatonta ny fonony milaza ilay vokatra hamidiko. Ny Pub indray dia efa arako ny hanaovana azy.

Ahoana ny fomba fanantonana ireny mpivarotra ambogadiny lehibe ireny ohatra hoe GEANT SCORE asa na taloha io sa tsy misy intsony? Iza no mpividy amin'ireny mba hivarotana azy any amin'ny grande surface?

Misaotra indrindra raha mahay an'io ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5049