Soka-dranomasina (FANO)

21. xxx ( 19/09/2009 19:41)
dein koa!!! aiza koa no hisy izany!!!!
sokatra olona angamba izany mitomany izany Ratoa a! :-D :-D :-D :-D :-D
22. Ratoa ( 20/09/2009 13:22)
sokatra olona angamba izany mitomany izany Ratoa a!
Eny angaha
23. cutie ( 20/09/2009 14:18)
Mpandefa : Ratoa [ Valio ] 19-09-2009 21:11:02
Lohateny : Re : Soka-dranomasina (FANO)
Voalaza teo :
mitomany hono le sokatra refa hitany le antsy hamonoana azy

dein koa!!! aiza koa no hisy izany!!!!

Aza mino refa tsy hino e , tsy olana mitsy :-D
24. Ratoa ( 22/09/2009 21:37)
Hisy sokatra mana-panahy sy sentiment izany koa!
Ny gidro no fantatro fa mifona rehefa ambanana basy. Na manangana tànana ( haut les mains!)
25. xxx ( 23/09/2009 07:30)
Voalaza teo :
sokatra olona angamba izany mitomany izany Ratoa a!
Eny angaha
Aza mino refa tsy hino e , tsy olana mitsy :)
Hisy sokatra mana-panahy sy sentiment izany koa!
Ny gidro no fantatro fa mifona rehefa ambanana basy. Na manangana tànana ( haut les mains!)
:-D :-D :-D
26. soanja ( 23/09/2009 13:45)
Ny zavatra mba haiko momba ny sokatra koa dia na dia efa tetehina eo aza ny nofony ka raha mbola iray ilay fony dia ela be iny vao mijanona tsy mitempo intsony. Mahatonga saina be tokoa.

Ny alika koa dia tena hita mihitsy rehefa depressed, faly sns... ny fahafantarana ny biby akaiky ihany no alalana ny momba azy ireo.

Tena manao sali tokoa ny gidro rehefa hitany fa hamono azy ianao indrindra raha mibaby ny zanany izy ka tsy hitany izay aleha. Efa nahita izany ny masoko tamin'ny mbolakely ary tsy nitifitra indray ilay rangahy mpihaza nony nahita izany fa naleony nihaza lambo ny alin'iny.
27. cutie ( 23/09/2009 13:50)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 23-09-2009 15:45:28
Lohateny : Re : Soka-dranomasina (FANO)
Ny zavatra mba haiko momba ny sokatra koa dia na dia efa tetehina eo aza ny nofony ka raha mbola iray ilay fony dia ela be iny vao mijanona tsy mitempo intsony. Mahatonga saina be tokoa.

Ny alika koa dia tena hita mihitsy rehefa depressed, faly sns... ny fahafantarana ny biby akaiky ihany no alalana ny momba azy ireo.

Tena manao sali tokoa ny gidro rehefa hitany fa hamono azy ianao indrindra raha mibaby ny zanany izy ka tsy hitany izay aleha. Efa nahita izany ny masoko tamin'ny mbolakely ary tsy nitifitra indray ilay rangahy mpihaza nony nahita izany fa naleony nihaza lambo ny alin'iny.

sarotra be ho an'ny sasany ny hino an'zany e , soa ihany fa tsy mitovy daholo ny oul :wink:
28. soanja ( 23/09/2009 14:06)
Marina izany Cutie. Mila mandinika akaiky ny natiora dia ahita fa tsy mifankaiza isika sy ireo zavamanan'aina hafa.

Indray mandeha izay aho gaga be fa nahita reninomby nitady ny zanany. Tafatsorofaka tamin'ny fefy izay ilay sarakely dia lasa niridiridy nanaraka ilay lalabe ka tsy tazan'ilay reniny eo amoron'ny fefy. Ilay reniny amin'izay tena mima be tsy misy ohatr'izany sady manosika ilay fefy fa tsy tafa, mbola tsy naheno feo mitoreo tahak'izany aho raha feonomby. Farany niantso tel ny mpikarakara biby ireny aho fa nalahelo loatra ny foko. :(
29. Ratoa ( 23/09/2009 19:11)
izahay indray tany Tsiroanomandidy, fony mbola kely, misy gidro tonga eo an-tokotaninay. Gris ilay gidro. Dia nisy manga kely mamoa izay teo. Dia tonga izahay dia miara milalao.
Fantatrao ihany moa ny ankizy fa tia setrasetra.
Torahanay vato izy dia misaporitra dia faly ery zahay. Dia bedy zahay fa ren'ny lehibe ihany ny vato mipaopaoka. Taty aoriana ambanana fotsiny izy dia misali.
Ny mahaga dia tonga eo an-tokotany ihany izy anefa .
Farany izahay tsy nahazo nilalao niaraka taminy intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.113