ankamantatra

1. artefy ( 31/07/2009 05:39)
ireto misy ankamantatra vitsivitsy mba tiako hovalianareo:

1- nandeh nitsangatsangana tany anala hono ny ireto sofina mpianaka samy vavy, kinanjo latsaka tao an-davaka ilay lehibe, dia hoy izy mba "alaivo tato aho anaka"
Inona ary no nataon'ilay zanany?

2- tany amin'ny desert ny sira sy ny siramamy dia reraka be ny siramamy dia hoy izy "ndehana leitsy ry sira mba akao rano aho a"
Inona io fihetsika nataon'ny siramamy io

3- Inona ary no mifanohitra amin'ny hoe "manifinify"?

4- Iza ary no mpanao politika tena tian'i mirado?

5- iza ary no mpihira miankanankana rehefa mihira o?

Mazotoa o!
2. ari.malala ( 31/07/2009 06:20)
le fahatelo iany no haiko! manifinify # matevinify! kalou eritreretiko ny sisa :D
3. JOSIAH ( 31/07/2009 06:38)
Hita fa sarotra be daholo manifinify za mino hoe matevitevina no izy de ilay notadiaviny sira mety nipipy ilay siramamy de hoy sira mamy izy zany :lol: tsy haiko ka
4. miroi ( 31/07/2009 06:59)
Ilay faharoa ihany no haiko:
maniratsira anefa izy รดรดรดรด!!!!!

kony e?
5. xxx ( 02/08/2009 10:06)
ilay voalohany ihany no aiko: nihenoheno fotsiny ilay zananany :D
6. nathie86 ( 03/08/2009 05:54)
ilay faha5 i Elie ilay pazzapa iny :roll: :-D :lol:
7. ari.malala ( 03/08/2009 07:42)
Ary refa atambatra zany le iz d hovoavaly ian afats le mpanao politika ko! tena ts azo antsaina kosa alou le iz e! lol
8. artefy ( 03/08/2009 08:03)
ireto ary ny valiny ka samia manaraka raha nahamarina na tsia:

1- nandeh nitsangatsangana tany anala hono ny ireto sofina mpianaka samy vavy, kinanjo latsaka tao an-davaka ilay lehibe, dia hoy izy mba "alaivo tato aho anaka"
Inona ary no nataon'ilay zanany?

:arrow: dia nalain'ilay zanany tao anaty lavaka ilay reniny izany hoe maka ilay renin-tsofina ilay zanany dia ity ny valiny maka renin-tsofina izay lasa hoe "MANKARENINTSOFINA"

2- tany amin'ny desert ny sira sy ny siramamy dia reraka be ny siramamy dia hoy izy "ndehana leitsy ry sira mba akao rano aho a"
Inona io fihetsika nataon'ny siramamy io

:arrow: bravo miroi: maniraka sira ilay siramamy dia atambatra dia lasa hoe maniratsira

3- Inona ary no mifanohitra amin'ny hoe "manifinify"?

:arrow: misaotra ari a: manifinify # matevi-nify

4- Iza ary no mpanao politika tena tian'i mirado?
:arrow: "LAHINIRIKO" E! hoy manko izy amin'ilay hira hoe "r'ilay anjeliko" dia ilay tiako LAHINIRIKO ilay tato ampoko hatrizay...

5- iza ary no mpihira miankanankana rehefa mihira o?
:arrow: mahay be nathie, i Elie pazzapa 6 tokoa ilay izy amin'ilay hirany hoe "tamy aho" toy izao ny fiverenan'io hira io "ti ti ti ... ta ta ta... tamy aho, fa fa fa... ba ba ba ... babo aho, ka ka ka ... r... raiso aho ho anao..."

Misaotra antsika rehetra e
9. peta83 ( 03/08/2009 13:57)
=)) =)) =)) =)) =))
10. ari.malala ( 05/08/2009 07:11)
:-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.4183