Kalo mampiraikitra ???

1. ravonjison ( 20/07/2009 13:51)
Sao dia mba misy mahalala ianareo, ahoana marina ny tena fanhdehan'ny kalo ?
Izahay mantsy t@ mbola kely dia nitady hangalatra paiso foana ( nanana izahay fa ilay eny antokotanin' olona no tena nampiledalenda ), fa hoy ny sasany hoe: misy kalo io fa tandremo sao dia miraikitra eo ialahy.
Sao dia mba mahafantatra ianareo na manana " experience personnel " ?
Sa hoe dia fampitahorana fotsiny ilay izy.
novalian'i ral_ ny 09/03/2013 16:13
2. xxx ( 23/07/2009 14:09)
Izahay koa nahare an'io taloha fa izao vao mandinika fa toa fika fotsiny io. Mody asiany zavatra ohatran'ny tapa-kifafa na gony ery ambony ery dia matahotra ery
3. Lejoba ( 24/07/2009 00:03)
fampitahorana matetika.
Ny mety ho olana raha sanatria milalao ody tokoa ilay nametraka azy, mety "harahin-javatra" avy eo izay milingilingy eo.
Ny tena hoe miraikitra na hoe mankarary aloha tsy mbola naheno aho
4. rova30 ( 25/07/2009 15:26)

Ny fandraisako azy ireny indray, dia ohatran'ny hoe :camera de surveillancen'ny any ambany vohitra!

Izany hoe:Mety ho vrai, na tsia; fa ny tanjon'ilay izy izany dia handresena lahatra izay te-hanao ny tsy mety.Raha efa mahalala dia mba tsy mandika lalana fotsiny!
Dia izay!

5. ni81 ( 25/07/2009 15:41)
Taloha tao @ tanàna nipetrahanay dia nisy ankizivavy izay tena fainga-tanana mihitsy. Na ravitoto, na mangahazo na voankazo ka handalovany dia tsy maintsy maka kely foana izy. Indraindray lamba miahy.
Dia indray mandeha nokaramain'olona nitoto vary hono izy dia nangalarany koa ilay varin'olona nototoina (tsy izy rehetra fa nangalany izany e), fa ny alina izy dia narary kibo tsy nijanona ary nandoa fotsimbary (hono satria zà tsy nahita). Dia ny noresahan'ny olona rehetra teo an-tanana dia hoe nasian'ilay olona KALO ilay variny. Fa ny tena loza dia maty ny ampitso ilay kalakely.:(
6. Envy7 ( 02/09/2009 09:47)
Hatrary ambadika ,ka hatraty.Misitery.
7. ni81 ( 02/09/2009 09:56)
8. rhina ( 18/09/2009 07:19)
tena misy ny kalo reto fa arakaraka ny faritra a!
zany oe misy karazany ny fisehony
fa ohatra iray amzany zao ny eny ambohijafy mpamokatra voasary
ny kalondry zareo an ilay mpagalatra voasary a tsy tafala eo raha tsy tonga ny tompony
9. Ratoa ( 18/09/2009 14:55)
Ny anay indray ny zavatra tena mahaga, ary tena marina ity fa niainako mihitsy: izay olona mangalatra zavatra ao amin'ny tranonay dia mamerina iny zavatra iny. Na tonga mibebaka hoe: mamelà ny heloko fa naka saosety tsy niera aho afak'omaly. Ao ny mangalatra lovia, pièces-na auto, akanjo , kilalao : mamerina daholo. Misy milaza fa sendra nanaraka azy, ao ny milaza mihitsy eo nangalatra. Ao ny milaza fa nindraminy fa averiny .
10. rhina ( 20/09/2009 08:36)
aiza ki za ny misy anareo zany Ratoa mba handramako hihiihi
11. Ratoa ( 21/09/2009 21:24)
Eny amin'ny la haute - ville! Fa inona no tena tianao entina mody? Ny sasany sotro vola nonentiny dia averiny. Angamba nangidy ny vavany nony nihinana tamin'iny. hihihihihi
12. xxx ( 24/12/2009 00:55)
Kalo fandrava , kalo fanàla , kalo mampitamberina , ireo no fantatro sy haiko fa tena mandaitra !

Izany hoe raha maka zavatra iray tsy miera @tompon-javatra ianao ka misy kalo fanàla miaro io zavatra io dia ho foana tanteraka ny fitsiriritanao sy ny fitiavanao io zavatra io @ ho avinao rehetra any aoriana.

Raha misy kalo fandrava indray ilay zavatra tianao halaina ,dia na ilay zavatra no hihendanja eo imasonao mandritry ny fotoana hananan\' ilay kalo hery, na ianao no tsy te hiherika intsony @ io zavatra io any aoriana any .

Ny kalo mampitamberina indray dia ny fiverenan\' ny filendalendana teo @ ilay zavatra @ olona sasany hilendalenda io zavatra io rehefa hanana azy ianao any aoriana any .

Ratoa sao dia mba olona fantatro ianao io , izaho mantsy teny Ambanirova teny no nahalehibe ahy . Hitanao aloha kelin\' ny trano chalet- na ambohipotsy , eo ambanin\' ny émetteur no misy anay ,misy paiso sy pibasy eo antokotaninay .Trano fotsifotsy mitafo tanimanga miloko maintso .Dadatoako pastera tao ambanin\'andohalo , M.Pasteur Andriamaro asa raha mety ho fantatrao.
Anisan\' ny nananika paiso sy poaran\' olona ihany ny tenanay fahiny t@ mbola zaza taloha teny ka mba alefa ihany ny fanadihadiana .




:lol: :lol:
13. Ratoa ( 26/12/2009 20:24)
xxx,
tena ianareo mihitsy izany ilay mpngala-paiso teo an-tokotaninay saria ny anay be voankazo be mihitsy. Eo amin'ny fiolahana eo Ambohimitsimbina ve? Alohan'ny sekoly no misy anareo (raha avy any Ankaditapka?) sa eo ambonin'ny sekoly sy ny arrét-ny autobus?
14. xxx ( 26/12/2009 23:11)
:-D :-D :-D :-D kaloy eo fa tsy haveriko na dia hanao inn eo aza!!! eisssyyyyy e!
15. xxx ( 26/12/2009 23:12)
Mpanao fanafody gsy indray izany ratoa knou!! hi!
16. Ratoa ( 28/12/2009 00:07)
kaloy eo fa tsy haveriko na dia hanao inn eo aza
Inona no atahoranao é? betsaka loatra na tsy ampy kely ny voalazanao. Hitako mihitsy io trano misy pibasy sy paiso gasy io!!!!
Mpanao fanafody gsy indray izany ratoa knou!! hi!
karazany inona no ilainao é???? :D :D :D :D :D :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
17. xxx ( 28/12/2009 12:48)
Ratoa:

kaloy eo fa tsy haveriko na dia hanao inn eo aza
Inona no atahoranao é? betsaka loatra na tsy ampy kely ny voalazanao. Hitako mihitsy io trano misy pibasy sy paiso gasy io!!!!
Mpanao fanafody gsy indray izany ratoa knou!! hi!
karazany inona no ilainao é???? :D :D :D :D :D :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:


Tairo ary e! Tsy matahotra aho na kalo na ody ramatoabe an! Ilaiko daholo na ny manome adrenalina na ny gasitoaanao aza haniko dazholoooo!
:-D :-D :-D :-D :-D :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :-D :-D :-D 8)
Ngaha misy matahotra izany intsony @ izao fa aza mba be stila eo hoaaaaa! Tairo Fa zakako!!!!!!
A D'AUTRES!!!!!!!
18. Ratoa ( 30/12/2009 00:05)
Tantazo ry xxx fa an-dalàna. Hipaika tsy ho ela akory. Aza maika an!!! Mila fotoana izy, amin'ny fotoanany ihany...
19. xxx ( 31/12/2009 14:44)
Ratoa:

Tantazo ry xxx fa an-dalàna. Hipaika tsy ho ela akory. Aza maika an!!! Mila fotoana izy, amin'ny fotoanany ihany...



Hapaikao e! tairo izay hotairina hoy ianao izay!!
20. xxx ( 01/01/2010 14:33)
Ratoa:

Tantazo ry xxx fa an-dalàna. Hipaika tsy ho ela akory. Aza maika an!!! Mila fotoana izy, amin'ny fotoanany ihany...



Aza mifandrahona fa tsss! fanafody gasy ve no hanaovanareo publicité eto!!
Kalo ve??? Fa angaha izy ity t@ andron'ny taolo ka ndeha hasiana itsy na iroa dia hety daholo ny hatao???
Mba mivoara fa tsss! :arrow:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794