Mofo akondro

1. Ratoa ( 14/07/2009 16:25)
mofo akondro ihany é!
Efa nandramako daholo ny recette natoro teto fa tsy misy mahafa-po ahy. Ny tena tadiaviko dia ireny ilay vidina eny Ampitatafika na Sabotsy Namehana ireny, na amin'ny toearan-kafa koa.
Ilay mofo akondro ngeza be, tsy tapahana, tsy vakiana fa ilay akondro iray manontolo iny no aroboka anaty pâte dia alatsaka anaty menaka dia mivady ho azy dia raisim-potsiny. Ilay tena original sy mahavariana be.
Ka mba vonjeo re fa sady liana no te ampiseho amin'ny vahiny mbola tsy tany Maagasikara
novalian'i lemurbaby ny 24/01/2010 17:00
2. benkintana ( 14/07/2009 21:33)
Mnafara olona avy eny Sabnam é sady efa be koa ry zalahy no te hivoka zao Ratoa :lol:
3. Ratoa ( 15/07/2009 00:10)
Aza mba mananiana Ranona!
Resaka sôgany sérieux io fa tsy vazivazy
4. Tazana ( 15/07/2009 00:58)
Efa nanandrana ilay hoe atoa rano matimaty ve ratoa?
5. Ratoa ( 15/07/2009 19:21)
Efa nanandramako fa tsy mety. Lasa any ambany daholo ny lafarinina.
6. ni81 ( 15/07/2009 19:26)
Efa nanandrana ilay asiana koba kely ve Ratoa?
7. simplex ( 15/07/2009 20:05)

Efa nanandrana ilay asiana akondro ve Ratoa?
8. ni81 ( 15/07/2009 20:12)
:lol:
9. booboo ( 15/07/2009 21:05)
:-D :-D
10. hana ( 16/07/2009 01:51)
miarahaba anao Ratoa,
avelao hilona in-1 alina ilay pâte dia azo antoka fa mibontsina tsara. Ilay izy rehefa vao voahendy ihany no mibontsina be fa raha vao mangatsiaka elaela ilay mofo akondro efa masaka dia mifotetaka ihany. aza atao be siramamy fa manjary mafy
mahavità be eh
hana
11. Ratoa ( 16/07/2009 23:14)
Andramako indray io lazainao io ry hana dia ho hitako eo. Tery amnin'ny fasan'ny karana koa aho nanatrika fa tsy tena asehon'ilay mpivarotra ny fanao azy. Rehefa tsy mety dia ataoko pâte à clafoutis dia ataoko anaty lafaoro . Grillée tahaka ny kitoza. :D :D :D :D
12. mirana5 ( 20/07/2009 07:47)
Ary levure chimique sa levure boulangère no mahatsara azy aloha é!, satria ny pâte samihafa ny avoakan'ny' tsirairay @ reo é!, vonjeo aho Kotokely mpanao mofo akondro ao Tsiroanomandidy a! :D
13. hana ( 20/07/2009 22:42)
mirana5> levure chimique
Fa inonareo i Kotokely mpivarotra mofo akondro ao Tsiroanomandidy?
14. mirana5 ( 01/08/2009 06:53)
hana:

mirana5> levure chimique
Fa inonareo i Kotokely mpivarotra mofo akondro ao Tsiroanomandidy?



I Kotokely ndray dia olona andrasanay isaky ny @ efatra hariva mitondra mofoamidy eny akaikin'ny fanaova-baolina sy Mangarivotra!
15. bobone ( 06/08/2009 13:56)
salama daholo ! asa ry reto fa ny mofo akondro aty aminay an! akondro iray mizara 6! izany hoe zarainy 2 aloha dia avy eo iny tapany iny mizara 3 toy izany koa ny tapany ! izay no maha 6 azy ! dia kely anie zany e!
nefa ny an\'i Tananarivo taloha bolongan\'ankodro 1 iny no asiana ny pate dia endasina ary tena tsara be!mihitsy fa ny aty aminay efa tsy rariny ny fanaovana mofo kida hoy ny fiteny
16. ni81 ( 06/08/2009 19:34)
nefa any aminareo aza no tokony ho mora kokoa satria betsaka ny akondro :)
17. Ratoa ( 07/08/2009 05:15)
sy menaka anendasana koa betsaka. mpamboly vonjo ny any. Izaho efa tany dia narary saika maty fa niletra voanjo manta.
18. ni81 ( 07/08/2009 08:17)
sy menaka anendasana koa betsaka. mpamboly vonjo ny any. Izaho efa tany dia narary saika maty fa niletra voanjo manta.

Toa mampivoaka kankana hono izy ireny koa!
19. Lejoba ( 08/08/2009 22:23)
booboo : akondro mavokely?
Ratoa, koa raha tsy k..... koa hihinana voanjo manta!!!!!!!!!!!!! :cry:
20. Ratoa ( 08/08/2009 22:23)
ny mofo akondro sa ny voanjo? Ny voatamenaka no efa reko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6771