sakafo ho an'ny zaza 3 taona

1. Onah ( 09/06/2009 08:48)
bnjr à tous
ny zanako ry zareo 3 taona sy tapany lahy kely tsy mety misakafo tsara. tsy tia afa tsy atody endasina, tsy tia hena, tsy tia henan'akoho na dia endasina aza, tsy tia carotte. Dia omena multivitamine fôna ve izany? dia sao dia misy fiantraikany any aorina ny fanafody betsaka omena azy? dia mba miandry valin-teny mahafapo avy aminareo rehetra.
misaotra tompoko
novalian'i fali ny 05/03/2010 09:21
2. ravakamalala ( 09/06/2009 09:25)
sao mihinana gouter be izy dia tsy noana tsony rehefa avy eo?

raha izaho dia ataoko izay maha noana azy tsara alohan ny isakafoanana dia main izay izy mihinana izay misy eo an! rehefa noana ny ankizy mihinana foana!

na ampiaraho amin ny atody izay sakafo tianao omena azy dia mety ho tiany, ohatra hoe atody sy steack haché miara endasina,
3. mketsa ( 09/06/2009 09:29)
bjr,
namana iray ato @serasera za.Ary mirary anao koa mbahiiditra ao ahafahana hiresaka be be kokoa.Sakafon'ny zaza 3taona?izay be Ca hampitombo sy hanamafi ny taolany,oh:trondro,patsa,...na rehefa matahotra ny multivit dé voankazo omena azy betsaka,na jus naturel,...ary rehefa tsy mihinana mihitsy dia hento aty fa mihinana izy rehefa aty é!hihihihi! ;-)
4. Onah ( 09/06/2009 09:33)
Onah ihany, misaotra namaly fa izao:
efa mianatra izy, dia goute kely any ampianarana ihany no haniny, dia na efa any antrano aza izy mirava @ 11h30 dia satriny tsy hihinana na inona na inona; dia forcéna fona vao mihinana kely. dia raha vo tsy atody no laoka dia tena zara raha mihinana; izy @ io mahia kely à son âge 3,5 ans il ne pèse que 11 kg.
ny hany heriko dia forceko misotro rorono isanandro. dia mbola miandry ny valiteny sy torohevitra avy aminareo rehetra.
5. Onah ( 09/06/2009 09:36)
pour mketsa
fa aiza kay no misy an'i Mketsa? tena manahiran-tsaina ahy mihitsy ilay zanako tsy misakafo. afaka omenao ve ny adresse mailnao?
6. hery ( 09/06/2009 10:33)
Onah> Ary sao dia mihinankinana zavatra any am-pianarana kosa izy? Mety gouter kely fotsiny no omenao fa mihinana ny an'ny ankizy izy ohatra.

Fa fanaon'ny olona koa hoe sady atao kilalao ho azy ny sakafo. Izany hoe tsy formaliser-na be fa sady milalao ihany izy no misakafo. Dia ametrapetrahana sakafo eny amin'ny toerana filalaovany eny. Mazava ho azy, mila tandremana ny resaka hygiene sns.
7. Tazana ( 09/06/2009 12:27)
Ilay multivitamines tokony omena azy raha tsy missakafo tsara izy fa tsy misy conséquences zany iny fa au contraire tena ilainy! Za tsy tia fanafody fa iny multivitamines iny au moins mitondra ny ilain'ny vatany! 11 Kg à 3 ans et de mi tena en dessous de la normale be mihitsy fa mila mijery dokotera!!!

Somary asio couleur ny sakafo (raha vary ohatra dia raha asianao patsa, potikena (tsy hena fa potikena) na maka légume dia tsy maninona atao lasopy raha zay no hihinany azy. Mila tadidina fa mila manandrana 15 fois ny lela vao zatra tsiro vaovao ka ho tia azy. Ka rehefa tsy mihinana izy dia aza terena kanefa mila présenter-na aminy matetika ilay sakafo! Araka ny lazaiko 15 fois ou plus! Raha mety koa dia omeo totom-boanjo izy. Mofo + totomboanjo + akondro (raha misy confiture dia asio confiture). Yaourt koa tsara satria ireo rehetra ireo misy protéines, calcium ary potassium. Raha tsy mihinana akoho dia andramo aloha ny ron akoho.

Ny goûter omenao azy ve laniny foana (tena hohaniny ve?). Aza atao chips sy biscuit raha mety fa araka ilay nolazaiko azo atao ilay sandwich totom-boanjo sy akondro), paoma sy voankazo e. Mangala koa thon dia asiana mayonnaise dia atao anaty mofo fa be protéines ny thon. resaka sandwich koa tsinona azony tazomina @ tanana. Rehefa vacances ataovy izay hiarahanareo manao sakafo dia sady mitsaingoka ianao (ohatra mihinana carotte dia atolotra azy hitsakoany koa) Ny ankizy tia manahaka fa ny lehibe koa mila manana patience.

Tsy hoe mampitahotra aho fa tena mila mijery dokotera ianao marina fa tsy normal ilay 11 Kg!!!! Ny nièce ko 2 ans no 10 kg fa sous la courbe normale...Jereo tsara satria ilay fotombony raha tsy ampy protéines surtout misy fiantraikany tsy vatana fotsiny fa na cerveau aza.

mahereza e! dia mirary soa!
8. hana ( 10/06/2009 11:53)
Miarahaba anao Onah, ary mirary soa anareo mianaka
Tena mandreraka be tokoa ilay zaza tsy mety mihinan-kanina. Mitovy taona @ zanako lahimatoa koa ny anao ary mitovitovy fihetsika. Fa izaho efa nomanin'ny dokotera t@ izy vao 2 taona sy tapany teo fa eto France hono mpiseho ny zaza mifidifidy sakafo rehefa 3 taona, indrindra rehefa mianatra izy.
Ny ataoko dia izao: araka izay azonao atao, dia miaraha mikarakara sakafo maivana aminy. Dia sady manazava izay atao ianao, ny ankizy curieux matetika mantsy. Tsotsotra sy mora vita atao, oh : sandwich. rehefa omena anarana "hafahafa" koa ilay sakafo toy ny vao mainka manintona azy izany. Afaka mitantara ianao no sady arahina fihetsika : hanao sandwich isika an, dia sasana tsara ny salady, voatabia, dia tetehina ny voatabia. dia asiana mortadelle, mmmmh miam miam, sady andramana kely rehefa mitetika ianao. Ny zaza tia manarak'efa izay ka mba te hanandrana koa izy, aza raràna fa izay no mampirisika azy. Tiany ny mihinana ny "sangan'asany" matetika.
Raha avy mianatra izy ka efa vita ny sakafo, dia avelao hilalao na hanao izay zavatra tiany aloha. Dia sady teneno hoe manao an'io ianao dia avy eo isika misakafo, hiomanan'ny sainy. Avy eo, asiana karazana "rituel" mihitsy : manasa tanana, dia avy eo mivavaka dia misakafo. Raha miara-misakafo ianareo, matetika mazoto kokoa izy noho ny miaraka @ olon-kafa (raha tsy masiaka loatra ianao). Raha misy sakafo tsy tiany , tambatambazina izy hanandrana kely, indraindray tsy ampoizina ny fitiavany azy avy eo. Na koa mody atao "avion" ny sotro dia tafiditra any am-bavany.
Aza terena raha tsy tia (izay aloha ny ahy) fa afaka mametra kosa nefa ianao hoe raha tsy misakafo tsy mahazo mandeha milalao. Dia izay tiany trandraho ihany. Oh ny ahy tia pâtes sy jambons, dia ny karazany no ovaivaina sy ny endrika anomezana azy.
9. Onah ( 11/06/2009 15:35)
Onah ihany
misaotra ry zaroe amin'ilay toro hevitra, fa ndeha hatao dia ho hita eo indray ny tohiny ah.
dia mbola miandry hatrany eh
10. mketsa ( 18/06/2009 11:25)
Eny ary fa i mketsa dia mivezivezy eto ambon'ny tany misy azy daholo eny rhetra eny,tia vazivazy,tsy dia mora tezitra,...ary botondakozia ny asany,ary faly mahafantatra anao koa ny adresse: mketsa@yahoo.fr na mketsa@namana-serasera.org azonao tsidihana andro aman'alina fa misokatra ho anao ny vavahady ao dia miresaka ao isika!OK!A+
11. Ratoa ( 10/07/2009 21:44)
tena mandreraka ny zaza rehefa telo taona eo. ny anay minono hanina. Tazoniny ao ambava ao fa tsy tsakoany. Dia eo foana" tsakoy", "mâche" "avale" . Dia raha terena dia mandoa. Tena hainy an! Fa izay é: sarihina amin'nizay tiany dia ovaovana kely. Tia sakafo be ranondranony izy fa soamary milalao izy eo, tia couleur, tia pâtes dia hena baoilina. Ny anay kosa loha tia salade isankarazany. fa izay:minono hanina.
12. fali ( 05/03/2010 09:21)
Ny zanako koa dia tena torak'izany mihintsiny, atao daholo izao sy izao dia matetika no tambatambazana hoe inona no laoka tian'ise dia miteny eo izy nefa rehefa vonona @ zay dia mila ho ady mihintsiny vao mahatafiditra sakafo any am-bavany. Nankany @ Homeopharma za de mba nanontany dia avy eo nividy an'izay Energo sy fanampiny kely majinijinika izay dia hita eo indray ny tohiny. Mirary soa daholo e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1269