Crabe ( na Drakaka )

1. RATOVOARY ( 05/06/2009 05:46)
Isan'ny sakafo tiako be izy io nefa tsy zakan'ny vavoniko. Miziniziny be ny ambavafoko raha mihinana azy aho na ireny crevette ireny koa aza.
Sao dia mba misy mahay ny fikarakarana azy manokana ianareo mampa-afaka an'iny mankarary vavony iny.
Misaotra mialoha
novalian'i pseudo38 ny 16/06/2009 15:56
2. fahamarinana ( 05/06/2009 06:12)
:arrow: tsy resaka allergie zany ny an'ise fa vavony tsotra izao ? Sao kosa dia mamango bobaka loatra ise kle ? :-D ,ilay zvtr tiana manko matetika dia mazoto homana loatra ,tahaka ahy sy ny ravitoto ,efa mihika fa dia mihinana ihany ! Somary atao kelikely amin'ny antonony !
Ny marina tena tsy haiko rahatoa ka misy fomba hafa mety hanamaivana ny nahandro !Mba hiandry koa aho sao mahasoa sy mampiova ny re7! :) (l)
3. RATOVOARY ( 05/06/2009 06:22)
Ie! tena tsy allergie le izy , sady marina mihitsy fa tena mambosibosika mihitsy aho amin'azy io. Aty koa moa mora rahteo ieny ka dia manarampo ery. Misy aza efa vita sakafo aza fa dia mbola mifika taolany ihany :-D :-D
Fa dia eto zany tsika mba miandry izay mahay manao azy e!
4. Mimhie ( 05/06/2009 06:43)
toa tsy misy fikarakarana manokana ireny ka! fa handramo hoe isaky ny avy mihinana ianao de misotro jus de citron? io mantsy mampalefaka azy, na rarahana citron isaky ny mihinana azy, anisan'ny mandevona hanina vety² mantsy ny citron de mba tsy miziniziny ny vavony @ zay.
5. fahamarinana ( 05/06/2009 06:53)
:arrow: Zandry o :tany mahajanga mihintsy no efa nanaovako ptit dej crabe zany satria tsy lany nefa tsy foy ariana ,ny tena rahateo mangoay fa tsy mpahita an'ireny isan'andro ! Aty misy karazana crabe,tourteau ,fa tsy milay e !Poziny fô mitovy fa ny tsirony hafa tanteraka na dia bobohana tongolo gasy aza ! :D
Mimhie : mba andramana indray ilay citron aloha an,merci e! :-* (l)
6. Mimhie ( 05/06/2009 07:14)
fahamarinana: asa na efa nanandrana koa ianao fa isaky ny mahandro ravitoto de asiana siramamy eraky ny sotrokely? mampalefaka azy koa io de tsy mankarary vavony na mahalany betsaka aza ianao, aty mantsy rehefa mahandro laoka de matetika iny sady atoandro no alina, misy aza indraindray mbola tratra maraina, de asiana io siramamy io izy mba tsy hahatofoka sy tsy mavesatra loatra @ zay!
7. Tazana ( 05/06/2009 11:10)
Ratovo: efa nanandrana ve ianao manao vahona? Ilay vahona manko manadio ny taova any anaty ka manampy ny taova hiasa tsara indray. Ilay izy atao une fois tous les 6 mois - une cuillere a soupe avant chaque repas 3 fois par jour. Toa misoratra @ilay tavoangy ilay izy. Ankaotra izay koa, afaka manao vinagire de cidre (une cuillerée atao anaty rano iray vera) fa io koa manadio anaty sady mampadio ny ra.
Ratovo a: ny mampavesatra ireny crustacé ireny anie dia satria ry zareo ireny mivelona amin'ny loto anaty ranomasina...Tsy manakavivy aho fa zay mihitsy no izy kanefa araka ny teninao matsiro ka atao ahoana!
8. fahamarinana ( 05/06/2009 11:19)
:arrow: Misaotra ajia Mimhie a,tsy mbola nataoko ilay ravitoto miaro siramamy ,fa ny fanaovana vinaigrette asiana siramamy ndray efa fanaoko sady tiako rahateo !Misaotra foana e,ho andramana !Ny atahorako manko dia vao may ahinana bobaka be ndray ! :D (l)
9. booboo ( 05/06/2009 11:43)
Tazana > tongolo gasy koa manadio rà.
Hors - sujet kely iny f'aza fady.

Ratovoary > na efa misotro digestif aza ve afarany dia mbola mihizina ihany ? :�) . Vazy² fa ny zavatra marikivy² manampy ny vavony ho mora levonina ilay sakafo : voasarimakirana e, vinaigre e, sns. Fa hafa² be ilay hoe drakaka rarahana vinaigre dia asolo voasarimakirana ilay izy :-D . Ny mananasy koa manampy be mihitsy @ fandevonan-kanina. Misy sirop homéo izay Calmosine rehefa avy nanao motika mavesatra...
10. RATOVOARY ( 05/06/2009 11:44)
Mimhie&Tazana> Ilay citron efa mba fanaoko ihany fa saingy @ filao (trondro) irery no hampiasako azy. Fa ilay vahona indray tsy mbola nandramako, izao ianareo miteny izao vao mba ndeha hanandrana aho.
Sucre> Ny fampiasako ny siramamy @ kabaka indray ry zareo de rehefa diso sira iny aho vao manisy kely fa avy hatrany dia lefy ilay mangid sira be
Fa dia misaotra anareo @ torohevitra e! =D> =D> (l) (l) Fa raha mbola misy manana any dia arosoy fa raisina antanandroa foana e!!!
11. booboo ( 05/06/2009 11:48)
Mbola hors-sujet hatrany f'azafady, momba ilay cure-na vahona isaka ny 6 volana lazain'i Tazana, ny ahy jus de bouleau an'i Weleda ny ahy no fataoko isaka ny hiditra hiver sy hiditra été.

12. ni81 ( 05/06/2009 12:05)
Mbola hors-sujet hatrany f'azafady, momba ilay cure-na vahona isaka ny 6 volana lazain'i Tazana, ny ahy jus de bouleau an'i Weleda ny ahy no fataoko isaka ny hiditra hiver sy hiditra été.

Dia mbola HS koa ity: dia mampaninona ireo ry booboo mba omeo fanazavana kely azafady! merci an
13. booboo ( 05/06/2009 12:56)
ni81 > manampy ny vatana @ fanaovana grand ménage ny any anaty any : manala ny toxines isa-karazany miangona avy @ sakafo, ny rivotra fohana, ny stress sns . Tokony hatao matetika ilay grand ménage fa boh... :�) :�) :�) :�) . Manana proprieté matanjaka kokoa @ fanalana toxines n'ny organismes ny bouleau.
14. Tazana ( 05/06/2009 13:39)
booboo:

Mbola hors-sujet hatrany f'azafady, momba ilay cure-na vahona isaka ny 6 volana lazain'i Tazana, ny ahy jus de bouleau an'i Weleda ny ahy no fataoko isaka ny hiditra hiver sy hiditra été.

booboo tsy hors sujet ilay cure nysy manadio na vatana na ra satria ny tiako lazaina dia hoe raha manadio ny taova anaty dia miasa tsara kokoa ny vatana...Indraindray manko efa feno "loto" ilay taov dia tsy miasa tsara araka ny tokony ho izy dia zay ilay hilana fnadiovana isaky ny 4 a 6 mois.


15. booboo ( 05/06/2009 14:37)
Tazana > azoko tsara ny tianao tenenina kah. Hors-sujet namaly azy satria drakaka no sujet tany an-dreniny napetraky Tovoary fa tsy cure -na jus de bouleau hihihihihihihi.
16. ni81 ( 05/06/2009 17:22)
ni81 > manampy ny vatana @ fanaovana grand ménage ny any anaty any : manala ny toxines isa-karazany miangona avy @ sakafo, ny rivotra fohana, ny stress sns . Tokony hatao matetika ilay grand ménage fa boh... :�) :�) :�) :�) . Manana proprieté matanjaka kokoa @ fanalana toxines n'ny organismes ny bouleau.
merci e! Ary mety ho tsara @ olona voan'ny allergies @ pollen sy ny tariny izany izy io raha azoko tsara (satria misy hoe rivotra fohana sns)
17. Tazana ( 06/06/2009 01:42)
Booboo - na ilay cure ataonao @ ilay jus afaka manampy an i ratovo satria ny olona rehetra no tokony manao ilay fanadiovana farafa tena ratsiny 2fois par an. Ka rehefa madio kokoa ny vatana dia efa mety mahazaka kokoa aza Ratovo angamba saingy na izany aza tsy azo atao be loatra fa tsitsina ihany ny aina e ;)

ni81:

merci e! Ary mety ho tsara @ olona voan'ny allergies @ pollen sy ny tariny izany izy io raha azoko tsara (satria misy hoe rivotra fohana sns)


Ni a, ny olona rehetra mihitsy na salama toy ny inona aza no tokony manadio vatana (miresaha amin'ny dokoteranao nefa alohan'ny hisafidianana ny karazana fanadiovana safidinao). Araka ilay lazaina teo mampiditra toxines ny vatantsika isika isan andro dia misy fotoana iny tsy voavaokan'ny vatana irery fa misy voatahiry lasa déchets anatin'ny tena dia ohatra ireny zavatra lasa misy loto mivangongo na hitanareo daba ilay mihamatevina ny loto eo @ ilay paroi...dia iny no mila ampiana ny vatana manala azy. efa voalazan'ilay namana teo fa mety avy @ sakafo, na io papier aluminium ampiasain io aza anie lasa misy ampahany @ vy miditra...Fa tsy hoe hampitahotra fa sao mahazo eo indray hoe trop loatra ...Fa io misy olona tia mikarakara vatana sy fahasalamana, misy tsy mivaky loha loatra. Misy indray zao ny anao hoe plus ianao mivaky loha plus voa! Fa ny ahy tsy azo hialana ny zavatra rehetra fa ny azoko atao dia ataoko ka na voa aza tsy hanenina hoe tahaka izay. Ny tena hitako koa ny olona tsy mahavita mitandrina sy kamo tsy mahavatra hanao ilay izy no mitady excuse nefa ny tena izy tokony rehefa tsy te hanao dia tsy manao fotsiny, te hanao dia manao. Ary etsy an daniny koa rehefa tena mahavatra dia mora ny miteny toy izao atao zao...fa za aloha tsy toy izao foana taloha ka fantatro ihany ny position misy an'ireo hafa...Fa za na miteny aza ampidiro sofina ray dia avohay ny iray hafa rehefa tsy tianao ;)

Aza fady ry Ratovoary fa tena hors sujet be fa tsy aritro fa tonga za dia ni anticiper ny mety ho valiny...

18. mmmhh ( 06/06/2009 08:42)
Misaotra an'i Tazana nizara e
:-*
19. mketsa ( 09/06/2009 09:35)
Slt,
razoky aza mihinana fa ento aty haniko é!hihihihi!!!vandiko fa somary ahenao nyho anina dia asio voasary kely!
20. RATOVOARY ( 10/06/2009 05:32)
Tazana> Tsy misy hifanomezantsiny izany fa soa aza fa nisy anao nizara mba ahafahana mitaiza vatana eo @ fahasalamana
mketsa> Tongava aty dia mihinana izay lany fa bobaka izy izao vao misintona orana izao.
Efa nihinana sahady zahay dia nasiana ilay citron kely raka ilay torohevitr'i Mihmie sy mketsa fa tena mahomby =D> =D> =D>
Misaotra daholo ry zareo @ torohevitra ah!! (l) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1512