Takelaka vaovao 
raozigasy - 27/05/2009 00:54
|
![]() Nomena endrika vaovao ny takelaka vetso tononkalo, ka dia manasa anao hitsidika sy hanome ny hevitrao enti-manatsara hatrany ny takelaka Isika mpanoratra rehetra ihany koa dia iangaviana hifandray amin'iRaozigasy fa misy tetik'asa tiana hifampizarana. Mankahery hatrany antsika e Raozigasy |
fahamarinana - 27/05/2009 07:54
|
![]() Misaotra amin'ny ezaka ataonareo ! Zahay moa mpamaky sy mpanohana hatrany e ! :-* (l) |
fahamarinana - 27/05/2009 08:10
|
![]() |
tslem - 27/05/2009 11:07
|
![]() |
fahamarinana - 27/05/2009 14:03
|
![]() ![]() Misy ho tohanako koa ve ny any tslem ao ? ![]() |
hery - 27/05/2009 15:09
|
![]() Fa ilay hoe omena isa mbola ao ka. Nosoloina fotsiny hoe Fidio, dia tsindriana ny kintana kely . Ny mahatsara azy koa dia afaka miverina @ isa nomenao ianao... izany hoe azonao ovaina ilay isa rehefa any aoriana any |
fahamarinana - 27/05/2009 15:33
|
![]() |
raozigasy - 27/05/2009 17:37
|
![]() Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo, Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina Raozigasy 27/05/09 |
fahamarinana - 27/05/2009 18:12
|
![]() |