anamalaho sy fillet

1. xxx ( 17/05/2009 10:46)
endasina manokana ny fillet malemy atao misy ranondranony hakana ny jus
rehefa masaka dia alaina ny jus asiana menaka kely hanendasana ny voatabia atao masaka tsara
hendasina mitokana ny tongolo sy tongolo gasy atao mantamanta
arotsaka ny sakay tsy lanidimilahy tsy vakiana sao masiaka loatra
akambana amizay ny voatabia sy tongolo
asiana cube maggi
endasina afangaro kely tetehina ny tongolo maintso tsy atao masaka loatra
arotsaka ny fillet izay efa masaka tsara
afangaro 5 min tetehina ny anamalaho sy anandrano dia arotsaka tsy atao masaka be tsy atao be rano

manao lasary voatabia a coté atao entrée miaraka @ ovy nandrahoana notetehina ary asiana vinnaigrette.

vary mena vary gasy

asiana divay lazan ny betsileo divay mena

miam miam
mazotoa homana


:^) :^) :^) :^) :^) :^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3201