beurre sy gâteau mihevotra

1. Tazana ( 12/05/2009 19:24)
Zavatra hitako ity (mety efa mhay ny maro) fa ho an'ny hafa toa ahy zao vao mahay...ny beurre raha mangatsiaka avy anaty frigo no hanaovana gâteau dia mihevotra (zany moa ny hoe mitombo?) ary avy eo vaky ilay eo afovoany iny fa raha efa avaoka mialoha ilay beurre dia lasa température ambiante dia tsy mitombo ilay cake atao fa somary fisaka dia tsy mivaky ilay gâteau...Zavatra mba no remarquer-ko io dia nitaditady info za dia marina ilay izy...
Asa raha mora azo zany fanazavana zany...manontania hoe raha sarotra azo ilay izy?
novalian'i Ratoa ny 12/03/2010 23:06
2. rova30 ( 12/05/2009 21:02)
:) Mazava ka!
Misaotra anao nampahalala, fa izaho izao tsy nahafantatra veroka izany mihintsy ^:^

Ny ahy mantsy rehefa hanandra-kadrana ireny resety ireny: tonga dia angoniko eo ambony latabatra daholo aloha izay ilaina rehetra sao misy hadino,ka mety ho izay izany no mahaboledaka be izay gatô ataoko; tsy tafavoaka tsara mihintsy , fa dia hoanina foana sisa!

3. Tazana ( 13/05/2009 01:06)
Tsisy merci :) Za vao haingana vao tena manao sakafo fa ny tsikaritro tsy mba misy manoro ireny zavatra kely ireny ny recette (na ny olona fantatra aza e!), ilay mba mampivaoka azy sy hampety ny atao...Ireny ilay mpahay lakozia reny zao mba tsara raha manoratra ireny secret kely ireny toy ity eto dia mba hahaizana koa...

Adinoko: sûre za fa efa mifaly ny ao an trano misy hohahina sy hoe efa nikarakara ianao. Ny anao aza mbola azo hohanina foana fa ny ahy asa efa impiry nariana fa tsy nisy azo atao :D sa moa zany :( fa na efa aman-taonany aza dia mbola tsy kivy...

4. mmmhh ( 13/05/2009 06:52)
misaotra nizara e,

fa na efa aman-taonany aza dia mbola tsy kivy...

ny fiainana anie ka fianarana foana e,
na efa lehibe aza ianao fa mbola be de be ny zavatra tsy fantatrao na zava-baovao hitanao eo @ fiainana.

5. Tazana ( 13/05/2009 17:54)
Tena marina zany fa fianarana lalandava ny fiainana fa kosa misy zavatra sasany ohatra ny efa hoe tsy natao ho an'ny tena zany...Ohatra hoe efa mba ela no nandramana atao fa na ny atao no misy tsy mety na ny tena natao ho an'ny zavatra hafa (izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary moa?) Izay ilay tiako navoitra...
6. Ratoa ( 16/05/2009 18:52)
Izaho dia tena mpanao gâteau fa tsy naha tsikartitra izany.
Ary rehefa banky aho dia soloko huile de table tsotra izao ny beurre . Huile 2 verres de 1/8Litre no mahasolo ny dobera. Asiana citron kely mba tsy ho malany.
Ny professionnel anie manafina satria ilay secret kely iny nomba azahoany tombony satria iny no mampiavaka azy @ ny hafa.
tsy manome tsiny azy aho.
Ny fanaovana sambôsa ohatra nafenin-dry zareo ahy fa nony taty aoriana haiko ihany satria izaho tsy menatry ny manontany.

Dia nampianatra ny hafa indray aho taty aorina. Dia hoy ry zareo pro: "i Ratoa ve no mba mampianatra anefa izy tsy mahay akory". Taloha mantsy tsy haiko ny manady tsara ilay pâte dia niditra ny menaka dia niparasaka ny sambôsa.

Ka angaha tsy nampiomehy fa ny zandriko lahy no nampianantra ahy, anefa izahay tao an-trano tsy mba nanao sambôsa !!! hihihihi
7. Lejoba ( 18/05/2009 12:04)
nahita tany ho any izany ileiry ko
8. pateux13 ( 20/05/2009 17:37)
Manahoana daholo e!Izaho dia patissier pro,miasa Paris,faraha misy tianareo ho hay,na gateaux io na plats salés dia omeko recettes nareo,fa za ndray tsy manafina zay haiko,fa zaraiko,victimes an'io kou manko za tany M/car,ka mamilafila daholo zay anontaniana;ka dia araraoty,fa vonona aho e!
Ratoa:

Izaho dia tena mpanao gâteau fa tsy naha tsikartitra izany.
Ary rehefa banky aho dia soloko huile de table tsotra izao ny beurre . Huile 2 verres de 1/8Litre no mahasolo ny dobera. Asiana citron kely mba tsy ho malany.
Ny professionnel anie manafina satria ilay secret kely iny nomba azahoany tombony satria iny no mampiavaka azy @ ny hafa.
tsy manome tsiny azy aho.
Ny fanaovana sambôsa ohatra nafenin-dry zareo ahy fa nony taty aoriana haiko ihany satria izaho tsy menatry ny manontany.

Dia nampianatra ny hafa indray aho taty aorina. Dia hoy ry zareo pro: "i Ratoa ve no mba mampianatra anefa izy tsy mahay akory". Taloha mantsy tsy haiko ny manady tsara ilay pâte dia niditra ny menaka dia niparasaka ny sambôsa.

Ka angaha tsy nampiomehy fa ny zandriko lahy no nampianantra ahy, anefa izahay tao an-trano tsy mba nanao sambôsa !!! hihihihi

9. pateux13 ( 22/05/2009 20:42)
Bjr daholo e! Momba lay beurre mangatsiaka avy anaty frigo hanaovana gateau mihevotra,araka ny tenin'ny namana eto,tsy haiko,fa cake angamba no tiany tenenina eto; fa ny hevitro raha cake no atao,dia mila atao en pommade ny beurre,jamais froid! Avy eo,émulsionné avec le sucre; puis ajouter les oeufs frais un à un en battant avec un fouet ou à l'aide d'un batteur vitesse 5 ; à la fin,verser en trois fois la farine tamisée avec la levure chimique!Attention : vitesse 2 no anafangaroana ny farine;tsy atao elabe koa fa lasa élastique be loatra ny pate avy eo de tsy mitombo tsara!
Démarrer la cuisson ds un four prchauffer à 180°
Cuisson cake standard : 45min.
10. Tazana ( 23/05/2009 03:20)
pateux13:

Ny ahy tsinona tsy manana beurre foana aho fa margarine dia iny efa en pommade foana dia zay ve no mampety azy zany? Ary mampaninona kay ilay hoe miara alefa ny atody sy raha atao tsirairay? Dia hono aho ilay 180 degres kay firy Fahrenheit moa zany (ny lafaoro aty F fa tsy celcius)...eny e iny aleo hotadiaviko. Na ny fatra aty koa aza angaha tsy loza fa tsy dia misy hoe gramme sy ohatra zany fa ankamaroany mandeha tasse...nefa moa vakiana sy raisina ary ankasitrahana ihany izay aterinao eto. Efa nanoratra ho anao ihany aho fa tsy hitako ity teto ity dia ity soratako eto. Misaotra re marina...Eritreretiko fa be dia be ny olona mamaky zao mahazo tombontsoa @ zay ampianarinao eto!

11. Ratoa ( 13/08/2009 18:09)
pateux13
1°)ahoana ny fanaovana charlotte? aux fraises na aux poires na hafa? Dia tsy mamy be.
2°) inona no atao tsy ampiraikitra ny génoise ( pâte à biscuit koa no anarany na dia tsy biscuit aza no atao aminy fa gâteau lehibe?) fa mora alana amin'ny moule lehibe izay tsy misy ilay système famoahana azy?
12. flodine ( 11/03/2010 21:43)
pateux13:

Bjr daholo e! Momba lay beurre mangatsiaka avy anaty frigo hanaovana gateau mihevotra,araka ny tenin'ny namana eto,tsy haiko,fa cake angamba no tiany tenenina eto; fa ny hevitro raha cake no atao,dia mila atao en pommade ny beurre,jamais froid! Avy eo,émulsionné avec le sucre; puis ajouter les oeufs frais un à un en battant avec un fouet ou à l'aide d'un batteur vitesse 5 ; à la fin,verser en trois fois la farine tamisée avec la levure chimique!Attention : vitesse 2 no anafangaroana ny farine;tsy atao elabe koa fa lasa élastique be loatra ny pate avy eo de tsy mitombo tsara!
Démarrer la cuisson ds un four prchauffer à 180°
Cuisson cake standard : 45min.

Bjr Pateux13, zah manana olana foan isaky ny manao cake, zany hoe eo @ resaka four, ahoana ny place tsara ametrahana azy ao? de ahoana ny mode ampiasaina ( atao mafana ambony ambany ve sa? asaina mihodina ilay rivotra ao ve sa???
13. Ratoa ( 11/03/2010 22:35)
flodine, tsy avo tsy hiva ny ametrahana azy , mandrakariva 3ème rail avy any ambany, dia atao lesoka ny grille ametrahana azy. Ny amabany ihany no atao mafana
14. flodine ( 12/03/2010 13:01)
Ratoa:

flodine, tsy avo tsy hiva ny ametrahana azy , mandrakariva 3ème rail avy any ambany, dia atao lesoka ny grille ametrahana azy. Ny amabany ihany no atao mafana

ok misaotra anao, fa le hoe ny ambany ihany no atao mafana, tsy mifanohitra be ve zany? de mety mitombo tsara ny cake??????? Mba valio re.
15. Ratoa ( 12/03/2010 23:06)
Tena mitombo tsara mihitsy raha samy frais ny lafarine sy ny levure. Raha lefy ny levure na antitra ny lafarine, mazana ihany, ary koa asiana maïzena kely (fécule de maïs).
Afanao kely aloha ny lafaoro, ampireheto amohan'ny ampitidinanano ny pâte anaty moule.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1384