tonga de vavany

1. bazylou ( 04/05/2009 22:46)
Zotram-pitaterana vaovaon’ny Air Madagascar

Antananarivo-Moroni (Comores)-Nosybe-Paris hanomboka amin’ny volana jona izao ary Antananarivo-Bangkok-Gangzhou (Chine) hanomboka amin’ny volana jolay 2009. Ireo ny zotram-pitaterana vaovaon’ny Air Madagascar. Nohamafisin’ny minisitry ny Fitaterana Rolland Ranjatoelina izany omaly teny amin’ny biraon’ny Air Madagascar eny Analakely nandritra ny fampahafantarana an’Atoa Fidy Rakotonirina, Administratera Delegen’ity kaompaniam-pitaterana ity.
Ny toerana misy vola ihany no trandrahan’ny Air Madagascar, araka ny fanazavan’Ingahy minisitra. Ho an’i Moroni manokana dia tsy manana kaompaniam-pitaterana ny Kaomorianina ary tsy misy sidina mivantana mankany Eorôpa avy any an-toerana. Amin’ny fanokafana ireto zotra vaovao ireto, dia ireo fiaramanidina efa ampiasain’ny Air Madagascar ihany no hatsaraina ny fitantanana azy, hoy ny minisitra.
JR
gazetiko
novalian'i bazylou ny 04/05/2009 22:46
2. bazylou ( 04/05/2009 22:46)
miampy an'i paris -nosy be!! :-P :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2186