SAKAFO TSARA vita ao anatin'ny 15mn

1. rasobakobako ( 15/04/2009 14:32)
Ilaina : Pour 6pers
- Trondro lehibe be nofony, tsy misy taolamadinika : 1,5kg
- macédoine de légumes
- salade 2 lehibe
- citron
- mayonnaise
- persil
- vilany lehibe

Fomba atao :
- apangotrahana ny rano misy sira
- arotsaka ao ny trondro (tsy zarazaraina)
- arotsaka ao anaty vilany efa misy trondro ny legioma
- avela 5mn eo ambony afo
- apetraka ambony plat lehibe ny salade efa misy citron
- esorina ao anaty vilany ny trondro, ka atao eo ambony plat lehibe misy ilay salade
- esorina koa ny légumes dia asiana mayonnaise ary apetraka manodidina ny trondro

Azo asiana : fromage ilay légumes, na oeuf dur

NB : tsy spécialiste @ lakozia aho fa mba tia mamoromporona zavatra maimaika e! sao mahasoa anareo

novalian'i Baovola2 ny 07/05/2009 09:33
2. Lejoba ( 18/04/2009 13:18)
masaka ve ilay trondro @ izany? Tsy feno rano be ve? salade io izany?
3. RATOVOARY ( 29/04/2009 06:37)
Rehefa masaka le sakafo rasoabakobako dia ilazao aho fa ho avy any Mangarivotra any hihinana azy an! :lol: :lol:
4. Tazana ( 03/05/2009 23:21)
Tsara ilay hevitra Rasoa fa efa nanandrana an'io ve ianao? Dia tsy ela be ve manala ilay legioma vaotetika hisaraka amin' ilay trondro sa ahoana no hanaovana azy...Eritreritro zao hoe miparasaka ilay trondro raha andrahoina.Sa?
5. Baovola2 ( 07/05/2009 09:33)
masaka tokoa ve le trondro @zao ? :( malany be ny trondro rehefa manta manko, toa tsy ho teliko ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4429