sakafo omena zaza manomboka 6 mois

1. Baovola2 ( 26/03/2009 17:19)
Miarahaba e :lol:
efa nikarokaroka ihany fa tsy nahita :oops: resaka momba an'io ka mba tehanontany aho hoe, inona no recette na sakafo tsotra omenareo na efa nomenareo ny zanakareo ? ny tena mahaliana ahy dia ny zaza 6 mois, ireo vao manomboka misakafo zany e, ny ahy nono foana mantsy dia mieritreritra hanome sakafo @zay dia mba tehizara @ireo reny mpiserasera mitaiza e, misaotra mialoha :D
novalian'i endriny ny 26/10/2016 06:01
2. ftma ( 26/03/2009 17:56)
Ny ahy ny zanako homeko lègumes mixéna hataoko karazany 4 isaky ny sakafo ohatra: karoty, ovy, haricot vert, blette na voamanga, épinand, voatavo, courgette. mila mixe-na tsara, zarina an'ireo aloha izy ( hatao 3 sotrokely @ voalohany dia ambitomboana tsikelikely) rehefa mihinana tsara @ sotrokely dia azo hampiana henan'akoho, na trondro, na jambon. Ny antoandro ihany aloha izy no mihinana atramin'izao fa ny alina nono ihany. Ny voankazo koa azo omena fa mila handrahoana atao puré koa. Rehefa avy mihinana izy dia homena nono na biberon.
3. Baovola2 ( 26/03/2009 20:31)
Misaotra indrindra @valin-teny sahady :)
Jambon ve efa azo omena ? ngah moa ny jambon tsy masira ? aty manko dia tena voizina mafy averimberina fa tsy mbola azo omena sira ny zazakely sa ahoana moa izany ?
Ary ny jus ve efa azo atomboka sa aloha loatra fa rano tsotra ihany aloha?
Hay atao purée koa ny voankazo? omaly izy notolominy ny paoma nohaniko dia nokikisako madinika dia nomeko kely, faly ery .. hay tsy mety zany :?
Mbola hanontany pédiatre ihany fa saingy aty ny menu tena rigide be dia rehefa maheno ny hohanin'ny zaza mitovy @ahy any madagasikara aho ohatra dia variana sady lasa saina hoe, ataoko ahoana ny ahy, ampanarahiko le revy rigide be aty sa atao metisy le sakafo :-D
4. ikaretsaka ( 27/03/2009 16:50)
io koa arakarak'ilay toerana misy anao an... raha hiteny ny sasany heo petit pots ohatra nefa ny misy anao any ambanivohitra tsary misy petits pots de eo no raisina...
raha hiteny ny sasany hhoe kovambary e..zao sy zao e... nefa any tsisy anzany de eo no raisina..

fa ny doko any aminareo ihany no tsara anontaniana
5. ftma ( 27/03/2009 19:05)
Baovola2: ny jambon masira ka mbola tsy naheno izany hoe tsy azo homena sira izany ny zaza aty raha tsy asiana sira ny sakafo tsy misy tsirony, manontania ihany dokotera fa samy hafa mantsy ny zaza e ny ahy zao asiako sira kely ny sakafony ny sasany tsy mahazo mihinana, misy koa alerigika @ sakafo sasany
Ny jus azo omena fa zaro tsikelikely aloha fa mbola vaovao aminy.
Tsy mitovy mihitsy ny any Madagasikara sy ny aty ivelany, any @ntsika azo omena tamenak'atody aty tsy mahazo
6. Baovola2 ( 27/03/2009 20:47)
ikaretsaka> ka tsy hoe hanao copie-coller ange aho fa mba tiako ho fantatra ny ataon'ny hafa dia andramako raha mety amiko e, raha toa ka sakafo tsy misy aty dia avela ka inona moa ...
ny dokotera no mandrara fa tsy omena sira na siramamy ny zaza latsaky ny herintaona fa efa misy sira sy siramamy naturellement ny sakafo omena azy, ny reins hono mbola tsy mahazaka fanampina sira ... fa haiko tsara fa any Madagasikara dia tena asiana sira kely ny sakafo

ftma> ny dokotera no milaza fa zaza ange ka mbola tsy mitovy @ntsika ny fahenony tsiron-kanina ... izy moa no dokotera fa tsy izaho

izaho tokoa aloha dia nanandrana ireny petits pots ireny fa tena beurkkk rehefa nahandro ho anjanako anefa aho, tsisy sira, hafa ny fahenoako azy
7. tywa68 ( 28/03/2009 17:38)
Baovola2 : tena tsy azo ampitoviana @ tiantsika ny an'ny zaza satria isika efa voky sira sy siramamy sy gras ... d miova aby ny tsiron-tsakafo !

Raha mazoto moa manamboatra d ataovy, fa mba ampisehoy ny zava-misy ihany ny ankizy na d petits pots aza ny anarany (sy ny vidiny mety maneno), stria misy sakafo tsy ataontsika an-trano nefa mety ho hitany any @ hafa na any @ crèche... ka asa aloha fa marina mihitsy io hoe tsy mitovy ny any dago sy aty ivelany...

Manomboka 6mois zany d efa mihinana ny rehetra satria efa misy nify rahateo, fa tsy midika hoe fenoy poivre an :°)

Ilay petits pots anie tsy voatery omena azy daholo fa ampifangaroana vary kely na pâtes ... :-*
8. Ratoa ( 29/03/2009 11:39)
nahoana ange no petits pots? Fa nahoana raha légume frais?
Ny ahy, asesiko ny légume. Ahandrahoina ho masaka tsara, ataoko purée @ mixer, ilay tahony iny fa tsy ilay bol. @ iny na petite quantité aza dia mety. Dia rehefa malemy tsara dia asiako ronono kely (ilay fanao @ biberon iny ihany) na asiako fromage kely na hena kely, tena hena omby mahia, atao purée daholo ireo.
Ny fruits azo atao compote rehetra koa atao izany. Rehefa 9 mois eoeo izy dia fruits rappés bien fins.
Toa izany koa ny jus. Raha azoko antoka ny voankazo (teo antokotany donc tsisy produit chimique) dia atao presse-citron na centrifugeuse dia omena azy manta. raha tsy izany, ahandroina ny jus.
9. tywa68 ( 29/03/2009 11:56)
Ratoa : ilay côté pratique anie no teneniko @ilay petits pots e ! misy karazany kokoa @ fruits (satria tsy ho paoma sy akondro foana no ho potehina :°) )
Moa ilay izy koa efa tena mety @zaza satria tsy asiana siramamy na sira @ goût n'ilay reniny :wink: Fa raha mbola mazoto manamboatra d maika tsara satria sady faly ny reniny no faly ny zanany ! :lol: Tsara ampanandramana an'ilay sakafo petits pots ihany mba tsy ho sahirana rhf mamela azy @olona koa. :wink:
10. Baovola2 ( 29/03/2009 21:27)
tywa68> azoko tsara ilay côté pratique lazainao fa mba efa nanandrana petits pots aho fa dia ... beurkk be ty izy, ny ahy ezahiko atao ao antrano (efa nanomboka) anie ka tsy asiako sira, tsy asiko siramamy na épices na inona mihitsy e, legioma na voankazo na hena + rano + huile de colza kely (nirecommander-ny pédiatre) dia zay e
Mazotoa manamboatra fa ny idée no otrany un peu limité ihany na dia hoy aza ny pédiatre hoe ny zaza moins de 2 ans tsy mbola mila variété na goûts be dia be fa vitsivitsy dia efa tsara, mbola be ny fotoana hanandramany sakafo hafa any aoriana
11. ftma ( 30/03/2009 07:53)
tywa: efa zatra marina njy :)
Baovola2 vao nanontany dokotera za io momba ny sira dia nolazainy fa azo homena sira kely ny zaza @ izay hainy ny manafaka ny masira sy mamy, ilain'ny vantany hono ny sira
Ny ahy huile d'olive no hampiasaiko asiako kely ny sakafony
12. karinah ( 30/03/2009 15:59)
Bjr!.. ny ahy vao 2 mois dia efa nomeko jus ny zanako atao kely fotsiny fa tsy atao be akory an, tokony 2 cuil à soupes eo dia ampy, dia ampitomboina tsikelikely eo, tsy maninona.
Ny petits pots indray moa iny efa misy sokajiny araka ny isam-bolan'ny ankizy dia iny fotsiny koa ny ahy no nomeko azy, fa indraindray kosa ovaiko, dia mi-mixer légumes aho, courgettes na carottes, na ovy no tena fanaoko ankoatry ny efa vita amin'ny pots, dia asiako henaomby mixé ihany koa avy eo, ary na koa trondro sy vary nandrahoina malemy be, miaraka amin'ny carottes ihany koa, mixer-na daholo ireo, tena tsara manko raha mahavita manamboatra hono e. Ny dessert ko 3mois dia efa nomeko petit suisse(sans sucre an), ankoatry ny compote-de fruits. :)
13. Baovola2 ( 30/03/2009 20:47)
karinah>merci @lé hevitra maromaro

ftma> zany ve? tsy hay intsony koa ty, ny pédiatre-ko indray dia milaza fa ny legioma sy ny voankazo efa misy sira sy siramamy naturellement ka tsy mety @rein'ny zaza ny manampy :roll:

Le zanako ato dia tena malaina @le sakafo e, nono ihany no tadiaviny ... ny nonoko koa mbola misy tsara ka dia tohiziko aloha, arosoko eo foana ihany ny bouillon-ny sy ny compote-ny fa rehefa ela ny ela hazoto ihany izy, roa sotrokely na telo dia efa akombony mafy be ery ny vavany ... vao alaiko ny rano nefa hoe hosotroiny dia sokafany be ny vavany :P tsy kivy aho fa vao haingana koa fa tairiko moramora eo, mety ho avy ny andro mba hahalany 5 sotrokely ohatra hi hi .. bonnui dôly :lol:
14. fahamarinana ( 31/03/2009 11:39)
:arrow: Mila atao tsikelikely ihany koa ry baovola ilay izy a ! Raha manda izy androany dia hiverenana ihany andro hafa fa amin'ny farany manaiky ihany ! Ny olana manko dia tsara dia tsara ny ronono nefa tsy ho ampy ihany koa fa mila ampiana sakafo hafa rehefa eo amin'ny 6 mois eo !
Ny zaza koa anie ry reto ka fetsy e,iny mihinana iny manko effort be ho azy koa ka rariny raha hidongy bib's foana izy ,hihi !
Mahereza e !Mijereva re7 am internet fa misy karazany sy varié any,na mijery boky any amin'ny biblio fa efa misy natokana ho an'ny zazakely mihintsy dia ao ny ingredients ilaina ! (l)
15. Baovola2 ( 01/04/2009 19:52)
fahamarinana> Ny ahy nge ny zanako minono fa tsy bibi e, efa zatra misahirana io @minono ka, raha tsy niezaka mafy io tsy niakatra ny nonoko t@zà teraka satria cesarienne aho fa izy mihitsy no hitako mbola malaina hanandrana zavatra hafa fa araky ny lazaindry io, tsy maintsy hiverimberenana eo ihany fa indray andro any tokoa ve tsy hanaiky izy :) ny kivy no tsy atao.

Efa mijerijery re7 mihitsy ato zao dia noter-na tsara mihitsy dia andramana ho hita eo fa vao tsy ampy 1 volana koa izy no nanomboka nomeko sakafo e,
16. fahamarinana ( 02/04/2009 15:44)
:arrow: Dia mahereza akia ry baovola ary ,tsy misy mafy tsy laitry ny zoto hoy ny slogan'ny kolejinay fahiny e! ..nandalovako tamin'ny zanako ihany koa fa ny farany nilamina e! :-* (l)
17. Baovola2 ( 09/04/2009 14:57)
fahamarinaa> misaotra mankahery akia

... dia tampoka teo tokoa dia nanapa-kevitra ny hisakafo Ramatoakely, angamba zay vao tena tona ny fotoana e, faly ery aho aloha :D
18. rhina ( 03/09/2009 11:32)
Baovola2:

Misaotra indrindra @valin-teny sahady :)
Jambon ve efa azo omena ? ngah moa ny jambon tsy masira ? aty manko dia tena voizina mafy averimberina fa tsy mbola azo omena sira ny zazakely sa ahoana moa izany ?
Ary ny jus ve efa azo atomboka sa aloha loatra fa rano tsotra ihany aloha?
Hay atao pur�e koa ny voankazo? omaly izy notolominy ny paoma nohaniko dia nokikisako madinika dia nomeko kely, faly ery .. hay tsy mety zany :?
Mbola hanontany p�diatre ihany fa saingy aty ny menu tena rigide be dia rehefa maheno ny hohanin'ny zaza mitovy @ahy any madagasikara aho ohatra dia variana sady lasa saina hoe, ataoko ahoana ny ahy, ampanarahiko le revy rigide be aty sa atao metisy le sakafo :-D



nenao kosa ngamva ny zanakao tiana ho obese ko
ny zaza tokony sakafo mitondra hery foana no omena azy fa tsy tokony hinana anzany raha mbola kely latsaky ny 2 taona
izany hoe ireo voalazan'i le nanoratra faharoa ireo

sao teztra ianao an !!!
fa zay fianarana ny fiainana lazaiko anao fotsiny ny vokadratsiny fihinanan'ny zaza ireny jambo s blabala reny
19. Hainjo ( 17/09/2016 15:52)
Bjr.izaho reto mba omeo programe sakafo jaza 6mois sy ny ora misaotra o
20. ravs ( 26/10/2016 05:26)
Bjr za ko mba mila menu zaza complet sy ny ora fihinana azy .6 mois zaza zao! mankasitraka indrindra oh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1749