yaourt

1. xxx ( 24/03/2009 14:54)
mba te hanamboatra yaourt aho fa tsy manana yaourtière. Isika gasy anefa misy mahay manamboatra tsara io ka mba omeo ny fanaovana azy akia raha misy mahay eto a!
novalian'i Tazana ny 05/05/2009 19:14
2. ni81 ( 24/03/2009 15:12)
Maka ronono iray litatra dia andrahoina atao masaka. Rehefa vita izay dia esory teo ambony afo dia haroharoy @ sotro. Tsapao @ rantsana raha toa ka efa zakanao, dia alaivo ny yaourt nature, arotsahy ao anatin'ilay ronono iray litatra io ny antsasany, dia ataovy tsara izay hifangaroany, dia asio siramamy araka ny hitiavana azy. Dia zarazarao @ boaty na vera dia sarony, ary avy eo dia fonosy bodofotsy na lamba mafana dia avelao ao mandritra ny 12ora. Dia raha manana frigo dia ahidiro ao hangatsiatsiaka.
Mety hisy olona manana fomba fanaovana azy hafa angamba fa toy io no fanaoko rehefa te mba hanao yaourt maison.
3. xxx ( 24/03/2009 15:20)
antsasak'ilay yaourt izany no tena ampiasaina fa tsy ilay yaourt manontolo ve?
misaotra akia ni81a! :*
4. ni81 ( 24/03/2009 17:21)
Ny antsany ihany fa tsy izy rehetra dia efa ampy. Tsy misy fisaorana e!
5. sohitika2008 ( 24/03/2009 21:58)
Leon'ny dokam-barotra dia mitady yaourt?
6. ni81 ( 25/03/2009 18:24)
Leon\'ny dokam-barotra dia mitady yaourt?
:idea:
7. karinah ( 30/03/2009 16:09)
Bjr! ny ahy mitovitovy amin'ny an'i Ni io koa:
Andrahoina ny ronono 1l raha toa tsy mbola masaka, maka 1verre amin'io ronono io hampangatsiahana tanteraka ary ny ambiny rehetra avela ho matimaty somary mafana, alaina ilay ronono 1verre nangatsiaka dia afangaro tsara amin'ny yaourt nature 1pot.
Arotsaka ao anat'in'ny ronono matimaty rehetra iny avy eo, ary afangaroina tsara hifangaro tanteraka.
Fonosina bodofotsy ihany koa, ary KENDRENA mba tsy hovoadona NA DIA KELY fotsiny aza fa tsy mety fa mivadika raha vao voadona an, dia avela ao mandritry ny alina, na tapak'andro manontolo.:D
8. karinah ( 30/03/2009 16:15)
..ny ahy indray tsy tonga dia zarazaraiko anaty pots na verres fa ataoko anaty bocal lehibe fotsiny!!! fa tandremana tsara hoà tsy hovoadona an, manjary tsy mi-réussir izy manko. :wink:
9. Ratoa ( 30/03/2009 17:05)
Mba andramo ity:
Yaourt + couscous "moyen"+ raisin sec+ bananes coupées en petits dés.

Yaourt be dia be no ilaina ka manamboara araka izany: Ny sachet de lait en poudre 500Gr mahavita yaourt 2litres.
araky ny recette etsy ambony, rehefa avy nampangotrahana ny rano dia afngaro ronono Avelao ho matimaty azo tsapai-tànana afangaroy ny yaourt iray.
Mampagontra rano kely anaty cocotte minute , atao misy pression tsara (mihodikona tsara raha seb moa mivoaka tsara ilay soupape raha autocuiseur type italien na allemand).
Soakafana haingana nycocotte minute. Arotsaka ao ilay mélange efa vita.
Idiana tsara ny cocotte, fonosina bodofotsy na lamba mafana Avela hipetra 12heures.
Ampangatsiaho anaty frigo rehefa mivaingana tsar.

2) Ampangotaraho ny rano
Afatra ny couscous de blé dur, graine"moyen"
Arotasaka ao ny rano: Q= fatran'ny couscous X 2/
Avelao hovonto rano sy ho maina tsara; aAfangaroy nuakondro coupé sy raisin sec.
Zarazarao @ ny bol kely na ramequin, na lovia kely jogo ny couscous.
3) Mamio araky izay tianao ny yaourt
Napper-ho ami,'io ny ramequin na bol sns.
Atao mando tsara dia isaky ny lany ny ronono eo ambony (miaraka raisina @ sotrojely yaourt kely sy ikay couscous) dia ampiana

Mazotoa omana
10. Ratoa ( 30/03/2009 17:07)
P. S. Aparasaka tsara amin'ny fourchette ilay couscous mba tsy hivaingana (tsy hisy grumeaux) izay vao asiana raisin sec sy akondro.
Afangaro tsara ireo izay vao zaraina sy asiana ronono
11. Tazana ( 03/05/2009 23:25)
Ho ho'aho r'ireto: raha ronono écrémé ve mety hanaovana yaourt? Sa tsy maintsy lait entier? Ary raha 1 na 2 %? Misoatra!
12. Ratoa ( 04/05/2009 22:55)
tazana,
Mety tsara ka
Saingy aleoko ilay entier fa matsiro kokoa
13. Tazana ( 05/05/2009 19:14)
Misaotra betsaka Ratoa a.Hafakely ilay couscous io fa za zatra ilay salady sy masira foana. Mba handramako indray hoe io!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3183