Mahavariana ny secte "VAHAO NY OLOKO"

1. mion ( 26/02/2009 06:34)
Sao mba misy manana informations momba io secte io de raisina an-tanandroa

Asa ianareo raha nahatsikaritra io secte io fa tena mirongatra izy io tato ato et tanà ville.
ry zareo le mijoro eny an-dalana midazona plaquette fotsifotsy misy soratra oe vahao ny oloko, ary tsy alahady tsy andro fety fa " mivavaka " foana zareo, ngamba tsy an'asa daholo.
En plus manao recrutement be mintsy ry zareo ao alefany @ annonces sobika , mail etc...

Endrika iray tsy miafina isehoan'ny business
novalian'i nadia40 ny 19/08/2019 06:25
2. Mirananirina ( 26/02/2009 13:16)
tsy alahady tsy andro fety fa " mivavaka " foana zareo, ngamba tsy an'asa daholo.
En plus manao recrutement be mintsy ry zareo ao alefany @ annonces sobika , mail etc...

Mahagaga tokoa hoe ahoana aza no ahazoandry zareo vola be anaovana io ,nefa hita fa eny andalambe ny anton'asany.
Mitaty rakitra angamba e?
3. Nandra1 ( 26/02/2009 13:25)
Zà mbola tsy nahita an'izany fa mba alefaso hoe ny lien !
4. rabingogilabanga ( 26/02/2009 15:47)
Raha ny fiangonana toin'ny FJKM,
-mpiady lava
-manana vice-president ahiana (ahiana hoy aho, nefa na dia izany fotsiny aza!) ho nitifitra no tsy misy mpiteny
-ary indrindra mampifangaro ny politika sy ny fivavahana

dia hiroborobo foana ny secte


indrindra fa ny secte fanenjehana no be, tsaho no be @ ankabeazany (ny ankabeazany hoy aho, fa satria misy marina tokoa ny ratsy), fa tsy mbola nisy t@ izy ireo nanana filoha nitifitra olona
5. xxx ( 26/02/2009 15:49)
Raha misy mpikambana @ izany secte zany eto mba lazao ny antony hilazana izany hoe vahao ny oloko izany fa tsy mazava izany , olona iza ary iza no mangeja azy ? mba mila fanazavana re tompoko azafady fa tsy vazivazy e!
6. ikaretsaka ( 26/02/2009 16:15)
eny tokoa:
Iza ny "olony"?
maninona no "vahana"
de rehefa voavaha de ahoana @ izay?
7. xxx ( 26/02/2009 16:20)
rabilobanga tsy miaro ny andravalo aho akory fa mba mametraka misy mba zavatra tokony heverina ihany a! hoy Jehova aza mamono olona didy io , dia hoe koa aza mangalatra mbola anazy ihany io a! de raha aminao iza no diso kokoa @ mandika ireo lalana ireo , na koa hoe aza mijangajanga , mba mangataka fanazavana avy @ ao rabilob... a! ny manaraka izany misy ny lalana izay nataontsika olombeloa hifampifehezantsika ol , maty ary ny olona iray refa nandika io lalana io , nefa ny soratra masina no milaza fa izay vahana ety na fehezina ety dia ho toy izany koa ny any andanitra , koa ahoana aza izany isika mitsara ilay olona nampihatra ilay lalana izay hifampifehezantsika eto antany izau nodikan'ilay olona ka nahafaty azy de ahoana izany
8. ari.malala ( 27/02/2009 05:53)
Hay ve secte ireny mijoro eny andalambe mitondra solaitra misy soratra hoe vahao ny oloko ireny e! :-D :-D zà ve nahalala fa neveriko fa olona miandry olona hamaha azy izy ireny (tena serieux) fa ery andrefan'Ambohijanahary ery misy anankiroa mijoro zay foana (refa le mandeha ao @ le centre médical ao @ prisme taloha io mahita anizany) d gaga b za hoe in no ataon'ireo eo... hay v ka mivavaka e!

xxx tsy misy hoe iza no diso refa dikaina ny didy fa refa mandika na ny 1 iany aza ozy Md Paoly d mandika anazy menakavy dc samy diso na ny nangalatra na ny namono olona.
9. xxx ( 27/02/2009 10:09)
za tsy manontany anla letsy ry malala a! :* i bingogilabanga no hanontaniakoi ngama mantsy toa mitsra avy hatrany ary manameloka mihitsy fa diso ra... anona , alefaso ry bingo a!
10. kerena09 ( 03/03/2009 10:33)
xxx:

Raha misy mpikambana @ izany secte zany eto mba lazao ny antony hilazana izany hoe vahao ny oloko izany fa tsy mazava izany , olona iza ary iza no mangeja azy ? mba mila fanazavana re tompoko azafady fa tsy vazivazy e!


Efa ho 4taona mahery aho no mpikambana.Ny tena izy ao anaty baiboly de hoe "avoay ny oloko": Andriamanitra no niteny io t@ i Mosesy sa Farao (tsy tadidiko) ny @ amoahana ny zanak'israely zay teo ambanin'ny fanandevozan' ireo egyptiana t@fotoan'androny. Satria nananotsarotra ho an'ireo olona tany Tamatave ny nanonona 'lay hoe "avoahy ny oloko' de namoraindreo fotsiny hoe 'vahao ny oloko', de naleo najanona t@io.
Ny olona zay mbola eo ambanin'ny fahefana sy fanagejan' ny devoly no mila vahana raha mila zany izy. OloKO satria an' Andriamanitra na hoe asa-tanan'Andriamanitra ny olona, fa ny devoly no mangalatra sy manimba ny olona. Ny 'Vahao ny oloko' zany dia fikambanana iray manaiky ho fitaovana ampiasan 'Andriamanitra ho mpiara-miasa Aminy: hamaha ny olona zay mila famonjena te ho afaka @ fanagejan'ny devoly sy ny forongony, ary mampianatra koa fa rehefa afaka ny olona iray ka te hitodika hanompo an' Andriamanitra (mibebaka de avy eo mankato ny Tenin'Andriamanitra) de afaka mahazo hery (Fanahy Masina) manohitra sy mandrava ny asan'ny devoly.

11. ari.malala ( 03/03/2009 11:31)
kerena09, misaotra nitondra fanazavana, fa ny tiako anontaniana de zao, inona no antony ijoroan'ireny olona ireny eny am sisin-daana de mitondra ilay solaitra misy ilay soratra hoe "vahao ny oloko"? Olona manana anton'asa ve ireny sa ahoana no momba azy satria mandritra ny andro no ahitana azy eny?
12. kerena09 ( 03/03/2009 11:32)
mion:

Sao mba misy manana informations momba io secte io de raisina an-tanandroa

Asa ianareo raha nahatsikaritra io secte io fa tena mirongatra izy io tato ato et tanà ville.
ry zareo le mijoro eny an-dalana midazona plaquette fotsifotsy misy soratra oe vahao ny oloko, ary tsy alahady tsy andro fety fa " mivavaka " foana zareo, ngamba tsy an'asa daholo.
En plus manao recrutement be mintsy ry zareo ao alefany @ annonces sobika , mail etc...

Endrika iray tsy miafina isehoan'ny business

Ny devoly de manao sy mampanao mission "mitady zay harapany" foana isan'andro isan'andro @ olona zay manaiky hampiasany ,ary Andriamanitra koa de mamporisika zay manarak' Azy "hivavaka foana ka tsy reraka". Ary ny manao ny asan' Andriamanitra no asa tsara indrindra hoy ny baiboly. Asa mila fanetre-tena be sy be fahavalo, nefa asa matanjaka be @ sponsor ,dia lay Andrimanitra tompon'ny fahefana sy fanapahana @ hery rehetra misy na hita na tsy hita maso eto @ zao tontolo izao sy any an-danitra.

13. ari.malala ( 03/03/2009 11:40)
kerena09, misy fanontaniana anie io ambony io azafady e! misaotra :)
14. kerena09 ( 03/03/2009 11:52)
ari.malala:

kerena09, misaotra nitondra fanazavana, fa ny tiako anontaniana de zao, inona no antony ijoroan'ireny olona ireny eny am sisin-daana de mitondra ilay solaitra misy ilay soratra hoe "vahao ny oloko"? Olona manana anton'asa ve ireny sa ahoana no momba azy satria mandritra ny andro no ahitana azy eny?

Raha nanana anton'asa ara-nofo (oh miasa any @ birao) ireny olona ireny de mazava ho azy fa tsy hita eny amoron-dalana fa tsy maintsy nanao ny adidiny andavan'andro. Ny asan'ireny mijoro ireny zany de manao ny asan'Andriamanitra koa, zany hoe manao pub fa, tia ny olona rehetra sy mahavita zavatra eo @ fiainan'ny olona Andriamanitra; "mandehana any @ zao tontolo izao de ataovy ho tonga mpianatro" hoy ny Tenin'Andriamanitra.

15. kerena09 ( 03/03/2009 12:17)
ari.malala:

kerena09, misy fanontaniana anie io ambony io azafady e! misaotra :)

Qqs informations: atao hoe fiangonana (fa zany no mahazatra) miezaka manaraka ny tenin'Andriamanitra: mandala ny fahamarinana sy ny fahamasinana; mazava hoa azy zany fa mankato koa ny didy faha 4 : "mahatsirova ny andro sabata..." manao ny sabotsy ho fahafinaretana ka mitsahatra @ zay tianao atao ,fa mande midera sy mankalaza ary manaome voninahitra an'Andriamanitra any am-piangonana. Ny foibe de ao Tànà eny Andavamamba,eny no atao ny vavaka délivrance, fanasitranana, fifadi-kanina, fa eny @ les 3 frères eny andrefan'Ambojanahary ny fotoam-be fivavahana.
Aty Majunga, any Tamatave, any Ambatondrazaka, Antsirabe, Fianarantsoa 2, de samy misy sampany avokoa.

16. Nandra1 ( 03/03/2009 12:53)
Raha nanana anton'asa ara-nofo (oh miasa any @ birao) ireny olona ireny de mazava ho azy fa tsy hita eny amoron-dalana fa tsy maintsy nanao ny adidiny andavan'andro. Ny asan'ireny mijoro ireny zany de manao ny asan'Andriamanitra koa, zany hoe manao pub

Fa maninona no mila manao pub?
17. kerena09 ( 03/03/2009 13:48)
Nandra1:

Raha nanana anton'asa ara-nofo (oh miasa any @ birao) ireny olona ireny de mazava ho azy fa tsy hita eny amoron-dalana fa tsy maintsy nanao ny adidiny andavan'andro. Ny asan'ireny mijoro ireny zany de manao ny asan'Andriamanitra koa, zany hoe manao pub

Fa maninona no mila manao pub?

pub=dokam-barotra=vola= atao mba hampandroso ny varotra: fisainana ara-nofo io, fa @ Andriamanitra, zany hoe resaka ara-panahy dia, pub= mandehana torio+ Fanahy Masina (eto de tsy misy vola miala na miditra satria mijoro eny amoron-dalana, nefa mety misy fomba hampiasana vola oh fitorina eny @ radio naTV, satria mbola miaina eto ambonin'ny tany,)=atao mba hampandroso ny isan'ny olona ho ao @ fanjakan'ny lanitra.
18. ari.malala ( 04/03/2009 05:31)
kerena09, misaotra hatrany, fa ny tsy azoko mintsy d hoe inona no antony ijoroana eny amoron-dalana mitondra ilay solaitra misy ilay soratra hoe vahao ny oloko...
19. Nandra1 ( 04/03/2009 05:45)
pub=dokam-barotra=vola= atao mba hampandroso ny varotra: fisainana ara-nofo io, fa @ Andriamanitra, zany hoe resaka ara-panahy dia, pub= mandehana torio+ Fanahy Masina (eto de tsy misy vola miala na miditra satria mijoro eny amoron-dalana, nefa mety misy fomba hampiasana vola oh fitorina eny @ radio naTV, satria mbola miaina eto ambonin'ny tany,)=atao mba hampandroso ny isan'ny olona ho ao @ fanjakan'ny lanitra.

Ianao ve tsy efa mahita fa efa feno fiangonana kristianina na secte maro be ihany koa eto @ centre ville manokana. Koa nahoana no mbola mila manao pub eto "délivrance, fanasitranana etc..." fa maninona raha mba any @ faritra ze tsy mbola nahalala an'i Kristy no manao ireo asa fitoriana e?
Mialatsiny fa hafa mihintsy ty an! za zao nieritreritra hoe ny vahoaka eo @ 13 Mai no "VAHAO NY OLOKO"io! :lol:
20. kerena09 ( 04/03/2009 09:00)
ari.malala:

kerena09, misaotra hatrany, fa ny tsy azoko mintsy d hoe inona no antony ijoroana eny amoron-dalana mitondra ilay solaitra misy ilay soratra hoe vahao ny oloko...

De mbola tsy fantatrao ihany ve ry ari.malala fa rehef hanao pub de maro ny fomba azo atao: panneau pub oh. Satria tsy an'i "vahao ny oloko" io toerana ao @ "les 3 frères" io fa mpanofa izireo ao, de tsy azo atao ny mametraka plaque na panneau eo, moa misy ireo olona maheno fitorina @ radio na TV de tsy mahalala io toerana io; ary ny miaraka @ Adtra de mila fanetre-tena be + fitiavana (mijoro eny amoron-dalana).Raha mankany Andavamamba dia misy plaque eny = tsy misy olona mijoro amoron-dalana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1095