Rakoto sy ny devoly sy ny mosavy

1. sitlo ( 19/02/2009 06:37)
http://www.tantely.org/rakoto/

Mino ve ianareo fa tena misy ny olona idiran'ny devoly, ny fanasitranan'ny mpimasy sy ny mpametra-tanana?
Tsy tahaka ny fahagagana fanasitranana nataon'i Jesosy ve io tantarain-dRakoto io?
novalian'i laloanany ny 11/03/2012 23:10
2. xxx ( 19/03/2009 08:11)
Zao aloha io zavatra io eh! Tsy misy any zany hoe olona hidiran'ny devoly zany fa zavatra nataon'olona iray le izy. Ary io zavatra io d ny mpitsambo gasy tena mahay sy mahalala any io zavatra io ihany no afaka manala sy mitsabo io olona io . Aoka kosa aloha azava ifa tsy mitivy amin'ny nataon'i Jseo io zavatra io eh!
Misaotra
3. belex ( 22/03/2009 13:34)
tena misy ny olona hidiran'ny devoly ary ilay hoe nataon'olona kosa dia mety ho marina ihany satria ilay olona manao izany aloha dia izy tenany mhntsy no misy devoly voalohany ka manana fanahy ratsy afaka manao sy mamindra izany amin'ny olona manodidina azy,ary ilay olona misy na nifindran'ny devoly kosa aloha dia nanaiky ny hipetrany ao aminy satria raha tsy mivoha ny varavarana dia tsy afaka miditra izay mandona ao ivelany ao koa ny tompony mihintsy no namoha ny trano matoa tafiditra izy koa raha haintsika no manavaka izay fanahy mandona sy mitady hiditra ato amintsika dia tsy hatahorana ny hidiran'ilay an'ny devoly any aminareo........MAHAIZA MANAVAKA NY RATSY SY NY TSARA FA IZAY NO MAHA OLOMBELONA ANTSIKA
4. sarobidy ( 10/04/2009 11:57)
brrrrr orera be zany filma devoly zany! fa zà aloha tena efa nahita olona nisy devoly e, de vavaka daholo no itako presk nahafaka an'ireo
5. rasobakobako ( 15/04/2009 07:45)
Misy tokoa ny olona idiran'ny devoly, maro ny antony mahatonga an'izany. Mety mahasitrana an'ireny tokoa ny mpimasy, na ny ody gasy, fa very eo ny fanahin'ilay olona. Fa ny tena mahasitrana azy, sady mahavonjy ny fanahin'ilay olona dia tsy misy afa tsy Jesoa Kristy irery ihany.
6. benasy ( 22/04/2009 11:57)
Tena misy ny " olona idiran'ny fanahy ratsy "...
Misy nateraky ny nataony ihany; misy kosa ny nampidirin'olona ho ao aminy !
1 - Izy ihany no manosika an'Andriamanitra tsy hanana anjara eo @ fiainanay nefa ny fanahy ratsy eny @ rivotra mitady izay azony harapaka... fa mierona toy ny liona.... ary miandry ao ambadiky ny varavarana !
2 - Olon-kafa no nahatonga izany satria nahazo ozona izy !!!! mety tsy niniana; nefa mety tena voakendry ! tsy tsaroana akory ange ny nahazoana ozona tsy fidiny e ! efa fahazarana mantsy... oh1 : ilay alika maty ity ! .... tsarovy fa io TENY io misy fiantraikany tanteraka amin'ny tompony...Satria Andriamanitra dia TENY ..... !
7. bichette ( 07/07/2010 15:27)
Misy idiran'ny devoly tokoa, izany no atao hoe "possession" vakio ny baiboly ao amin'ny testameta vaovao. raha tsy mino dia raha ao madagasikara ianao, andana mankany amin'ireny fiangonana misy fifohazana, dia anontanio hoe "rahoviana no misy fiasàna sy fandroahana devoly ato fa ho avy aho hijery" dia mandehana, alohan'ny hitenana hoe tys misy izany sns. mijereva aloha vao miteniteny re olona a ;-) raha any ampitandranomasina ianao dia mitadiava fiangonana manao an'ireny ary amin'izay fotoana izay rehefa avy any ianao dia tongava eto miteny hoe "misy ve ny devoly sa tsia" dia vakio ny baiboly fa maro ny soratra milaza an'io. ny mpimasy mpamosavy mpanandro sns dia mpanompon'i satana avokoa ireny, mankany amin'ny fasana manao sorona hahazahoana pouvoir
8. vale ( 18/02/2011 11:43)
Marina izany, ny mpimasy, mpamosavy, mpanandro, magicien, etc, etc, dia an'ny devoly ireny, mety mahafaka fa @ fomba à leurs manière izany e, lol, fa tena misy ny oul possédée, fa raha araka ny tantaran'ny baiboly, azfd fa za tsy mpitadidiy toko sy andininy , fa nony nanota i Adama sy Eva dia efanandova ota avy taminy avokoa isika rehetra, noho izany mpanota dolo, fa samy hafa fotsiny ny hoe olona, tena hitoerany, sy ny hoe tsy mahatohatra fakampanahy.(selon moi sy ze zvt mba nampenarina ahy, ;-P )
9. bichette ( 20/07/2011 10:56)

rasobakobako:

Misy tokoa ny olona idiran'ny devoly, maro ny antony mahatonga an'izany. Mety mahasitrana an'ireny tokoa ny mpimasy, na ny ody gasy, fa very eo ny fanahin'ilay olona. Fa ny tena mahasitrana azy, sady mahavonjy ny fanahin'ilay olona dia tsy misy afa tsy Jesoa Kristy irery ihany.


Jesosy kristy avy any Nazareta ihany no tena manafaka. Ny mpimasy sns mody hoe manafaka fa afindrany ilay aretina ary na ny fankanesana any fotsiny aza dia efa AZY IANAO.

1- http://www.dailymotion.com/vids/2410875+2409920+2410539+2409661+2411060/video/x1fnb1_techniques-sorcieres-16_shortfilms

2 - http://www.dailymotion.com/vids/2409920+2410291+2410539+2410875+2411060/video/x1fni8_techniques-sorcieres-26_shortfilms

3 - http://www.dailymotion.com/vids/2409920+2410291+2410539+2410875+2411060/video/x1fnsj_techniques-sorcieres-36_shortfilms

4 - http://www.dailymotion.com/vids/2409661+2410291+2410539+2410875+2411060/video/x1fnzf_techniques-sorcieres-46_shortfilms

5 - http://www.dailymotion.com/vids/2409661+2409920+2410291+2410875+2411060/video/x1fo8r_techniques-sorcieres-56_shortfilms

6 - http://www.dailymotion.com/vids/2409661+2409920+2410291+2410539+2411060/video/x1fodw_techniques-sorcieres-66_shortfilms

10. laloanany ( 11/03/2012 23:10)
Ny devoly de misy, ny olona ihetsehan'ny devoly dia misy. Saingy za tsy mino an'ireny devoly mihetsika ami'ny Tele sns reny. Cinema daholo reny. Za koa mahavita otran'ireny, prepareo tsara fotsiny ny kamera, dia omeo ahy ny vola 500 000 fmg dia ataoko le izy.
Le mpamisavy sy le Rakoto dia tsy inoako velively. Ekeko fa mety misy ireo olona mivoaka ny tanana @ alina mandeha mamono olona amin'ny tsy antony na mandihy amin'ny fasana fa amiko tsy mpamisavy ireny fa olona marary saina mihevitra ny tenany ho mpamosavy. Tsy manao fahagagana zany ireny no tsy manao ninoninona fa olontsotra. Bala iray dia mahafaty azy ireny sal@ olona rehetra ihany.
Le Rakoto koa dia tahak'izany. Za koa mahavita manao Rakoto fa omeo ahy fotsiny ny vola 1 hetsy ariary.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1523