IZAO AHO...

1. Zozoro ( 13/02/2009 13:25)

Italic textIZAO AHO

Izao aho no mitomany... izao aho no misento,
Izao aho no miantso vonjy ho avotrin'ny fiainako eto,
Izao aho no tomany itan-danitra ao ambony,
Fa any andro...any taona... izaho tsy hitomany intsony.

Izao aho no hita resy...izao aho no hita lavo...
Izao aho no andosirana satria mbola mavomavo
Izao aho no voatsindry tsy hafa mihoitra kely akory
Dia mbola hisy koa fotoana tsy hisian'ny mpampaory.

Fa angaha dia izao ihany no andro ?....
Tsia fa misy dimbiny ao,
Amin'izay ny fanahy honina ao anatiko ao
Fa ho avy tsy ho ela akory ny androko MAMIRAPIRATRA
Ka ny fo ho ravoravo, ny masoko hanjary hihiratra.

V.O. PS Zozoro.

Ity tononkalo ity dia atolotro ho an'ireo izay tokony hanantena.
Ny alina dia tsimaintsy dimbiasan'ny Maraina.
novalian'i vazivazo ny 23/06/2014 10:12
2. sitlo ( 13/02/2009 14:39)

Tena tsy nahita notenenina aho hafa tsy ny hoe: waaaooooo :-*

3. sohitika2008 ( 15/02/2009 15:08)
Misaotra e
4. benasy ( 18/02/2009 11:12)
Ianao ilay tsy manam-paharoa
Ianao ilay volana mitaratra vonon-kandresy ny setrasetran'ny haizina, mila hamotraka ny be venjivenjy !
Ianao, eny ianao .... :-* :-*
5. rasobakobako ( 20/04/2009 12:22)
Tsy taratry ny ampitso tokoa ny andro anio e! (mihindrana ny hiran'i Jocelyn RANJARISON aho)
6. Zozoro ( 21/04/2009 21:07)
rasobakobako:

Tsy taratry ny ampitso tokoa ny andro anio e! (mihindrana ny hiran'i Jocelyn RANJARISON aho)


Mba tiako ho azo ny tonon'izany hiran'i Jocelyn RANJARISON izany rasobakobako.
Mba azonao zaraina amiko ve ? Misaotra mialoha.
7. fahamarinana ( 22/04/2009 07:12)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/jocelyn+mre/video/x5qtly_tsy-izay-miseho-anio-jocelyn-ranjar_music

Tsy izay miseho anio no hoe hamaritra
Fa mbola ho avy ilay maraina mahafinaritra
Voatokany izao satria efa eo aminy
Ho ahy sy ho anao tiany sady maminy

Koa aza kivy ianao fa raiso re ny tanany
Ny ho avinao rehetra anie efa eo aminy
Koa matokia ario atreo ireo tebitebinao
Tsy maintsy ho tonga ilay maraina vaovao

Tsy izay miseho anio no hoe hitsara anao
Ka hamaritanao izay tsy maintsy ho avinao
Tsy taratry ny ampitso anie izay mitranga anio
Ny Tomponao no hifikiro mafy sy itokio

:arrow: Zozoro : dia mihenoa sy mihira finaritra ary e ! (l)
8. tywa68 ( 22/04/2009 07:51)
Mci Fahamarinana a ! :-*
9. fahamarinana ( 22/04/2009 08:29)
:arrow: tywa : Tsisy fisaorana akia a,ny marina dia namana iray mahafinaritra izay koa no nandefa sy nizara io hira io tamiko e dia mba zaraiko aminareo koa ! :-* :-* (l)
10. Zozoro ( 22/04/2009 20:43)
Fahamarinana : Misaotra indrindra, tena tsara sy mahafinaritra tokoa, mamerina ny fisaorana betsaka. :-*
11. fahamarinana ( 23/04/2009 09:30)
:arrow: Zozoro : tsy misy fisaorana akia a! Ilay namana iray izay nanolotra ahy azy io ary no tena hisaorako raha mamaky eto an ! :-* (l)
12. Zozoro ( 23/04/2009 19:09)
fahamarinana:

:arrow: Zozoro : tsy misy fisaorana akia a! Ilay namana iray izay nanolotra ahy azy io ary no tena hisaorako raha mamaky eto an ! :-* (l)


Dia isaoratsika manokana io namana nanolotra anao an'io noho ny fahalalam-pony, dia misotra anao re eh ! Ary ianao fahamarinana dia deraina tokoa fa tsy nisalasala fa nizara aminay. Mahafaly.
:D
13. vazivazo ( 23/06/2014 10:12)
IZAO IANAO nitsiky kely nahita ireo mpitsidika tato
fa marobe ny nankasitraka, niserana hatramin'ilay sento
IZAO IANAO tonga mpandresy raha hananika ny avo
dia hisosa fa tsy hiihisatra, handroso fa tsy hijanona eto

izay no azoko atolotra an'i zozoro , mahereza foana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1117