iza no efa nihinana alika?

1. sitlo ( 28/01/2009 21:49)
Nisy vietnamianina namako izay dia alika hono no kaly tiany indrindra. Nefa ny antsika ny alika toa mandehandeha fotsiny. Iza no efa nanandrana dia milay be marina ve? Dia ahoana no fahandro azy?

Saka aloha no efa nandramako dia ohatra ny fahandro bitro no mahandro azy, fa asiana divay mena be dia be fotsiny.
novalian'i raozigasy ny 20/04/2013 22:43
2. ainaheri ( 29/01/2009 04:24)
za tsy mbola ninana fa mety efa nihina ihany fa tsy haiko,le mikaly @ sinoa reny,iza mahita ra asiny henan'alika ao.......Ny asiatika ,ireny no tena hena aminy :?
3. fahamarinana ( 29/01/2009 13:41)
:arrow: ie,ohatra izao ireny lanin'i ainaheri tany amin'ny longo ireny...hum !!matsiro hany zany ! :-D (l)
4. sitlo ( 29/01/2009 14:15)
milendalenda mihitsy aho
5. fahamarinana ( 29/01/2009 14:20)
:arrow: fa tsy hay anie ilay hena rehefa masaka e,iza no mahalala, (l)
6. sitlo ( 29/01/2009 14:38)
endrey ilay coeur kely eh :°)

ny tsirony ka, dia ny lokony, dia ny hamafiny, dia ny fofony...
7. fahamarinana ( 29/01/2009 14:55)
:arrow: f'angaha sitlo efa homana aloha e ! f'angaha maimbo ny henany (l)
8. sitlo ( 29/01/2009 15:10)
mbola tsia, koa raha tsy izany aho hanontany? :°)

ny saka no malany raha tsy mahay mahandro
9. fahamarinana ( 29/01/2009 15:41)
:arrow: na saka ve ho telina...kay ilay mafatifaty iny :( (l)
10. sitlo ( 29/01/2009 15:47)
fahamarinana:

:arrow: fa tsy hay anie ilay hena rehefa masaka e,iza no mahalala, (l)


milay be ry kala ah :°)
11. ni81 ( 29/01/2009 16:46)
=)) =))
12. ikaretsaka ( 30/01/2009 00:02)
za efa nihinana ary mbola hihinana raha misy mampihinana .. tsy maimbo izany fa tsara nohon'ny akoho... ary araka ny racen'ilay alika koa io (ny tena tsara dia ilay alika bebe volo somary miolan-drambo ireny (carlin, na shiba unu , na shar pei) .. ny nanaovan'ilay sinoa azy dia le nataony kimenamena ohatran'ny tsa tsiou ireny.. fa efa voatelina vao nolazainy.. fa tsy nampaninona ahy

na saka ve ho telina...kay ilay mafatifaty iny

ben bidro sy ny cochon de lait koa mahafatifaty fa telina sy fy rehefa hoe iny no kaly ka!
13. mailofy ( 30/01/2009 12:30)
ny gasy nge tsy vôtery haka tahaka anize fanaon'ny vahiny e! mihinana alika ve ny vahiny de hihinana kou ny gasy? mihinana ... ve ny vahiny de hihinana kou Ramalagasy? tsara ny maka tahaka ireo firenena mandroso satria mba mampivoatra : tsy azo lavina io! Fa mba asiana limites kosa @ maha olombelona!samy manana ny kolon-tsainy ny tsirairay!
14. xxx ( 30/01/2009 12:34)
mbola ampy ny omby, ny kisoa, ny bitro, ny ondry, ny osy de ny inona kou? tsy haiko tsony! ze biby fiompy fihinana e! mbola ampy zany eto Madagasikara! kou ny alika ve no tsy ho aritra ny tsy hihinana azy! ngo de tsy rariny re olon ô!
15. mailofy ( 30/01/2009 12:35)
ny gasy nge tsy vôtery haka tahaka anize fanaon'ny vahiny e! mihinana alika ve ny vahiny de hihinana kou ny gasy? mihinana ... ve ny vahiny de hihinana kou Ramalagasy? tsara ny maka tahaka ireo firenena mandroso satria mba mampivoatra : tsy azo lavina io! Fa mba asiana limites kosa @ maha olombelona!samy manana ny kolon-tsainy ny tsirairay!
16. ainaheri ( 30/01/2009 13:12)
fahamarinana:

:arrow: ie,ohatra izao ireny lanin'i ainaheri tany amin'ny longo ireny...hum !!matsiro hany zany ! :-D (l)


hihi iza mahita marina raha nisy ireny klé lol

17. paiso ( 30/01/2009 13:59)
tsy ze ohanin'ny vietnam akoury de hanin'ny gasy kou
Tsy milay zany alika zany fa any aminy mety tsara
ohatran'ny sinoa mihinana olitra ihany
fy ane zany e!!!!!!
18. sitlo ( 31/01/2009 01:39)
Aoka tsarotsika fa tsy nihinana omby ange ny malagasy taloha eh. Nefa amin'izao vao hoe hena dia omby izay.
Ny generation fahatelo talohako koa tao amin'ny fianakaviako tsy nihinana kisoa na indray aza tao amin'ny androm-piainany.
Ny fanihy (ramanavy be) koa atahorana ho lany tamingana fa lanin'ny gasy.

Ny tiako tenenina dia hoe, miova ny fiainana. Ny zafiafinareo izao mety mpihinana henan'alika, ohatra ahy mpihinana hena-kisoa amin'izao ihany.
19. ikaretsaka ( 31/01/2009 18:26)
ka izay io..
fony fahagola dia nihinana goaika koa ny ntaolo fa izao tsy mihinana intsony (na misy mihinana fa kely dia kely sisa) . mihinana zana-dandy sy soherina sy valala sy voangory fa izao vitsy no mihinana sisa..
dia any aoriana any ve de hisy hanao koa hoe fihinana ny valala de ho kiriko aby satria ela tsy nihinanana?
20. marindra ( 31/01/2009 18:34)
za alou tsy mba hihinana alika na saka e lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2896