Fanakonan-tany avy amin'ny volana/masoandro- Hita ao Mada

1. soanja ( 24/01/2009 15:30)
Ho antsika tia mibanjina ny lanitra. Hanakona ny tany amin'ny masoandro indray ny volana amin'ny alatsinainy izao. Koa raha mahatsapa hoe maizina tampoka ny andro dia tsy faraandro akory izay fa vaotako-bolana fotsiny ny tany iainantsika.

Mahafinaritra tokoa ny mijery an'io an. Tsy matetika misy io ary amin'ny taona 2010 indray vao hisy fanakoanana hafa.

Io fotoana io taloha matetika no nataon'ireo olona Aztec sy ny Inca ary ny hafa hanaovana fombafomba.

Tamin'ny Dec teo dia nahafinaritra tokoa ny nijery ny sila-bolana tafahitsoka teo ampovoan'ny planeta roa, rehefa tazanina avy ety amintsika (tany). Teo ambony lakan-jejo manavatsava ny sisin-dranomasina Masombika aho tamin'izay. Nihevitra ny tenako fa hafa noho ny andavanandro ny hafatsapako ny tenako tamin'izay.

Mahavariana ny lanitra!
novalian'i soanja ny 31/01/2009 07:11
2. haritianah ( 24/01/2009 18:17)
Mahafinaritra tokoa io ry Soanja, efa nijery an'io ao tany Dago, saingy ilay izy raha any madagasikara dia tokony ho hazava tsara à vahoaka ny fisehony sy ny antsipiriany fa mbola tena maro ny mandika azy io vilana ka lasa misy fiatraikany ratsy teo @ fiainan'ny sasany.
Tena masoko naita fa nisy tanana iray nadehananay dia fatahorana no nibahana tao an tsain'ny olona sasany ka ts sahy namoa trano mitsy nefa ny afo saribao tao an trano dia olona mianaka zareo no matin'ny setroky ny afo sarobao nandrahoany hanina tao an trano.
Misy ny haino amanjery sasany dia milaza fa tandremo tandremo fa mahajamba ny mijery an'io dia ny fahatahorana no nibahana tao an dohan'ny olona sasany.
Fa ilay izy alou mahafinaritra é, nisy solomaso voatokana novidiana t@ zany nitazanana azy iny izy mifanakona iny.
Nisy partis tany madagasikara naita azy tsara mihintsy.
Misaotra milaza vaovao soanja à
3. soanja ( 31/01/2009 07:11)
haritianah:

Indrisy ry Haritianah, mety tsy nisy ny nahatsikaritra ilay tako-bolana tany Madagasikara tamin'iny andro iray satria efa matroka ny setroky ny hatezerana sy hakiviana ny lanitr'ilay nosy mena. Indrisy!
Enga anie hanjaka ao Madagasikara ny fahalalana fa ny ady androany dia fahafahana rahampitso saingy kosa atao am-pahamendrehana sy am-pahamarinana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4285