AòNA NY MIALA SIGARA ???

1. gabidemony ( 16/01/2009 17:28)
Efa taona maro za zay mo nifoka sigara , ary roa taona lasa izay
no te hiala aho fa tsy mety fa te hifoka fòna.
Ao an-trano aho mahavita tsy mifoka mihintsy satry tsy misy mpifoka afatsy izaho irery ihany fa raha mifanena @namana mpifoka sigara iny na maheno fofon-tsigara de tsy mahatana fa de mifoka.

Ka mangataka hevitra @'areo ny tenako mba hialako tanteraka @sigara.
2. Andribe ( 16/01/2009 19:48)
Za ko ragaby de otranao izany tena mahalany 2 paké isanandro aho ary dia asiako pipa ny sigara fohako dia ohatry ny mihena ilay fitadiavana azy, :oops: :oops:
3. soanja ( 17/01/2009 03:41)
Ny fomba fantatro aloha izay mandaitra tokoa dia mila miala mihitsy ny faritra iray iainanao izao dia maka rivotra amin\'ny toerana madio rivotra sy mampiadan-tsaina.

Mila manana farafaharatsiny iray volana ianao any. Tsy fantatro na misy an\'io toby io any amin\'izay misy anao any. Fa na tsy toby aza dia ianao ihany dia afaka mandamina izany ho anao: hotely madio, lavitry ny tabataba sy ny fiara mivezivezy ary koa misy ala azo itsangatsanganana.

Vao tonga any dia diovina sasana madio amin\'ny savony tsara mihitsy hiala daholo ny fofona sigara eny amin\'ny entanao sy ny akanjonao ary izay momba anao.

Isanandro dia atomboka amin\'ny vavaka fangatahana fitsimbinana ny andro iray nomen\'Andriamanitra na izay hinoana fa mitantana anao ianao. Mila manantena fa ho tafita ny ezaka. Io dia zava-dehibe. Andraso tadiaviko ilay vavaka nadikako tamin\'ny teny gasy, izay efa nalefako teto ho fanampiana amin\'izany.

Mila manana zavatra iray ianao, toy ny hoe ohatra vato kilonjy malama iray atao ho fifikirana. Ka isaky ny mitaky ilay fitiavana te hifoka dia iny no fikirinao sy iresahanao fa tsy hifoka ianao androany. Androany ihany ny zava-drehetra. Ny ampisto misitery ho antsika rehetra. Isao ny andro vitanao. Feno iray taona dia manaova fety fisaorana an\'Andriamanitra.

Isaky ny adiny iray na roa dia mila maka rivotra mandeha mitsangatsangana any anaty ala eo amin\'ny 15 minitra eo ho eo, mifoka rivotra madio sady amboarina ny saina hoe ny rivotra madio ihany no afaka hamelombelon\'aina ahy.
Amin\'io fotoana io dia tokony hanana boky be dia be ho vakiana, hira henoana izay tokony ho malefaka mahafinaritra mitondra fiakaran\'ny aingam-panahy ho anao.

Adinoina daholo ny olana andavanandro sy ny romborombony.

Rehefa tsy mahita tory amin\'ny hariva dia misotroa ronono mafana na dite mampatory. Takio ny sainao hanaiky fa tsy ho andevozin\'izay zavatra hamidin\'olombelona ny tenanao.

Amin\'ny alina dia vavaka ho fitahiana amin\'ny alina mba hiposahan\'ny masoandro ho anao indray ny maraina. Feno voron-kely mitsena aman-kira ho anao. Fanantenana io!

Rehefa miverina any amin\'ny namana dia ialana aloha ireo namana tia mifoka be loatra. Ireny no mpanimba dia ialana lavitra. Rehefa mihazatra miady amin\'ny saina ny vatana mitaky, izay vao mamonjy azy ireo. Hazavao aminy ny anton\'izany raha sanatria te handiso anao izy. Fikiro ny hevitra hoe tiako ny tenako ary tsinjoviko ny hafa!

Mety betsaka ny hiteny fa lafo io ary tsy manambola amin\'izany ny olona iray. Saingy kosa hoy aho fa raha atambatambatra ny vola ho laninao amin\'ny fividianana sigara sy ny aretina hotsaboina raha oharina amin\'ny io fotoana natokana ho fitiavanao ny tenanao io dia ahita fa zava-tsoa ho anao tokoa io ary tombony ho an\'ny rehetra eo anilanao. Tadidio fa manimba ny hafa ny sigara.

Mila planina raha hanao an\'io ka rehefa vonona izay vao mandeha ny vola sy ny saina indrindra indrindra. Raha tsy mahita aleha dia manoratra any amiko manokana amin\'ny mail-ko sao mba afaka manampy hevitra ny toerana tsara alehanao aho raha any Dago io na any Eropa na aty Amerika, ny ankoatr\'izay mety tsy arako. Mino koa aho fa raha tena vonona ianao dia ahita io toerana io n\'aiza n\'aiza.

Mahereza hatrany mikatsaka ny mahasalama. Efa tsara fiantombohana izao toerana misy anao izao!
4. ainaheri ( 17/01/2009 05:26)
Marina aby ny voalazan'ny soanja,zavatra kely tovonako fotsiny,miankina aminao ihany,tsy tokony ho any @ dokotera sy ny karazany ,fa raha manana finiavana enao vonona te hiala,amboary ny saina d lasa zao,sao eritreritra fotsiny nefa ny envie mbola mirakaraka d tsisy dikany,miala tsiny @ mpifoka aho fa manontany tena tsindraindray oe;inona no mahatonga ny olona tia mifoka sigara sy mampifikitr'azy tsy mety tafahala?? Noho ny soucie sy ny karazany ve? Marina mety hanampy ilay olona eo @ 5% angamba,fa ny tena ambiny azonao @ zany dia aretina,efa nisy fiezahana enao ka tohizo,atanjaho ny saina mahereza mivavaka,na koa mananjanaka enao ,manaova fianinanana(miniana) tsy eo imason'ilay zaza an,entinao manaraka anao ny sari-tapany,otran'io lazain'i soanja io,ka isaky tady azony te hifoka enao d jereo ilay sary,ka araho teny kely;"noho ianao no ijanonako mifoka",na zvtr ataona fa tsy voatery zay,mba eritreritro za samirery iny!
Zay fa mahereza
5. bichette ( 17/01/2009 22:46)
ny sevrage na inona io na inona dia mafy foana, zavatra efa nampazatra ny toe batana, efa nahazatra ny fiainana, ny vatana, ny saina sns .... ka normal ilay vatana raha mitaky ny zavatra nomena azy isan'andro ka raha tsy omena an'iny tampoka izy dia mitaraina, mijaly izy, mitady izy ary matetika tsy vitantsika ny miharitra ....
mila volonté mafy io, dia isan'andro dia manaova karazana meditation hoe / bon, andro vaovao anio, ny sigara dia mandany vola, ratsy ho an'ny fahasalamana, manimba beauté hihihi, vola main'ny afo fotsiny, ny vola laniko amin'ny sigara efa betsaka fa dia mila miala aho sns ... hiezaka aho anio tsy hifoka, .... izay no atao tarigretra isan'andro !
raha nifoka ny andro iny dia tsy kivy, fa dia hoe , j'essayerai encore demain, defi chaque jour izany e ! raha tsy nahavita omaly, adinoina iny, fa androany dia andro vaovao, mi

dia mangatà amin'Atra homeny hery koa !
6. Koditra ( 18/01/2009 12:39)
Mitaky finiavana bedabe io, ra mbola tsy ananana lé finiavana (otranà nefa zà efa h@ fahakely no nifoka, tsy mandainga lé sary :lol:) dé tsy ho afaka mitsy io. Nisy oul 1 zay saika anome anà re7 momba an'io fialàna sigara io fa tsy itako tsony izy dé aleoko alo mifoka iany mandrapahitako azy :-D
7. mpisotrtoaka ( 13/06/2019 11:16)
Za zao efa afaka toaka d io miezaka miala sigara io ndray koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3977