Resaka volan-jaza

1. ari.malala ( 12/01/2009 08:53)
Miarahaba ny rehetra, ary mirary soa ho @ ity taona vaovao ity. Misy fanontaniana kely tiana apetraka azafady.

Vao niova société iasana aho, nanomboka t@ 01/12/08. Ahoana ny momba ny volan-jaza t@ volana novembre 2007 satria ts mbola voaray to amin'ilay société taloha? Amin'izao fotoana izao dia alefan'ny CNAPS par virement any @ compte ny société ny volan-jaza, rehefa niantso ilay DAF aho dia nilaza izy fa rehefa misy vola miditra ao @ compte ny société andry zareo dia tokony mahazo avis de crédit izy, niandry azy hiantso ahy aho tsy niantso izy, izaho ve no tokony hiantso ilay DAF ilay société taloha, sa tonga dia any @ CNAOS no manao réclamation? ny manahirana ahy koa dia toa hoe tys mbola nanao avis de débauchage hono ry zareo momba ahy, ahoana no fipetrak'izany? misaotra mialoha izay afaka hanome valin-teny mahafapo :-P
2. bozyboleta ( 12/01/2009 10:41)
Na dia tsy nanao avis de débauchage aza ny mpampiasa teo aloha nefa efa nanaovana avis d’embauche t@ mpampiasa vaovao dia hitan’ny CNaPS foana ny historique-nao ary avy dia mivadika any @ mpampiasa vaovao ny compte-nao.

Raha mbola tsy niala tany @ mpampiasa taloha ianao t@ Nov, dia mbola nalefan’ny CNaPS any izany ny volan-jaza t@ iny volana iny. Azonao takiana any mihitsy ary zo-nao tanteraka izany.
Raha toa ka tsy mitaky ilay mpiasa efa niala dia tsy maintsy averin’ny mpampiasa miaraka @ le bordereau d’allocations familiales ny vola izay tsy noraisin’ilay mpiasa.
@ izay dia anjaranao indray no mitaky izany any @ CNaPS. Misy le formulaire hoe “Certificat précisant le temps de travail” asain’ny CNaPS fenoin’ny mpampiasa anao vaovao dia iny no aterinao any @ CNaPS ahafahany manao rappel le vola tsy voarainao.

Efa nanomboka t@ juin tany no efa natao virement ny volan-jaza. Tsy mandefa an’ilay bordereau iny ny CNaPS raha tsy efa vita le virement satria ao anatin’iny bordereau iny ny reference-n’ilay virement. Raha volan-jaza t@ Nov izany, fara-fahatarany t@ semaine 22/12 noefa voarain’ny mpampiasa ny BAF.
3. ari.malala ( 12/01/2009 12:53)
Misaotra betsaka an'i bozyboleta. Dia inona moa izany no tokony ataoko? miandry rappel avy any @ CNAPS? satria efa niantso ilay DAF aho t@ maraina dia nilaza hiantso ahy izy fa tsy niantso hatramin'izao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.318