Arahabaina sefo tratry ny fitsingerenan'ny nahaterahana a !

1. ikalamako ( 30/12/2008 23:07)
Raha tonga ny fetin'i Hery
Dia andrehetana jiro,
Tolorana sary sy boky,
Anaovana laoka matsiro


an an an fa :

Ny akanjo sy laoka hono tsy tiany
Ny bà fafany hatrany,
Ny tiany raha tonga ny fetiny,
TSIKY DIA AMPY ihany.


Ho tratry ny mitsingeringerina re ry sefo fa ny taona ity faranana, ianao kosa manomboka lohataona vaovao, sady taona milay ity fa hiampy ny adidy hiantsorohana ka dia mahavita be an ;-)

Bizoroka beuuuuuh

novalian'i vale ny 31/12/2008 18:27
2. Angie ( 30/12/2008 23:49)
Hery

Arabaina ampitiavana
tratry ny andro nahaterahana
Arabaina ampifaliana
tratry ny andro zay niriana

Efa vonona avokoa
ny akamanao Andriamatoa
ka miomana ihany koa
fa handihy rock tsika roa

Tsiky dia ampy hoy toi :D
Fa kiss dia ampy ho anlah :-*


3. ravatorano ( 31/12/2008 05:21)
faly miarahaba an'i hery amin 'izao fahatongavan'ny andron'ny 31 desambra izao
Mirary soa lalandava ho anaop mba hambinin javamanasatra, hahita izay katsahina ary koa ho salama lalandava fa io no voalohan karena e
Tsy d mahay poezia loatra fa aialana tsiny amin 'i ikalamako sy angie =D> ^:^

Tsiky d ampy ra hery ah !

d tratry ny farany izany ary ho tratry ny ampitso ihany koa sy ny taoana maro hitsingerina e
4. Koditra ( 31/12/2008 07:02)
Raha tonga ny fetin'Hery
Aleo tsy asiana fangalapery
fa za erahaba azy irery
iazakazahako @ kiraroko tery

Aleo ko tonga dé teneninn
mba samy ho tratry ny radem (rapitso)
Sy ny taona maro mbola ho avy
ho salama foana, mba tsy hanavy

Arahabaina sefo tratry ny fitsingerenan'ny nahaterahana a !

( Zà ary mbô gaga oe lasa nahay nampiady rima tampoka teo à noho i Sefo)
5. Fiffi ( 31/12/2008 07:06)






[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/F%EAtes/3d-emoticone-msn-cadeau.gif[/IMG]

Joyeux Anniversaire Hery....Ho tahian'Andriamanira lalandava .... :-* :-* :-*
6. heidi ( 31/12/2008 08:09)
wahhh milay be ny gatô n'i kalamako, bonanif zany sefo de bon reveillon pour ce soir! :P
7. prime ( 31/12/2008 08:41)
Arahabaina nahatratra ny fitsingerenan'ny taona nahaterahana rahalahy Hery... Andriamanitra anie hanafy hery anao ka hitahy sy homba anao hahita fifaliana sy fiadanana ka ho lava andro iainana sy hahazo ny anjara tsara rehetra avy amin'Andriamanitra... :)
8. naritsimba ( 31/12/2008 08:53)
Raha tonga ny fetin'i Hery
Dia andrehetana jiro,
Tolorana sary sy boky,
Anaovana laoka matsiro

Ny akanjo sy laoka hono tsy tiany
Ny bà fafany hatrany,
Ny tiany raha tonga ny fetiny,
TSIKY DIA AMPY ihany.

ikalamako>>> mbola mahatadidy ianao izany. an!
dia mirary fety mahafinaritra ho an'i hery izany eh!

9. hery ( 31/12/2008 09:20)
Misaotra daholo e

Dia mitsikia daholo indray ary e
http://tinyurl.com/8tzjrr

10. yonikafopl ( 31/12/2008 09:22)
Arahaba tratran'ny andro androany
fitsingerenan'ny taona nahaterahanao
ho andron'ny TSIKY hatrany hatrany
Ka ho lavoray avokoa izay rehetra hatao


Ka TSIKY DIA AMPY no atolotro
TSIKY vokatry ny fo
TSIKY ho fiarahabana
TSIKY feno fanantenana.

Ka bonaniversera ianao sefo
Ho tratry ny taona vaovao
Ho taompahasalamana fa tsy harefo
Ho taona'ny TSIKY DE AMPY hoy ianao.
11. ikalamako ( 31/12/2008 09:49)
12. yonikafopl ( 31/12/2008 10:58)
hhhhhhihihihihihih zao tsikin'ikalamako zao kosa kalou annnn :-D
13. booboo ( 31/12/2008 11:18)
ilay tsikin'Ikalamako kounkou tena =)) =)) =))

Bônaniversera Hery, hifanantitra @ zafi-paladian-tserasera hihihihihi. Mirary soa indrindra, fahasalamana ary ho tontosa soa aby izay kasaina rehetra.
14. tywa68 ( 31/12/2008 11:22)
bon anniversaire Hery a ! d mirary soa mitafotafo ho anao e ! :D :wink:
15. kelly13 ( 31/12/2008 11:43)
joyeux anniversaire d mitomboa fahendrena :°)
16. Andribe ( 31/12/2008 11:55)
Miarahaba tratry ny taona fitsingerenan'ny nahaterahanao ianao andriamatoa hery ,hahaleo hahalasana ary ho lava andro iainana.Avy amin'ny mpiserasera,Andribe , Andriarak ,Ndjenn,Andriamby,Vyboti,Nina,Christallina,...,de ho tratry ny taona maromaro hitsingerina koa. 8) 8) 8)
17. ftma ( 31/12/2008 12:29)
joyeux anniversaire Hery dia ho tratr'antitra :wink:
18. mia ( 31/12/2008 13:02)
Arahabaina tratry ny fitsingerenan'ny taona nahaterahanao! mahazoa izay irina rehetra :-*
19. Noue ( 31/12/2008 14:28)
bon annif eeee :) :-* :-* :-*
20. vale ( 31/12/2008 18:27)
Faly miarahaba an'i Hery izany ôooo,ho tratry ny mitsingeringerina!!! :-* :-* :-* :-* :-* :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3363