indray andro(tsy hono ity a!)

1. rova30 ( 17/12/2008 23:10)
Tantara kely niserana tamin\'ny fahazazana, (fahagola) :-P ka mba zaraiko aminareo eto.

Indro ary:

Tolak\' andro tsy fianarana tamin\'izay ka mba tafavory izay ankizy manodidina, ary tapa- kevitra fa hilalao ANKISITRIKA na KISITRISITRIKA :tsy haiko izay tena filaza azy!

Izany hoe (hazavaiko tsotsotra) : Izay iray voafidy antsoina hoe boka no voatery mitady ny rehetra, ary izay tratrany voalohany dia miara-mitady ny sisa tsy mbola hita , dia ohatr\' izay hatrany...Saingy ny indro kely :oops:

Samy nikoropaka niparitaka nitady izay toerana hisitrihany daholo izahay rehetra ka tafiditra tamin\'ity lakozia aho ,ary hafaliana moa izany ny ahy namonjy niditra ity horonan-tsihy iray tery anjoron-trano manankaiky ny varavaram-be!
...nony afaka minitra vitsivitsy (niandry aho ka niandry, na ny fofon\'aiko aza, ohatran\'ny lasa niadana tsy fidiny izany : psikolozika angamba?)

:!: nivoha tampoka ilay varavarambe teo ankaikiko, saingy tsy ireo ankizy nandrasako hitady ahy no niditra sady nanakatona ilay varavarana saingy ilay raimpianakaviana tompontrano nisitriako; saika tonga aho dia nivoaka ilay horonan-tsihy , saingy tara loatra :oops:
Tonga rangahy dia naka toerana teo ambony ankalana tery ampitan\'ny horonan-tsihy:tsy hitako intsony izay natao , ka dia namitsaka sisa no hany hery! lasa ihany koa ny saiko hoe :mba inona ary no ataon\'ity rangahy lehibe irery mihidy trano ato, amin\'izay tsy efitra hafa fa lakozia ?!

Navoakany avy any am-paosiny ireto taratasy manify,ny ataony tao anatiny ary ny briké handrehetany ilay sigara , dia nifoka, nifoka...{\'Tsy nanan-tsaina velively mihintsy hoe MISY MASO ROA MIJERY ANAO }

Fa izaho irery tao anaty horonan-tsihy no saika tapaka lalan-drà tsy fidiny:

:roll: sady mivavaka mangina \"mba tsy hievina tampoka\"
^^ ...no maniry dia maniry ihany koa ny ahatapitra haingana ity SIGARAn\'ilayrangahy!
Vita ihany ny nataony, ary dia lasa nivoaka izy, fa izaho kosa efa volana maro taty aoriana vao nahalala hoe hay hono ity rangahy efa fantatry ny olona fa mpifoka rongony hatry ny ela!
INDRISY! na ilay zanany namako aza, tsy nitantarako izay hitako tao!

DIA IZAY ;-)
novalian'i tia-vaza ny 15/12/2010 15:23
2. kotobekibo ( 17/12/2008 23:38)
Ojyyy!!! mba tsy dôzy niaraka t@ lery tao aza njy kouh ! :-D :-D :-D
3. rova30 ( 17/12/2008 23:47)
Asa na dôzy ,na anestezian'ny tahotra ? ...fa tsy dia tsaroako loatra izay nivoahako tao amin'ilay lakozia! :-D :-D
4. kotobekibo ( 17/12/2008 23:59)
mampatsiaro ahy ny fahiny ity tantaranjy ity , fa ny ahy injay t@ izany d bandy sy rôla no revy . Izay tratra d baboana eny @ camps -n'ny tsirairay misy camps 2 ho an'ny 2 tonta mpifanandrina . Ny an'ireo adva -nay moa tery ambody hazo eo amoron'ilay lalan-kely izay . Fatorana ny babo ary ny akamanao no mamonjy avy eo .
Loooza fa tratra hariva teo aho ( azo babo ) , ny ankizy efa lasa nody dôly , ny taina mbola zaza 10taona , ny andro efa mihamaizina , soa ihany fa sendra nisy nandalo d nantsoiko hoe mba tapaho ity tady ity azafady . Tonga tao antrano mbola voabedy koa en + fa hoe taiza no tsy mahalala mody . :roll:
5. rova30 ( 18/12/2008 00:12)
:-D Ny aza tratrany ihany aloha e!

Amin' izao vao ihomeheza fa hmm...segondra iray mila tsy hifarana :oops: ririnin-dasa MBOLA tsaroana :-D
6. kotobekibo ( 18/12/2008 00:47)
rova30:

:-D Ny aza tratrany ihany aloha e!

Amin' izao vao ihomeheza fa hmm...segondra iray mila tsy hifarana :oops: ririnin-dasa MBOLA tsaroana :-D


ihomehezana ilay zvt izao fa t@ izany tena mangovitra raikitahotra mihitsy kouh! sady ny mpangala-jaza bdb . Sady miantso ihany no matahotsa hoe sao d fahon'ity any zà . :-o
7. ikaretsaka ( 18/12/2008 22:19)
ny anay mahamasina moa no tokotany filalaovana shefa tsy any bira,, t@ izany tsary mbola nisy palais de sport fa lalantsoavaly si lobolobo ko ainy de eny anay ro manao bandy sy rol... fa teny koa no anisan'ny nanovozana ny fianarana ara-pananahana fa mbola 11 sy 12 taona t@ izany de le miafina any anaty lobolobo de tsy zahay ihany kay no miafina ao anaty lobolobo ao fa ny mpifankatia izay nanao ny ataony koa! :-D
8. rova30 ( 20/12/2008 15:24)
Tandremo rankizy fa ny devoly dia mitarika mankany amin'ny maizimaizina!

ika izany notaritiny tany amin'ny lobolobo.
9. vale ( 21/12/2008 23:56)
ikaretsaka:

ny anay mahamasina moa no tokotany filalaovana shefa tsy any bira,, t@ izany tsary mbola nisy palais de sport fa lalantsoavaly si lobolobo ko ainy de eny anay ro manao bandy sy rol... fa teny koa no anisan'ny nanovozana ny fianarana ara-pananahana fa mbola 11 sy 12 taona t@ izany de le miafina any anaty lobolobo de tsy zahay ihany kay no miafina ao anaty lobolobo ao fa ny mpifankatia izay nanao ny ataony koa! :-D



:-D :-D nanao dada sy mama ve? :-D :-D :-D
10. kotobekibo ( 22/12/2008 09:37)
rova30:

Tandremo rankizy fa ny devoly dia mitarika mankany amin'ny maizimaizina!

ika izany notaritiny tany amin'ny lobolobo.


D zà koa v izany devoly :twisted: satria mitarika any @ maizimaizina ( sinemà )
:-D :-D :-D

ika > hay v tsy zahay irery no nanao izany taloha e! ref manao rakiafina d matetika mitranga io zvt io , mifanararaotra mifanoroka :-P
:-D :-D :-D
11. ikaretsaka ( 22/12/2008 20:50)
ilay mpivfnkatia efa lehibe ireny izany ka.. ohatra hoe mpianatr'i galieni na ireny lycee hafa avy manao gym ka mpisipa dia manao dada sy mama ao anaty lobolobo ao k'aloha alohan'ny mody na miverina an-dakilasy .. dia zahay ny bandy kely 11 12 ans manao couchez vous @ bandy sy rol sady lasa manana extra basy tsy fidiny mahita ny ataony :-D
12. rova30 ( 23/12/2008 10:09)
:roll: ...lasa manana extra basy tsy fidiny :-D :-D :-D

Tsy mihomehy loza aho fa....11 12 ans (tokony mba le tsipôpôka filalaon'ny ankizy amin'ny fety 26 jona no nataonareo grenady tany) Iny mety mba misy effet direkta koooo!
13. ikaretsaka ( 23/12/2008 17:47)
Mahamasina 1 sy iny @ le tohatohabato avy eo mahamasina miakatra any @ cathedrale andohalo iny.... no tena nianaranay ny education sexuelle @ ireo tableau vivant hita eny hataon ireo mpianatra zokiny
14. tia-vaza ( 15/12/2010 15:23)
mpifoka rongony koa ve dia atao mahataitra !!! ra mifoka izy problem any zany poin final !!! ataovy fotsiny zay ahitana ho anina sy hitafina tsara ary hananana trano aradalàna tsara dia mipetra tsara any aminizay misy anao !!!! si je doi prendre en compte tt les drogués ke je croiz ds la rue, et bien on n'est pa couché !!!! hitamintsy hoe tambany vao niakatra tony !!!
rova30:

Tantara kely niserana tamin\'ny fahazazana, (fahagola) :-P ka mba zaraiko aminareo eto.

Indro ary:

Tolak\' andro tsy fianarana tamin\'izay ka mba tafavory izay ankizy manodidina, ary tapa- kevitra fa hilalao ANKISITRIKA na KISITRISITRIKA :tsy haiko izay tena filaza azy!

Izany hoe (hazavaiko tsotsotra) : Izay iray voafidy antsoina hoe boka no voatery mitady ny rehetra, ary izay tratrany voalohany dia miara-mitady ny sisa tsy mbola hita , dia ohatr\' izay hatrany...Saingy ny indro kely :oops:

Samy nikoropaka niparitaka nitady izay toerana hisitrihany daholo izahay rehetra ka tafiditra tamin\'ity lakozia aho ,ary hafaliana moa izany ny ahy namonjy niditra ity horonan-tsihy iray tery anjoron-trano manankaiky ny varavaram-be!
...nony afaka minitra vitsivitsy (niandry aho ka niandry, na ny fofon\'aiko aza, ohatran\'ny lasa niadana tsy fidiny izany : psikolozika angamba?)

:!: nivoha tampoka ilay varavarambe teo ankaikiko, saingy tsy ireo ankizy nandrasako hitady ahy no niditra sady nanakatona ilay varavarana saingy ilay raimpianakaviana tompontrano nisitriako; saika tonga aho dia nivoaka ilay horonan-tsihy , saingy tara loatra :oops:
Tonga rangahy dia naka toerana teo ambony ankalana tery ampitan\'ny horonan-tsihy:tsy hitako intsony izay natao , ka dia namitsaka sisa no hany hery! lasa ihany koa ny saiko hoe :mba inona ary no ataon\'ity rangahy lehibe irery mihidy trano ato, amin\'izay tsy efitra hafa fa lakozia ?!

Navoakany avy any am-paosiny ireto taratasy manify,ny ataony tao anatiny ary ny brik� handrehetany ilay sigara , dia nifoka, nifoka...{\'Tsy nanan-tsaina velively mihintsy hoe MISY MASO ROA MIJERY ANAO }

Fa izaho irery tao anaty horonan-tsihy no saika tapaka lalan-dr� tsy fidiny:

:roll: sady mivavaka mangina \"mba tsy hievina tampoka\"
^^ ...no maniry dia maniry ihany koa ny ahatapitra haingana ity SIGARAn\'ilayrangahy!
Vita ihany ny nataony, ary dia lasa nivoaka izy, fa izaho kosa efa volana maro taty aoriana vao nahalala hoe hay hono ity rangahy efa fantatry ny olona fa mpifoka rongony hatry ny ela!
INDRISY! na ilay zanany namako aza, tsy nitantarako izay hitako tao!

DIA IZAY ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1284