You are here: home > Forum

Hemorroïde

Lohahevitra : Fahasalamana
Fitohizan'ny hafatra : Hemorroïde
Valiny : 8
xxx - 10/12/2008 10:18
Sao dia mba misy mahalala ody hemorroïde . Nataoko hoe "ody" fa tsy "fanafody " satria zavatra "tsy chimique" no tadiaviko. Mbola hemorroïde kely ilay izy

Misaotra
Valio | Miverina eny ambony
Noue - 14/12/2008 09:37
aleo mijery mpitsabo eee
Valio | Miverina eny ambony
yonikafopl - 14/12/2008 11:40
za nanafatra homeopharma tany Dago fa nety tsara, fa aza manena be fotsiny refa mikapa hihihih, de aleo mikapa am fotoana tsy miova, mila mizatra fotsiny am volou de avy eo mande ho azy, mahereza minana voankazo sy legioma
Valio | Miverina eny ambony
veromahefa - 18/12/2008 12:44
Ny natoron'ny dokotera ahy ary arahako hatram zao rehefa mihetsika izay izy...
Misy fambara maromaro ny hemorroïde :
1° mangidihidy ny lavabody
2°rehefa miha marary izy , dia misy rà velona miaraka amin'ny fivalanana
3°ilay mipotsaka ety ivelany

Ny atao : ( amin'ny fotoana mampihetsika azy fa tsy hoe tena tsy hihinana ireno intsony ianao)
- tsy mihinana na misotro zavatra "excitant" (café, sakay, épices isan-karazany)
- tsy mihinana sakafo mampi-piriritra (laxatif) : papaye, voamadilo, sns...
- tsy mihinana zavatra mampitohana koa anefa mba sy ho "constipé": chocolat,
- tsy dia tsara koa ny voamaina amin'ny fotoan fihetsehan'ny hémorroïde

Ankoatra izay :
- tsy manao vizana
- rehefa avy mivalana dia misasa am rano sy savony tsotra (tsisy asidra) fa tsy mifafa amin'ny taratasy
NB : misy anefa tranga tsy maintsy hoe opérer-na ohatra raha tena efa giravy.
Mirary fahasalamana
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 19/12/2008 10:08
Misaotra betsaka anareo rehetra

Eo @ ilay 1° aho izao , miaro havizanana be ilay ahy angamba , @ maraina izy tsy reko fa @ hariva vao manelingelina (mangidihidy manorisory)

Voatery nandeha tany @ doko ihany afak'omaly, ny zavatra tena nahavariana ahy nolazainy dia hoe ity chauffage chauffage ity kay anisan'ny mampihetsika azy koa satria mampisy dilatation des veines

Mila mitandrina tsara @ sakafo @ izao fety izao izany

Mirary soa e
Valio | Miverina eny ambony
diamondra27 - 19/12/2008 13:50
ie anisany pb na veine ny hemoroida, efa voalaza tetsy ambony ny tokony atao sy fambara , hofanampiana azy dia misy we anatiny sy ivelany ry zareo ka izany rehefa mihetsika toa tsy maintsy fanafody simika ihany ngamba no ampiasaina e.
Ny fampiasanay ihany koa am olona marary dia misy creme ahosotra na refa tena crise be iny le mivoaka hoe dia misy mampiasa dobera de atsofoka any le mivoaka iny mandrapahita dr io an, misy suppositoire izay koa omen'ny dr de misy tube ahosotra

raha ilay mivoaka iny izy ka efa misy maratra dia manaova rano mafana be izay zaka ataovy amin'ny gant de toilette dia iny hisasana, tandremo sao de mitsovaka eo an, apetapetaka aloha raha tsy tanty dia izay vao apetaka elaela rehefa tanty iny ilay hafanan'ny rano dia sasaina le gant de a repeter le geste fa mananmpy mi cicariser azy iny
Valio | Miverina eny ambony
jejojejo - 19/01/2009 15:43
xxx
Sao dia mba misy mahalala ody hemorroïde . Nataoko hoe "ody" fa tsy "fanafody " satria zavatra "tsy chimique" no tadiaviko. Mbola hemorroïde kely ilay izy

Misaotra



Misy hevitra iray farany izay tsotra: misasa tsara amin'ny savony dia somary rorana ny fanondro dia ampidirina any anatiny ilay mivoaka raha mbola tsy dia grave. Dia mitsotra mialasasatra kely après sady fintinina ny sphinctere (sahala @ miaritra te hivoaka). Tsy atao maharikoriko na hoe barbar ny rora, sy suppo sy crême manko malama ka miporotsaka indray ilay petit bout. Tsy misy produit chimique io nefa mahomby!!!
Valio | Miverina eny ambony
tcyn629 - 06/02/2020 14:19
Salama... Fa ilay hemoroida vé marary...? Zah manko miertreritra hoe voan'io satria misi somari mibotsina keli avi ani anatini ni anus-ko nefa lay izy tsy marary tsy mangidihidy... Ny caca normal tsara, fa marary kely ny hivoaany ao Sady misy rà manaraka ???
Valio | Miverina eny ambony
tcyn629 - 06/02/2020 14:20
Salama... Fa ilay hemoroida vé marary...? Zah manko miertreritra hoe voan'io satria misi somari mibotsina keli avi ani anatini ni anus-ko nefa lay izy tsy marary tsy mangidihidy... Ny caca normal tsara, fa marary kely ny hivoaany ao Sady misy rà manaraka ???
Valio | Miverina eny ambony