Namidy sa nahofa ny 1.380.000 ha n'i Madagasikara?

1. kally ( 20/11/2008 10:06)
Asa izay hevitrareo fa reko io maraina io fa nampanofaina ny koreanina mandritry ny 99 taona 1.380.000 ha amin'ny velaran'i Mdagasikara.
Tsy hitonona ho miaro aho na mandaka an'io fa aleo ny hevitrareo no hilaza azy.
novalian'i xxx ny 06/02/2009 06:24
2. fahamarinana ( 20/11/2008 10:20)
:arrow: tsy misy rohy ahazoana vaovao++ ve any ho any kally ,raha afaka apetraka eto dia avy eo mamelabelatra kely izay takatry ny saiko aho.Misaotra mialoha. :) (l)
3. nirasia ( 20/11/2008 12:00)
Ny zavatra mampihazohazo sahala @ izany ry baina no hilana ny mpanohitra eny Iavoloha @ izao conférence de président izao saingy indrisy fa tsy mety maneho ny zavatra tadiaviny sy ny tsikerany ary ny zavatra hitany fa tsy mety ry zareo nefa fotoana izao fa tsy eny @ trottoir na mitabataba etsy sy eroa no atao, raha any nefa ny mpanohitra no milaza ny heviny dia tena heno @ fomba ofisialy daholo sy mba misy lanjany tsara daholo izay lazainy ary hisy mpihaino izy, ts'isy valeur ny mpanohitra malagasy e, mikasika ity zavatra nolazainao ity indray dia izao kosa aloha isika Malagasy kamo, aza lavina izay an, izaho izao lazaiko @ ise fa sady mpiasa birao mandray karama isam-bolana no mamboly any @ faritr'i Mangoro iny, ny tany malalaka eto amintsika ka maninona ireo olona ts'isy atao ireo raha mba mandeha mamboly sy miompy toy izay hanabe isa ny vava homana nefa tsy hamokatra dia farany lasa lalaovin'ny mpanao politika fotsiny asa raha mbola diso koa izaho @ izany fiteniko izany, ka raha misy olona ary ve vonona ny hanamainty molaly ny tanintsika rehefa tsy hanao ny Gasy, dia maninona no mitabataba? rehefa hitsikera dia lohalaharana daholo isika, izay no maha-francophone antsika r'ise a (hypocrite), mbola lavitra be isika mihoatra @ anglophone.
4. Samoana ( 20/11/2008 16:56)
oayiii!! 67 ha an'arivorivony izany letia hihihi! Afaka 100 taona izany isika indray no hanofa avo firy heny @ koreana lasa gasy taratasy? Mbola tsy hay koa ny ambadika efa nojokojokoin'ny sinoa raha izany no marina!!
5. xxx ( 20/11/2008 16:59)
amidin'ny ry sinona am kely foana otran'ny hakelin'ny masony ihany ilay gasy kely, tena tsy mamely aloha raha tanteraka izany e!
6. paingotra ( 20/11/2008 17:04)
kally:

Asa izay hevitrareo fa reko io maraina io fa nampanofaina ny koreanina mandritry ny 99 taona 1.380.000 ha amin'ny velaran'i Mdagasikara.
Tsy hitonona ho miaro aho na mandaka an'io fa aleo ny hevitrareo no hilaza azy.



akory! henoko tokoa io vaovao io ary faly aho satria matoa izy nanofa io dia fantany fa mahavokatra io tany io, fa ny mampalahelo ahy fotsiny dia hoe nahoana kay ny Malagasy no tsy mamboly ilay izy! Marary ny fon'ny olona mahare ilay izy nefa teo ilay tany tsy nisy niraharaha! Hatao horirik'Ambohimanambola ve izy ity? Izao izy mety hanome asa na olona vitsivitsy fotsiny aza, sitrany ahay vaza mihetsika hoy ny fiteny! Mety ho diso aho hoy ny olona nefa aleoko ilay tany volen'ny vahiny toy izay ho lava volo fotsiny eo, tsy azo hohanina anie rey olona ny bozaka e!
7. sitlo ( 20/11/2008 20:00)
Tsy hoe tsy misy miraharaha fa tsy ampy sosy anombohana. Sady izay koa ny antsika, raha malagasy no mila ravinahitra mamboly any amin'ny toerana hafa dia tsy azoazon'ny tompon-tany.

Fa raha ilay resaka 99 taona dia efa ela isika no nanaiky ny hisian'izany. Bail emphyteotique no fiantso azy.
Fa ny tena tsy tiako tamin-dRavalomanana dia ny nanovany ny lalàna hoe mahazo mividy tany ny vahiny mpampiasa vola. Tsy voafetra 99 taona izany fa hisy Korea kely ao Madagasikara, dia US kely, dia Chine kely...
Ilay député koa amin'izay tsy nisy sahy nijoro fa tonga dia ekena daholo. Koa raha tsy hoe TIM dia izay tenenin-dRavalo dia mety daholo koa. Dia ilay arema hono mba nanohitra dia ny fanoherany hoe: aleo tsy misy tonga amin'ny fotoana fananganan-tanana. Ny mpanao politika antsika toa ny filoha ihany no mitondra an'io.
8. lembelo ( 20/11/2008 22:28)
TSISY RATSANA INTSONY NY TONGOTRAVIAKO.
Taitra tokoa aho namaky "Le Monde" io hariva io ary niorona ny hodidohako nahita ny saritanin'i Madagasikara misy pentina roa ngezabe hoe ahofa maimaim-poana amin'ny Koreana.
Niezaka aho nitrandraka izay lafitsarany :
Fa tsy efa nofinofin'ny taranaka nifandimby ve ny hampanjary an'i Bongolava, hatramin'ireo mpanjanatany, na ny repoblika voalohany sy ireo kiriolona tao Sakay, na ny repoblika faharoa sy ny Komity Miaramila amin'ny Fampandrosoany - nampandroso ny azy tokoa moa izy - sns ?
Tsy aleo koa ve miaraka amin'ny koreana tatsimo sy ny 4*4 n-ny, fa mba inona ny navelan'ny "Masoandro be Lohataona Mamy Hoditra Kim-Il-Sung tamintsika hafa-tsy lapa-panjakana iray sy vatapati-na Mig maromaro
Matevina loatra anefa ny ahiahy satria tsy mba nisy teny iarana, na fampahalalana kely akory fa resaka tsy vaky masoandro, natao tao andamosin'ny vahoaka malagasy.
Fifanarahana vita tamin'ny volana jolay, ny "Financial Time" 20 novambra sy Le Monde 21 novambra no afantarana azy :
Nankaiza ny "solombavam-bahoaka" sy ireo olomboafidin'ireo faritra ireo ?
Nangina ny mpanohitra sy mpilalao politika samihafa ?
Variana amin'inona ny gazety (namoha ireo gazety malagasy aho fa tsy nisy resaka, mpivaron-kena namono tena tao Androndra no matoan-dahatsoratra)
Ary ny Fiangonana ? variana amin'ny tsinaoda-tsinaodany sa voavidy vola koa ?
Kely dia kely koa ny finoako hoe ahafantatra misimisy kokoa ny mikasika ity.

9. xxx ( 06/02/2009 06:24)
maro ny malagasy tsy an'asa
maro ny mpamboly tsy afa-mamboly fa tsy misy ny atokona
maninona no tsy avondrona ireny, dia mindram-bola ny fanjakàna hividianana masomboly sy zezika dia mamboly izay tokony nambolen'ny koreana tamin'io toerana io, dia amidy am koreana zay vokatra eo, dia averina tsikelikely ny vola nindramina e?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9127