Ny vola?

1. lemenakely ( 11/10/2008 18:22)
Tsy ananana toa enjehin ny olona, ananana mbola enjehin ny olona?

Hatraiza ny fetranao Ravola hoy ilay hira..
2. vale ( 12/10/2008 00:02)
iria-mahaory !!! :-D :-D :-D , aleo ihany antonony, de mba milamina ny saina fa rehefa sendran'ny mpanendaka sy mpamono oul koa ny tena loza! ah! :^) :^) :^)
3. Herimiafina ( 12/10/2008 00:40)
lemenakely:

Tsy ananana toa enjehin ny olona, ananana mbola enjehin ny olona?

Hatraiza ny fetranao Ravola hoy ilay hira..

Ka tsy manana tsinona be fangataka, moa manana be dedadedaka, dia tsy revin'ny olona knou.
Ny tena tsara rehefa tsy manana dia miary, rehefa manana indray dia maontina tsara, dia tsy misy koi
4. ainaheri ( 12/10/2008 06:00)
Ny fetrany toa tsy misy ka...Satria ny manana ariary 10 te hanana 20,d ny manana 20 te hanana 50 d hatrany hatrany....Ny kely zany te hampitombo ny eny antanany ,ny efa manana mou mbola tehanam-be ...Nefa refa diso manana loatra mampitaintaina andro aman'alina,na ny antonony aza!!
5. lemenakely ( 12/10/2008 06:19)
Herimiafina:

lemenakely:

Tsy ananana toa enjehin ny olona, ananana mbola enjehin ny olona?

Hatraiza ny fetranao Ravola hoy ilay hira..

Ka tsy manana tsinona be fangataka, moa manana be dedadedaka, dia tsy revin'ny olona knou.
Ny tena tsara rehefa tsy manana dia miary, rehefa manana indray dia maontina tsara, dia tsy misy koi



Ny sinoa aloha hitako DISCRETS raha resaka fananam bola , tsy mba midedaka izany ry zareo!..n aiza n'aiza toerana misy azy ireo


6. karinah ( 12/10/2008 08:17)
fa ny gasy kosa....... :-D :-D :-D :-D :^)
7. lemenakely ( 12/10/2008 08:36)
karinah:

fa ny gasy kosa....... :-D :-D :-D :-D :^)


Aoka fotsiny!...Sendra nandona tsy nahy peugeot 406 na gasy aho teo Analakely nanao créneau ..Tsindry re izany ..vava !!Tsy fantatr ialahy angaha izaho ..Mahatsiravina!

8. karinah ( 12/10/2008 11:51)
:-D :-D :-D :-D tsy miala io resaka tsindritsindry io ah!hihihihih :wink:
9. ni81 ( 12/10/2008 12:07)
hoy lemenakely
Tsy ananana toa enjehin ny olona, ananana mbola enjehin ny olona? Hatraiza ny fetranao Ravola hoy ilay hira..
Dia indro ny mpanakanto mamaly manao hoe:lol:

Ny maha olona dia ny fanahy,
ny vola kosa hono, io no maha-rangahy,
Ireo vazaha milaza, tsy miambatrambatra
fa ny vola hono tsy mahasambatra.

Misy kosa anefa hafa fisainana,
milaza fa ny vola hozatry ny fiainana,
dia ezahany andro aman'alina
ny hanam-bola be, vola aman'alina.


Ny fitiavana aza, azo mora hono
raha ny vola no ataonao jono
izay voany manao be rapaka
ka voasaringotra, izay vao tsy afaka.

Nony ela anefa lany ihany ny vola,
injay koa ilay fitia fa zary tola,
irony tositosy mivadika ho latsa
tsy misy intsony mantsy, lany teo ny patsa

Hariva ny andro, tonga ny aizina
Rafahafatesana eo, tsy azo laizina
Tambazam-bola be, tolorana harena,
Rafahafatesana... mihenahena !

Lambamena fito, lambamena sisa
ary voninkazo maro tsy hita isa
no manaraka hatrany am-pasana
fa ny vola be momba ny lasana

Vola o hatraiza moa no fetran'ny herinao ?
Vola o, ny olona rehetra manaiky anao,
manompo anao.

Vola o, hay va re misy fetra, ny herinao
Vola o, ny olona rehetra
manompo anao andevonao.
10. naughtyboy ( 18/10/2008 14:11)
mafinaritra le tonokalo ka =D>
fa zao e nena tsy ataoko manana lanja b loatra ny sosy na de laharampahamehana aza fa reveko fotsiny @ le tenimbaza oe ny vola de manompo tsara fa mpampianatra tsy mamely/money is a good servant but a bad teacher..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.003