Famadihana

1. Alaina ( 11/10/2008 09:59)
Fomba malagasy tsy misy izay maharatsy azy ny famadihana ho an'izay manao azy.
Kanefa toa lasa fandaniana be sy fitadiavana voninahitra ankehitriny.
Tsy maintsy ilaina ve sy tsy maintsy atao ve ireny karazam-pandaniana maro isan-karazany ireny?
Inona no tena mahatonga ny fanadihana (Famonosan-damba ny razana) ho lasa fomba tsy manitsy atao?
novalian'i ni81 ny 21/07/2009 11:12
2. Noue ( 11/10/2008 12:31)
dia tsy aiko indray aloha zany aaaaa ! fa io dia samy manana ny fombany eee
3. ainaheri ( 11/10/2008 12:42)
Dinika efa nandeha....

Raha misy ny atao tsy itako izay olana,fa saingy misy ao @ fianakaviana sasany zay zara raha mahatody ny faran'ny volana ny karamany, dia tsy maintsy mandoa sinon tsy mahazo milevina ao,hany ka mamorona ny tsy misy ilay fianakaviana,hidiran-trosa tsy fidiny...izay no itako lafy ratsiny!!
4. ssendra ( 11/10/2008 14:56)
Alaina:

Fomba malagasy tsy misy izay maharatsy azy ny famadihana ho an'izay manao azy.
Kanefa toa lasa fandaniana be sy fitadiavana voninahitra ankehitriny.
Tsy maintsy ilaina ve sy tsy maintsy atao ve ireny karazam-pandaniana maro isan-karazany ireny?
Inona no tena mahatonga ny fanadihana (Famonosan-damba ny razana) ho lasa fomba tsy manitsy atao?


izaho koa aloha dia tsy de liana amin'io marina mihitsy ny volazanao
indrindra amzao fotoana izao dia lasa fisehoana no tena izy am sasany
izahay tsy mba mamadika ary tsy manolo lamba izany fa refa maty dia maty
izaho tsy dia tia mamangy fasana loatra, anefa tsy nisy zvtr niantraika teo am fiainana raha tsy manao an'io
tsy votery hoe tsy maitsy hatao kosa aloha e!


:^) :°)
5. Herimiafina ( 11/10/2008 14:58)
Alaina:

Fomba malagasy tsy misy izay maharatsy azy ny famadihana ho an'izay manao azy.
Kanefa toa lasa fandaniana be sy fitadiavana voninahitra ankehitriny.
Tsy maintsy ilaina ve sy tsy maintsy atao ve ireny karazam-pandaniana maro isan-karazany ireny?
Inona no tena mahatonga ny fanadihana (Famonosan-damba ny razana) ho lasa fomba tsy manitsy atao?

-Fanajana ny ray amandreny sy na efa lasan-ko razana aza izy ireo.
-Fihavanana, sns.
Misy antony betsaka ny fanaovana famadihana, ka mety tsy ilay fomba no ratsy fa izay ao antsain'ilay manao azy, mety entiny hahatsiarovana ny lasa nefa koa mety entiny hitadiavana voninahitra, sns.
Azonao atao koa anefa ny manao sakalava diso, izany hoe manararaotra ny fasana mivoha dia mamono lamba ny razambe efa ao. :^)
6. rafitia ( 11/10/2008 15:39)
zah koa mitovy hevitra @ herimiafina fa ampiako hoe fotoana hifankahitany fianakaviana io fotoana io satria ny fitadiavana mahazaka maniraka
7. karinah ( 12/10/2008 08:42)
ie, fotoana hifankahitana sy hifankalalan'ny mpianankavy, fa ny indro kely de misy oul mampamorona ny tsy misy ny sasany mihintsy fa hoe tsy maintsy manao fety hono! azo atao tsara anefa ny mamono lamba fotsiny de samy vita avy eo! nisy mpanampinay(lahy) izay taloha tadidiko tsara fa isaky ny famadihana de volana vitsivitsy mialohan'ilay famadihana izy tsy mety mandray karama fa sinon tsy ampy hanaovany ny adidiny hono, satria na misy na tsy misy, ny vatan-dehilahy tsirairay any amin-dry zareo tsy maintsy mandoa ny adidiny, ary de mamorona nytsy misy mihintsy izy! izay le ratsy be!! Misy oul miompy sy mamboly fatratra ery, de rehefa tonga ny famadihana de amidy aby , anefa vola tokony hahavita zavatra be , raha toa ka ahenany ilay adidiy tsy maintsy ataony...mhhhh
8. Zafimananadrazana ( 20/10/2008 09:28)
Izahay aloha tsy manao famadihana ka tsy dia hitako loatra ny horesahina amin'io. Rehefa manao famadihana ve dia misy zavatra tsy maintsy harahina? Tsy maintsy fetibe, hanasàna olona marobe? Raha ny hevitro aloha dia toa toe-tsaina ihany ilay izy! Misy fomba mitovitovy amin'io amin'ny toerana hafa eto Madagasikara: Fahanjaza na lanonana any amin'ny faritra Atsimo Atsinanana izay tsy maintsy hamonoana aomby sy hanasana olona marobe na havana na tsia! Indraindray dia ny Ombiasy no milaza amin'ny olona fa tokony hanao Fahanjaza na Lanonana ny olona iray. Fa marina daholo ny fiheverana fa fomba iray hahafahan'ny mpianakavy mifankafantatra ny lanonam-pianakaviana, na Famadihana io na hafa, raha tsy izany dia ho betsaka ny hifanambady mpihavana, ny valala mpiandry fasana efa tsy misy mpanao intsony izao! Mety ihany koa ho fahatsiarovana ny zava-bitan'ireo efa maty tany aloha tany!
Izay aloha fa lava loatra fa azo ampiana amin'ny manaraka!
9. ikaretsaka ( 25/10/2008 16:34)
le intention te hifety mihitsy io fa tsy hoe voafetra @ famadihana ihany fotsiny ... ary n'aiza na aiza io hoe misy fotoana hifetena io (ny sasany fivoriam-pianakams, sambatra, fitampoha.... ) ..dia afafy ao aby ny vola aman-karena...
fa ny ankamaroan'ny any amintsika moa dia vokatr'ilay fatra -panaja ny "kitapo nifonosana sy ny loharanon-taranaka" dia lasa nifandraika @famadihana le izy satria iny no mora ahazoana ireo fianakaviana mieli-patrana
10. fijo ( 31/10/2008 21:43)
ny filazana hoe "tsimaintsy" dia laviko.fa safidy io.ka raha te hanao dia ataovy.
amiko kosa dia "fomba gasy io"ka tsara ihany raha tsy avela hovery tsy ho itan'ny taranaka intsony.
11. ikaretsaka ( 01/11/2008 01:23)
ny mahavoan'ny gasy matetika dia io te hivalandrivotra mihoatran'ny fitombenany io .. tsy voatery ho famadihana ihany fa na fandevenana na mariazy na inona ...ary isika dia anisan'ny olona tia mifety nefa indraindray tsy misy atoraka
dia isika koa tia mifaninaninana kely eny dia indraindreayt manao ny tsy eran'ny aina...
fa io fotsiny no alamina hoe mi kalkul budget dia tsy mihoatra no iny..
rehefa tsy zaka de aleo hilamina..mianara miaina ao @ sokajin'ny tena
12. bezity ( 06/11/2008 13:25)
Amiko aloha d ilaina ny famadihana e, enao mba mahita ny havanao efa lasan- korazana moa eo koa vao mba mande ny busness rehetra e: lambamena, mpihira gasy, taxi brousse sns..., fa @ tenin'i IKARETSAKA fotsiny hoe zay zakan'ny tena no atao fa tsy mandany vola-be.
13. gasyjean ( 07/11/2008 20:30)
Famadihana !!! fandaniana andro ,fandaniana harena ,fandaniana fotoana,fanompon-tsampy,finoanoam-poana,mandetika firenena anaty fahantrana ,tsy mamela ny maty handry am-piadanana.Tsy mifanaraka amin'ny baiboly mihintsy nefa raha malagasy milaza azy ho matahotra an'A/tra daholo mba mahagaga!!!
14. soanja ( 09/11/2008 14:40)
Alaina:

Fomba malagasy tsy misy izay maharatsy azy ny famadihana ho an'izay manao azy.
Kanefa toa lasa fandaniana be sy fitadiavana voninahitra ankehitriny.
Tsy maintsy ilaina ve sy tsy maintsy atao ve ireny karazam-pandaniana maro isan-karazany ireny?
Inona no tena mahatonga ny fanadihana (Famonosan-damba ny razana) ho lasa fomba tsy manitsy atao?


Manao ahoana i Alaina,

Raha ny hevitro dia tsy dia ilaina loatra ilay fandaniana isan-karazany amin'ny famadihana raha tsy ilaina ilay hetsika na asa atao handaniana izany vola izany.
Araka ilay soratra nosoratako iny dia ny hetsika rehetra mandritra ny famadihana tamin'ny andron'ny razantsika dia misy antony sy ilana azy avokoa.
Tadidio lalandava fa ny famadihana dia asa atao amin'ny vatan'ireo efa lasa ho fametrahana azy ( ny fanahiny) ho isan'ireo razana mpitahy ary handray azy ho isan'ny fianakaviambe any ankoatra ny razana efa anyy. Ny fanantanterahana izany dia mitondra filamin-tsaina ho an'ireo velona izay mihevitra fa ny asa vita sy ny fanajana ilay lasa ho isan'ireo hitahy ary izy koa manantena fa hanao izany ho azy ireo velona raha tany ka lasa izy.
Ny famadihana dia ny fifandraisan'ny velona sy ny maty; fifanajana, fanomezana hasina, fanantenana ny fitohizan'ny fiainana sy fiarahamonina any ankoatra, ka amin'ny alalan'ny asa atao no serasera amin'izany ankoatran'ny kabary atao ampahibe maso sy ny joro/ jijy/dihy mifandraika amin'io fotoana io.
Ny Malagasy taloha dia tsy mba nanana izany baiboly fa izay no fantany ho fampitoniana ny sainy sy fanomanana ny sainy handray ny fahafatesana. Io no finoana aminy. Miankina amin'ny tsirairay no maka fanapahan-kevitra na mandaitra aminy io fomba sy finoana io na tsia. Satria miankina amin'ny tsirairay ny finoana ananany.
Mino koa anefa aho fa betsaka ny fandaniam-bola atao amin'ny any ampiangonana saingy satria io no tsapan'ny iray fa mamokatra aminy sy mazava kokoa ny fipetrany satria betsaka ny fanadihadihana sy fianarana ary ny fanazavana momba izany dia manaiky ny sainy fa tsy fandaniana akory io fa fanasoavana ny tena sy ny hafa ary ho fanompoana an'Andriamanitra.
Miankina lalandava ny fandraisanao ny hafa sy ny fihenan'ny fitiavan-tena izay goavana ao anatin'ny olombelona no isehoan'ny mahaizy ny olombelona iray. Io no fototra itoeran'ny fiarahamonina na any ankoatra na ny ety ambonin'ny tany.


15. nikah ( 11/11/2008 07:41)
Amiko in-1 de tsy de hitako loatra izay importance ny ankoatry ny hoe fihaonan'ny mpianakavy .Fa toa fandaniana @ zavatra tsy misy dikany.Ny maty refa milevina dia zay fa tsy mbola hopongarina hofonosana in-1.Vola ange ry reto ny lany @ io e!Eny fa na ny fomba atao @ hamohana ny fasana fotsiny aza.Ary tena mifaninana sy mirehareha mihitsy ny sasany ,arakaraky ny isan'ny omby sy kosoa maty no voninahitra azo.Ny @ lamba amonosana ilay razana ireharehana ny hoe lamba landy,fa tsy lamba nylon......
Nefa ny vidin'ny lamba landy lafobeeeee!Ka tsy aleo ve ividianana sakafo na ampiasaina hivelomana ny vola!
Misy ny sasany izany maka irony mpanao hiragasy malaza irony dia mbola vola koa io eee!
Fandaniana @ tay antony io amiko aloha e!
16. fiafy ( 21/07/2009 10:16)
Voalohany isika dia malagasy, manana ny kolotsina sy fahendrena mampiavaka antsika amin'ny olona hafa, ankoatra izay dia misy koa ny fombafomba ihavahana amin'ny samy malagasy izay tsy hanomezako tsiny fa vaomainka aza mahafaly ahy satria manaja ny kolotsiny sy ny fanhendreny izy.

Faharoa, Malahelo ny tena fa malagasy, mahamenatra ny ataon'ny sasany ,mila ranondranony any amin'ny sasany dia manadino sy manaratsy ny an'ny tena.

ny famadihana,ny famoran-jaza,ny alavolon-jaza sns.. dia efa nisy hatramin'izay.raha tsy tianao ny famadihana de aza atao, kanefa raha manao ny iray amin'ireo ianao de- tokony hanao ny famadihana ihany koa, Ny alavolo-jaza, ny famoran-jaza, ny famadihana dia ny Dadana, na ny Mamanao,na ny Dadabenao na ny Benbenao no namorona an'izany de-tadidio ary fa ianao tsy ho hendry noho ny Ntaolo: rehefa kelikely koa de-ovay ny tso-dranon'ny Ntaolo oh: "miteraha 02 lahy 02 vavy " satria ianao mihevitra fa anao ny fanjakana sy ny hery ary ny fahefana manova zavatra, Malagasy ianao ,manana ny maha malagasy anao, rehefa hoy ny Ntaolo hoe: miteraha 07 lafhy 07 vavy" dia izay tenenina, anjaran'ny olona tsofin-drano no misaina izay ataony, fa tsy problemanao izany.

Hatramin'izay ary hatramin'izao dia vitsy ao anatin'ny taona vao mihaino ny mpianakavy ,mazava ny valiny satria tsy mandeha rano ny fiainana, fa mila vola raha mbola te-hivelona. Sahirana ny fianakaviana ka mandany ny fotoana amin'ny fitadiavana. Noho izany raha hiteny ianao hoe, andao hijery Kilalaka any antsonjombe isika fianaviana rehetra, dia misy ny vonona amin'izany , misy kosa no te-hijery an'i lola eny an-tsahamanitra satria tsy iraisana izany de afaka samy maka ho azy, raha hanao famadihana ianao, dia ny Ray be sy ny Reny be irisana no ho fonosan-damba, ny fahendrena izay nataon'ny olona rehetra talohanao toa an-dry toton, dadabe sy ny sisa no ianao vao taranaka faramparany io npo hanafoana izany. Mahamenatra, toy ny hoe ny mampiseho fanevatevana mihitsy raha manao izany.

Farany ny tanin-drazana dia mila vangiana matetika, ianao io indrindra no tsy mba mahafoy fotoana handehanana any ambanivohitra satria mihevitra ianao fa manambola de - manadino ny tany niaviana, fotoana iray koa ny famadihana ahafahana mijery ny tranon-drazana, mahafantatra ny fianakaviana. Fa ianao io de tsy ho fantatry ny olona akory raha sanatria maty tampoka, hoy ny olona hoe , tsy mba nahavagivangy ,ny tanindrazany io sakaiza io tamin'ny fahavelony, atsimpiny olona ao am-pasana ianao de tsy vitan'izany, mialangalana ny olona handray ny nofonao satria ianao mpanambola, ny olona any ambanivohitra manko tsy manam-bola.....

Ny tany niaviana no hiafarana
Izay mahavangy tian-kavana
by maha malagasy tsy ratsy fa ny sain'ny malagasy no mila amboarina,

Misaotra, tiako ny malagasy rehetra, tiako ny taniko, ary tiako ny fombaklo.


17. ni81 ( 21/07/2009 10:19)
:lol:
18. fiafy ( 21/07/2009 10:21)
Voalohany isika dia malagasy, manana ny kolotsaina sy fahendrena mampiavaka antsika amin'ny olona hafa, ankoatra izay dia misy koa ny fombafomba ihavahana amin'ny samy malagasy izay tsy hanomezako tsiny fa vaomainka aza mahafaly ahy satria manaja ny kolotsainy sy ny fanhendreny izy.

Faharoa, Malahelo ny tena fa malagasy, mahamenatra ny ataon'ny sasany ,mila ranondranony any amin'ny sasany dia manadino sy manaratsy ny an'ny tena.

ny famadihana,ny famoran-jaza,ny alavolon-jaza sns.. dia efa nisy hatramin'izay.raha tsy tianao ny famadihana de aza atao, kanefa raha manao ny iray amin'ireo ianao de- tokony hanao ny famadihana ihany koa, Ny alavolo-jaza, ny famoran-jaza, ny famadihana dia TSY ny Dadana, na ny Mamanao,na ny Dadabenao na ny Benbenao no namorona an'izany de-tadidio ary fa ianao tsy ho hendry noho ny Ntaolo: rehefa kelikely koa de-ovay ny tso-dranon'ny Ntaolo oh: "miteraha 02 lahy 02 vavy " satria ianao mihevitra fa anao ny fanjakana sy ny hery ary ny fahefana manova zavatra, Malagasy ianao ,manana ny maha malagasy anao, rehefa hoy ny Ntaolo hoe: miteraha 07 lafhy 07 vavy" dia izay tenenina, anjaran'ny olona tsofin-drano no misaina izay ataony, fa tsy problemanao izany.

Hatramin'izay ary hatramin'izao dia vitsy ao anatin'ny taona vao mihaino ny mpianakavy ,mazava ny valiny satria tsy mandeha rano ny fiainana, fa mila vola raha mbola te-hivelona. Sahirana ny fianakaviana ka mandany ny fotoana amin'ny fitadiavana. Noho izany raha hiteny ianao hoe, andao hijery Kilalaka any antsonjombe isika fianaviana rehetra, dia misy ny vonona amin'izany , misy kosa no te-hijery an'i lola eny an-tsahamanitra satria tsy iraisana izany de afaka samy maka ho azy, raha hanao famadihana ianao, dia ny Ray be sy ny Reny be irisana no ho fonosan-damba, ny fahendrena izay nataon'ny olona rehetra talohanao toa an-dry toton, dadabe sy ny sisa no ianao vao taranaka faramparany io npo hanafoana izany. Mahamenatra, toy ny hoe ny mampiseho fanevatevana mihitsy raha manao izany.

Farany ny tanin-drazana dia mila vangiana matetika, ianao io indrindra no tsy mba mahafoy fotoana handehanana any ambanivohitra satria mihevitra ianao fa manambola de - manadino ny tany niaviana, fotoana iray koa ny famadihana ahafahana mijery ny tranon-drazana, mahafantatra ny fianakaviana. Fa ianao io de tsy ho fantatry ny olona akory raha sanatria maty tampoka, hoy ny olona hoe , tsy mba nahavagivangy ,ny tanindrazany io sakaiza io tamin'ny fahavelony, atsimpiny olona ao am-pasana ianao de tsy vitan'izany, mialangalana ny olona handray ny nofonao satria ianao mpanambola, ny olona any ambanivohitra manko tsy manam-bola.....

Ny tany niaviana no hiafarana
Izay mahavangy tian-kavana
by maha malagasy tsy ratsy fa ny sain'ny malagasy no mila amboarina,

Misaotra, tiako ny malagasy rehetra, tiako ny taniko, ary tiako ny fombaklo.


19. ni81 ( 21/07/2009 11:12)
Misy tsara tokoa ilay hevitra fa misy koa tsy vita am-bava fotsiny fa mila ezaka goavana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2506