Mahavelom-bolo

1. gasyjean ( 29/09/2008 19:37)
Raha mba mijery na mamaky ireo gazety avy any Madagasikara ny tena dia otran'ny mba velom-bolo ihany raha ny vaovao miseho ao no jerena mikasika ny economie malagasy fa toa mba hoe misondrotra kely ihany hono ee,
ary an-kilan'izany koa ny fanaganana orin'asa etsy sy eroa hiarana miasa amin'ireo vahiny avy aty ivelany toy ilay vaovao farany androany,hisy fiaraha-miasa amin'ny Alemagne,coree du sud,France (corsair) ary ireo teo aloha toy ny fiaraha amin'ireo japonais, chinois.sns.mahavelom-bolo hoy aho satria raha tantareka ireo oufff! mety hidangana ny economie misy asa hoa n'ireo tsy an-asa, mety ho tasara ihany aa! Ho hita eo indray ee!!
novalian'i Fanjaibe ny 03/12/2008 03:21
2. ssendra ( 29/09/2008 20:02)
toa efa ela ihany no nisy fiaraha-miasa am vazà fa mbola tsy mandroso foana ko! ny eo ihany no eo
3. bazylou ( 29/09/2008 23:05)
diso hevitra ianao ry gasyjean,.... :-P
4. Simpona ( 30/09/2008 09:58)
Tsy fantatro aloha hoe gazety inona no novakian'i gasyjean fa izao, raha mamaky ny gazety roa samihafa ianao (indrindra tsy mitovy ny firehan-keviny) dia toa mifanipaka be ny fijerin'ireo. Toa mazana aza otran' tsy nosy iray no resahiny fa firenena samihafa. Misy ny mahita fa manga ny lanitra eto madagasikara "mapiditra vitesse supérieure", hita taratra ny fandrosoana, ... tena milay eto e, ny ankilany indray mahita fa latsaka an-katerena ny firenena, mijaly ny mpandraharaha malagasy, mikatona ny zone franche, mihamafy ny fiainana ...
Samy milaza izay hitany any amin'ny toerany avy ve sa samy milaza izay tiany holazainy?

Na izany kosa aza aloha misy ny gazety mijery mahitsy kokoa e

Fanamarihana :
1 Jereo www.vaovao.net raha te hanaraka ny vaovao eto dago ianareo any am-pita
Mazotoa e

2 Na eto am serasera aza dia efa misy fijery tsy mitovy, Sa tsy izany ry bazyl
:lol: :lol:
5. ssendra ( 30/09/2008 10:22)
ka tsy dia ilay bla bla ny gazety no henoina anie fa ireny manao izay hamarotana fotsiny ny gazetiny fa ny zava-misy an-toerana no afaka manamarina izany....
6. karinah ( 30/09/2008 10:51)
Misy ny fiovàana eh! ny anareo koa de faly hanaratsy foana, tsss, ny degat nataon'ny sasany ts tadidy intsony?!mmhhhhhh
7. karinah ( 30/09/2008 11:05)
izay indray i simpona vao hita an!!!!!!! :wink:
8. gasyjean ( 30/09/2008 12:25)
simpona: inn indray moa ny gazety mba azo vakiana avy aty fa ireny gazety en ligne ireny ihany ee ,oh:ao @ moov.mg dia misy link: midi-mada,tribune ,l'expresse ...sns dia ireo mba ahazoana vaovao.tsy haiko raha misy hafa.
9. ssendra ( 30/09/2008 16:07)
ny anareo koa de faly hanaratsy foana,


faly ny hanaratsy amin'ny ahoana??, koa raha tsy hoe misy tombotsoa ho anay ny hanaratsy, mba mandehàna any antoerana dia hoe hita ny zava-misy, izaho vao tany tamin'ny heritaona fa ny mahantra no betsaka...
inona ilay fiovàna???? marina fa ne tsara ny tanàna fa ny olona me mahantra ihany, tsy hisy mihintsy ny classe moyen fa na manambola be na mahantra
10. karinah ( 30/09/2008 17:22)
Misy ny fiovana. :^)
11. karinah ( 30/09/2008 17:23)
Io fahantrana io tsy voafongana raha tsy misy miracle, mba eritrereto kely madama ny trosa navelan'ny teo aloha a!! Izao mba hita oe mihamadio ny tanàna, resaka fahasalamana misy fivoarany, ny lalana, ka inn no tsy marina amzany :?: :^)
12. karinah ( 30/09/2008 17:31)
gasyjean:

Raha mba mijery na mamaky ireo gazety avy any Madagasikara ny tena dia otran'ny mba velom-bolo ihany raha ny vaovao miseho ao no jerena mikasika ny economie malagasy fa toa mba hoe misondrotra kely ihany hono ee,
ary an-kilan'izany koa ny fanaganana orin'asa etsy sy eroa hiarana miasa amin'ireo vahiny avy aty ivelany toy ilay vaovao farany androany,hisy fiaraha-miasa amin'ny Alemagne,coree du sud,France (corsair) ary ireo teo aloha toy ny fiaraha amin'ireo japonais, chinois.sns.mahavelom-bolo hoy aho satria raha tantareka ireo oufff! mety hidangana ny economie misy asa hoa n'ireo tsy an-asa, mety ho tasara ihany aa! Ho hita eo indray ee!!

na blabla ny gazety na patati an-Dranona, aloha dia mahavelom-bolo ny mahare programan'asa tahaka izao. Ataoko fa raha te hanintona olona ny gazety ny mba hivarotana azy de ireny oe fatin'olona tatsy na taroa ireny sns tahaka2 an'ireny fa tsy hanao lainga politika kosa.:^):^):^):^)

13. ssendra ( 30/09/2008 17:37)
Io fahantrana io tsy voafongana raha tsy misy miracle

ka efa azo lazaina tsy mivoatra izany....
ny fahasalamàna tsy mamely ny tanana tsara tam zédézil teo aza ne naloto ndray etsy sy eroa.
14. ssendra ( 30/09/2008 18:53)
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m48ca7520e1cb8

rehefa resaka toe-karena no resahina dia tsy hisy ny filazàna fa be ny mahantra donko matoa feno ny 4mi dia tsy mandroso izany...
15. karinah ( 30/09/2008 21:48)
ssendra>>mila miara-miasa ny vahoaka sy ny mpitondra. Aiza koa dia tsy hety hamokatra hamboly fa d faly ny hangataka sy hitsindroka fotsiny, tsy lasa io raha tsy miara-mihetsika. satria ny hanindriko an'izay d mba tsy hanomezan-tsiny ny fitondrana irery ihany!!!
16. Simpona ( 01/10/2008 07:46)
izay indray i simpona vao hita an!!!!!!!

karinah > mbola tany anaty ala e, zay ndray vao mba tafavoaka tany

gasyjean > ny www.vaovao.net manome ny lohatenin'ireo gazety ireo isan'andro, dia misy teny anglisy sy alemana koa mikasika an'i Madagasikara


17. ssendra ( 01/10/2008 09:58)
karinah:

ssendra>>mila miara-miasa ny vahoaka sy ny mpitondra. Aiza koa dia tsy hety hamokatra hamboly fa d faly ny hangataka sy hitsindroka fotsiny, tsy lasa io raha tsy miara-mihetsika. satria ny hanindriko an'izay d mba tsy hanomezan-tsiny ny fitondrana irery ihany!!!



tsy mandresy lahatra izany e!

=)) =)) =)) =)) =)) ny mpitondra hita izao fa mhinambolambahoaka foana izay re mitondra eo mameno paosy
18. ssendra ( 01/10/2008 10:01)
tsy ny mpitsindroka ihany no hiaran'ny hamafisan'ny fiainana fa ny olondrehetra...na ny olona antonony aza lasa mila hitsindroka sy hangalatra izao koa raha tsy izany ve hirongatra ny halatra sy ny famonoan'olona amin'ny tsy fisiana amiko izany tsy miova fa vao ùmaika me ratsy noho ny taloha :-P
Ny fiainan'ny vahoaka malagasy aminan'y ankapobeny ny maharesy lahatra ahy fa mitotongana hatrany ny fiainana fa tsy ny fiovan'ny ny lalana lasa arabe ohatra na ny hmaroan'ny zarindaina ao analakely vaovao no atao hoe mandroso sy niova....
19. karinah ( 01/10/2008 14:09)
i ssendra>>Ka io fanarenana io wa tsy vita vetivety, tsy maintsy miakatra miakatra foana aloha, rehefa milamina ny dettes sy ny karazany, izay vao misy fanantenana ny hoe hihatsara ny fari-piainan'ny tsi11. Amin'izao aloha ny fitondrana, raha ny fantatro, dia miezaka manao izay ho vita, tsy miditra @ fiainan'ny tsi11 aloha, hoe hisy fiovàna, tsy ho ary ho tratra avokoa anie eio e, mandeha tsikelikely eo io, ka izay ny ataoko oe raha tsy misy miracle tsy hiova vetivety eo io, fa mandeha étape par étape aloha. Hatramin'ny oviana i Madagasikara no mbola hisy Autoroute izany? izao anefa na lazaina fa sahirana, manana hoenti-manana ny amizany ny fitondrana, ny vinavinan'asa mipetraka, Talatamaty Ivato izao hoe toa efa niantomboka ny asa, ka mbola taiza no nahavitan'ny fitondrana an'izany? mbola taiza??? izay ny ataoko oe tsy hiaraka handeha indray mandeha daholo fa mandeha par étape io§ tsy maintsy misy iray délaisser aloha, fa tsy miaraka aby.Ny oe mihinam-bola kosa aloha angamba efa reflexe mahazatra loatra iny, fa tsy misy afaka manaporofo an'izany. Fa dia mankasitraka ny fitondrana hatrany aloha aho eh!! Asa goavana anie ny fananganana orinasa izany e, ny lalana, ireo no antoka hampiove ny economie, ka hoy foana koa zà hoe: mahavelombolo. :-D
20. fahamarinana ( 01/10/2008 18:26)
:arrow: ny tena mety ho olana dia ny tsy fananana intsony ny patience raha tahaka izay lazain'ny karinah teo hoe :
karinah:
Ka io fanarenana io wa tsy vita vetivety, tsy maintsy miakatra miakatra foana aloha, rehefa milamina ny dettes sy ny karazany, izay vao misy fanantenana ny hoe hihatsara ny fari-piainan'ny tsi11
ka ho kere daholo ary rehefa kere dia mora romotra ka tsy ahita ny lalana tsara be sy ny zaridaina lafatra...ny fiainana miakatra,ny karama kely,sns..sns...:( (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2388