Tononkalon\'i Rado tianao indrindra?

1. hery ( 18/09/2008 11:10)
Milazà hoe tononalo 3. Dia inona ny antony?

Ny ahy.
1. Hafatra moa? Ilay hoe Ho any ianao kanefa... tiako t@ fotoan\'androny dia mbola ankafiziko hatramin\'izao.
2. Raha mbola misy tsiky. Satria tsiky dia ampy :-)
3. Vavak\'ilay miaramila. Satria miaramila ra-baina dia tadidiko ny nanaovana an\'io indray Krismasy izay... nahaontsa.
novalian'i Romaric ny 11/03/2012 07:35
2. anne08 ( 18/09/2008 12:18)
Ny ahy indray ( tononkalo lasa tononkira)
1. Raha mbola misy tsiky
2.N´inona n´inona hitranga Jesoa
3.Ekeko fa misy fara veloma...

Nasongadina ireo fa saika tiako daholo ny tononkalony.
3. myaina ( 18/09/2008 14:15)
Ny tononkalon-dRado tiako indrindra:
- Hafatra
- Aza avelanao hahalala (lasa hira)
- Vola fitompolo...
hery> ohatry ny tsy haiko le vavak ilay miaramila iazafady? mba omeo tonony e?
4. hery ( 18/09/2008 14:51)
myaina> Ty miaramila ity /tsy hoe manary dia/Na mamo sady toroka/ Ka miteny irery/ Fa misy faniriany/ Ao ampony miery :-)
5. DotMG ( 18/09/2008 14:58)
ka ny olana tsy haiko tsara ilay tononkalo nefa tiako.

1) misy an'izay hoe lany prémé tour Ravalll, dia bla bla mi-chaouale, ...
2) ho any ianao kanefa
3) tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany.

Ilay somary manala azy ireny izany e...
6. vale ( 18/09/2008 15:01)
Saika efa novakiako dol ny tononkalon'i Rado, fa tamin'izany koa mbola somary be lalao , fa " adolan-tsento" :lol: ka tena ao anatin'ilay mihaina fitiavana nivaivay, :-D :-D :) ..hany ka ny tena mba tadidiko ilay Ho any ianao kanefa io!
Ho any enao kanefa..
aza atao fantrto izao alaheloko izao,
izay moa le izy? tsy tadidiko intsony fa efa harafesina ny loha, efa antitra ee! :-D ...Tsara iny kah, ny ahy iny no tiko indrindra mato aniraikitra be tato an-tsaiko na de efa 15taona lasa aza izay!! hummmm :)
7. vale ( 18/09/2008 15:03)
oadray, "aza atao fantany, no izy.. diso aho!) lollll :wink:
8. fahamarinana ( 18/09/2008 18:49)
:arrow: ny ahy ity no tena ankafiziko indrindra sy raikitra ao am-poko satria nampahatsiaro ny fahatanorana ...tamin'izany mpamaky tononkalom-pitiavana...
FOTSINY
Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe "nahoana"
na tovonana "satria "
Fa tiako fotsiny amin'izao
Tsy amerana fotoana
Tiako fotsiny doria

Ny" satria" sy ny "nahoana"
mety ho takatry ny saina ?
tetika ikendrena laka...
haingon-teny babagoana
rindram-bolam-bery maina
ravina tsy misy faka

Tsy ny teny izay tononina
no hahafeno ny fitia
efa feno rahateo
Tsy ny toky izay foronina
mora rava sy malia
fa ny fo tsy mananm-peo

RADO

(l)
9. Xp ( 19/09/2008 12:59)
1- Maty ilay mpivarotena
Mampandini-tena

2- Hafatra
Mampisantimaka na dia mbola tsy nitia be aza

3- Aza avela hahalala
Hiram-pivavahana ankaviziko be
10. ikalamako ( 21/09/2008 20:31)
Tiako daholo - noho i Rado Rado ve ? sa Rado no tena mahay manetsim-po ? - saingy ity no tiako hosinganina fa...

NY TANTARANTSIKA


Topimaso iray tan-kisendrasendra
nifanomezantsika
segondra vitsy monja
taty aoriana ela...
Dia azo namakiana ny tantarantsika
Tsy nisy mpahalala
afa-tsy izaho sy ianao nanoratra azy.

Segondra vitsy monja,
tsipelatra nandalo
dia velon-tsoratra ao
irony tany Ananona sy ny tany Ananona...
Penina iray fa tànan'olon-droa
no nanoratra azy...
Ny sisa tsy tadidy
dia ny topimaso niverim-panindroany
no namerenana azy...
Avy eo dia mody
tsy mifankahalala... Kanefa, tany anaty
niverina namaky
ilay tantarantsika.

RADO - 1988 :wink:
anaty rakitra "Sedra".
11. tslem ( 23/09/2008 08:07)
Raha izaho no misy manontany dia tena tiako daholo ny tononkalon'i RADO rehetra rehetra ary misy tena mahalasa saina sy mampieritreritra ary mahalasa vinany.

Ity izao dia anisan'ny tononkalo iray tena......


AMPIANARO


Ampianaro aho,ry Raiko
Mba hahay misaotra Anao
Rehefa misy fahoriana
Fa ny zavatra mba haiko
dia fisaorana fanao
rehefa misy fifaliana
Ka raha hoe mihandrohandro
sady jembi-pahoriana
toy izao anio izao
Aoka ho toy ny isanandro
amin'ny andro fifaliana
no isaorako Anao.


Ampianaro koa ho haiko
ny hahatsiaro, hitadidy
irony soa natolotrao
Fa ny velona ao an-tsaiko
dia ny zavatra mangidy
izay nihatra toy izao
Ka raha tonga mihandrohandro
Fa mba sendra ny mangidy
sy mafaitra mahalao
Aoka koa mba isanandro
no hahazoako mitadidy
ny tsara avy taminao.

RADO jolay 1993(nalaina tao anatin'ilay hoe SEDRA)

Dia ilay hoe "TIA" iny koa,ilay manao hoe Tiako Ianao no sady hàlako....
12. nyeja ( 23/09/2008 09:01)
Miarahaba
Ny ahy indray dia ilay hoe : KISENDRASENDRA ( ao amin'ny DINITRA )
tena tiako loatra io Kisendrasedra io rey olona !.
Mampalahelo be ahy kosa ilay hoe : ALAHELOVY ( boky : Voninkazo adaladala )
Mazotoa mamaky tononkalo e dia aza adino mividy boky fa tsy eto amin'ny internet eto ihany akory fa hafa mihitsy ilay anaty boky .
Ny Eja
13. fahamarinana ( 23/09/2008 09:11)
:arrow: nyeja :mba tsy ananako sy tsy fantatro zay boky voninkazo adaladala zay (l)
14. Zozoro ( 28/09/2008 14:26)
Miarahaba ny namana. Tsy teto ela ela, ary tonga soamantsara.

RADO ! Hanitra sy tantelin'ny tany sy ny tononkalo ary haisoratra malagasy. Tiako daholo ny tonokalony, ny tena ahatsiarovako azy dia :

Matokia ry Fahafahana rahavavim-pivavahana
fa tsy ho foana na ho moana ao anatiko ao ianao.....

Be no tiana ho lazaina ny momba azy saingy...aoka kely aloha hisento.

15. werk ( 08/11/2008 09:37)
inona no tiana la ho tenenona
16. ndretsa2009 ( 31/03/2009 20:41)
mba te hifandray aminamana malagasy monina any liban
17. RATOVOARY ( 01/04/2009 06:41)
Ny ahy ny tea tsaroako de le hoe : Vavak'ilay Ray mahantra ( krismasy t@ zay aho no nivetso azy tao ampiangonana fa latsaka hatr^ ranomasoko ).
Ny tonoklompitiavana an'i Rado indray dia ilay "Sambatra iny làlana iny/Lalovanao marain-tsy hariva...."
18. fahamarinana ( 02/04/2009 15:53)
:arrow: Razandry Tovo : mba tiako koa iny "Sambatra iny lalana iny sns sns .. (l)
19. Romaric ( 11/03/2012 07:32)
1.Aok'izay ny amin'iny, ka aza asiana teny intsony
sao mikobana tsy fidiny
ireto fotaka efa mandry sy matory tao am-pony
hany raki-tsarobidiny !

Ho inonao ny fahoriany raha raraka eo ny lasa
namenoany izato sininy?
Nefa ireny no hany sisa tamin-java nokinasa
mba navela hohamasininy?
laingalainga fa raha misy tapa-damban'ny fahiny
sendra maso mahatsiaro...
Na hoizy na enao samy tsy azo omena tsiny
raha manjary saro-piaro


Ahatsiarovako ny tantaram-pitiavako fahiny 'lay andininy farany
hery:

Milaz� hoe tononalo 3. Dia inona ny antony?

Ny ahy.
1. Hafatra moa? Ilay hoe Ho any ianao kanefa... tiako t@ fotoan\'androny dia mbola ankafiziko hatramin\'izao.
2. Raha mbola misy tsiky. Satria tsiky dia ampy :-)
3. Vavak\'ilay miaramila. Satria miaramila ra-baina dia tadidiko ny nanaovana an\'io indray Krismasy izay... nahaontsa.
20. Romaric ( 11/03/2012 07:33)
1.Aok'izay ny amin'iny, ka aza asiana teny intsony
sao mikobana tsy fidiny
ireto fotaka efa mandry sy matory tao am-pony
hany raki-tsarobidiny !

Ho inonao ny fahoriany raha raraka eo ny lasa
namenoany izato sininy?
Nefa ireny no hany sisa tamin-java nokinasa
mba navela hohamasininy?
laingalainga fa raha misy tapa-damban'ny fahiny
sendra maso mahatsiaro...
Na hoizy na enao samy tsy azo omena tsiny
raha manjary saro-piaro


Ahatsiarovako ny tantaram-pitiavako fahiny 'lay andininy farany
hery:

Milaz� hoe tononalo 3. Dia inona ny antony?

Ny ahy.
1. Hafatra moa? Ilay hoe Ho any ianao kanefa... tiako t@ fotoan\'androny dia mbola ankafiziko hatramin\'izao.
2. Raha mbola misy tsiky. Satria tsiky dia ampy :-)
3. Vavak\'ilay miaramila. Satria miaramila ra-baina dia tadidiko ny nanaovana an\'io indray Krismasy izay... nahaontsa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.962