Loza-mpiaramanidina!

1. Herimiafina ( 14/09/2008 16:10)
Mahagaga fa toa mifanesisesy ny olana ara-teknika sy ny loza amin'ny fifamoivoizana an'habakabaka amin'ireo compagnie ao Europe sy ny manodidina.
-Vao herin'andro vitsivitsy izay dia ny Spannair no nanomboka azy tamin'ilay MD-90 nidaboka tao Espagne.
-Avy teo indray ny Air France izay nanao sortie de piste tao Montréal.
-Avy eo indray ny compagnie Britanika iray tsy nivoaka ny kodiarana dia nipetraka amin'ny kibony.
-Izao indray toa anjaran'ny Aeroflot. http://qc.news.yahoo.com/s/afp/080914/monde/russie_aviation_accident_prev
Fa dia misy inona loatra sa tsinin'ny Congolais izay lazaina fa manangona zaoridira-mpiaramanidina? (lol vazivazy io) :-D :^)
novalian'i dahuily ny 03/12/2008 18:55
2. Veloo ( 14/09/2008 19:37)
Sali HM,

ie aza mba mande @avion 737 ntsony raha manao enquete kely ela dia presque 737 daholo no nodaboka satria efa antitra ireny...

:wink:
3. hery ( 15/09/2008 07:56)
Veloo> ka indraindray tsy fantatra hoe 737 raha tsy efa hiditra avion kou...

Fa ilay izy koa ampian'ity resaka krizin'ny petrole ity dia manao kinanga ny compagnies sasany. Aiza ve koa misy an'izany tsy manisy reserve-na kerosena zany.
4. Veloo ( 15/09/2008 13:29)
hery a,
Izay aloha rehefa manao reservation par internet e...
any @ agence izy dia tena azo anontaniana mihitsy ary
ny anay aty dia miseo eo @ itineraire ny boeing andehanana zay voa mividy ticket.
5. fahamarinana ( 15/09/2008 14:39)
hery:
Aiza ve koa misy an'izany tsy manisy reserve-na kerosena zany

:arrow: . mba dadany koa izany,koa raha tsy hoe afaka hi se garer izy ity dia haka lasantsy...manaonao foana marina ry zareo .
Any dago angaha ry reto mbola mandeha ny 737,tsy efa niova va ? Dejà efa katahotra mitaingina avion ny tenanay dia mbola ampian'ny histoire-na ksident koa dia tena varahontsana tanteraka.... :( (l)
6. Herimiafina ( 17/09/2008 01:20)
Ny ahy indray anefa ireny fiara-manidina taloha ireny no hitako ho securitaire kokoa raha ny tantaran'ny fiara-manidina no jerena. Nisy défaut daholo izy ireny saingy voa-corrigé foana tao anatin'ny taona maro nampiasana azy na dia namoizana ain'olona aza.
Ny fiara-manidina vaovao dia somary hatahorako satria manao cobaye olona mihintsy, toy ny tamin'ny vao nivoahan'ny DC-10 ohatra, ny boeing 747.
Ny &#& dia misy version be dia be, misy 737-NG, 737-800, ny 737-400 toy ny an'ny Air Mad, izay fiaramanidina betsaka mpampiasa indrindra eto an-tany, noho io fiabilité io mihintsy. :^)
7. dahuily ( 20/11/2008 18:38)
Mba te hanitsy kely fotsiny aho fa ny B737 di anisan'ny fiaramanidina azo antoka indrindra erantany ka tsy atahorana izany ny mitaingina azy indrindra ny antsika malagasy izay tena tsara karakara tokoa ,porofon'izany ny fisia'ny ambaratonga maro @ B737 izay manomboka @B737-100 ka hatramin'ny B737-900 ,Mety ho tsirambina amin'ny fanaraha-maso ara-teknika no mampianjera ny fiara manidina sasany nefa mety ho antony hafa koa, fa raha ny antsika malagasy dia sahiko ny miteny aminareo fa tsy misy tokony atahorana ,marihiko etoana fa izaho izay milaza eto io dia anisan'ireo teknisiana mpikarakara ny fiaramanidintsika malagasy indrindra ny B737 ,Ohatra fotsiny no omeko ny , B737-100 antsika malagasy voalohany (5R-MFA) na hoe Boina dia efa tamin'ny taona 1969 no nanomboka niasa voalohany,ary ny taona 2006 izy vao tena naka aina ary namidy t@ vahiny . Ny tiako ambara de tsotra hoe anisan'ny fitaovam-pitaterana azo antoka ny fiara manidina
8. rapala ( 24/11/2008 18:29)
dahuily: tena kourazy b zaha maheno izany fanazavanao izany satria nisy niteny tamiko fa tsy azo hatokisana ny fiaramanidiny madagasikara satria ny teknisiana toa hoe kamo be izany, manao asa halasafay izany... azafady raha miteny izany fa izany no henoko aloha e, d natahotra be zah hatramin'izay nahenoko io d tsy nety ni-voyage @ fiaramanidina air mada intsony!!!!
Tsara ny misy manazava toa izao d afaka ilay fanaratsiana sy ny tebiteby e, misaotra anao :)
9. dahuily ( 30/11/2008 10:32)
Faly aho raha izay fanazavako izay no mety hampilamina ny eritreritrao Rapala a ,sady voaporofo anie izany fa tsy resa-be fotsiny e,efa fahagola hono no nisy izany fiaramanidin'i air madagascar izany hoe niharan-doza,eny tsy lavina fa misy ireo lazaina fa fahatarana ara teknika izay fomban-javatra ihany satria tsy Andriamanitra akory no nanamboatra ny fiaramanidina
Fanampim-panazavana indray , efa nisy taona vitsivitsy izay no nahazo ny agregation Part 145 ny toeram pikojakojana fiaramanidin'i Air Mad
Ny Part 145 dia lisansa ahafahana mikojakoja fiara manidina ary fantatr'izao tontolo izao izany ,ary dia misy tokoa ireofirenena vahiny izay tonga manao hny fikarakarana ny fiara n'izy ireo eto madagasikara ,ary matoky antsika izy ireo matoa tonga eto ,
Atsipy ny tady an tandroky ny omby ,................
Mazotoa ary
10. rakapy ( 01/12/2008 04:27)
Dahuily> tena marina aloha ny voalazanao momba ny Air mad. Resaka efa henoko efa ela io fahaizantsika mikojakoja ny fiaramanidina io ka dia misaotra anao izay anisan'izany ekipa izany.
Ny firaramanidintsika eto mada mantsy vitsy ka hany ka mora arahimaso. Fa ireny any @ airport lehibe ireny dia hita fa tena manenjik'asa be mihintsy ireo teknisiana ka hany ka mety ho tsy voaramaso tsara ilay fiaramanidina ka anisan'ireo mahatonga ny loza.
Mbola miasa any ve Radahuily i Sambirano ?
11. ikaretsaka ( 01/12/2008 05:31)
Ny theorieko @ io de hoe tsy misy maty sy midaboka tsy @ androny e! Za manao skydiving ireny aza dc3 sy. Dehaviland t@ 2eme gera no ampiasaina fa tsy maninona

fa io rehefa hidaboka de hidaboka na roplam jojopil be aza
12. dahuily ( 01/12/2008 18:54)
rakapy:

Dahuily> tena marina aloha ny voalazanao momba ny Air mad. Resaka efa henoko efa ela io fahaizantsika mikojakoja ny fiaramanidina io ka dia misaotra anao izay anisan'izany ekipa izany.
Ny firaramanidintsika eto mada mantsy vitsy ka hany ka mora arahimaso. Fa ireny any @ airport lehibe ireny dia hita fa tena manenjik'asa be mihintsy ireo teknisiana ka hany ka mety ho tsy voaramaso tsara ilay fiaramanidina ka anisan'ireo mahatonga ny loza.
Mbola miasa any ve Radahuily i Sambirano ?



I Sambirano sy Boina ary Ny Ankoay de efa namidy daholo ka tsy misy antsika intsony
13. rakapy ( 01/12/2008 19:33)
De inona izao no nasolo azy ireo??? Dia iza avy no anarany?? Misaotra e!
14. rapala ( 01/12/2008 22:03)
dahuily- tsy haiko avao moa ity resaka teknika ity fa dia matoky anareo teknisiana sy inzeniera mpanamboatra ny fiaramanidintsika zahay e, di mba haraho maso tsara moa izany ny asa f'aza hatao hatsirambina na dia hoe vitsy aza ny antsika e!!!
ikaretsaka: izany ve n atao hoe anjara e? refa tonga ilay fotona dia tonga fona io na aiza na aiza no misy anao!
15. dahuily ( 03/12/2008 18:55)
rakapy:

De inona izao no nasolo azy ireo??? Dia iza avy no anarany?? Misaotra e!


Fiara manidina mitovy karazana aminyihany no nasolo azy ireo ,dia Boeing 737-300 roa ary taty aoriana izy tsy nisy anarana toy ny taloha intsony fa numero d'immatriculation no anavahana azy ,
ny voalohany dia 5R -MFH , ary ilay iray faharoa kosa dia 5R-MFI, ary satria moa natolotry ny filoha an'i Air Mad ny force one izay mbola boeing 737-300 ihany koa dia telo izany izao ny B737-300 an'i Air Mad ka 5R-MRM no nahafantarana azy fony izy Force one, asa raha hisolo io numero io na tsia satria misy hifandraisany @ anaran' dRamose izy io .
de zay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3351