les Adeline vaovao

1. Lejoba ( 02/08/2008 14:02)
ho an'ny namana rehetra, ny mpandrindra serasera.org sy radiovazogasy
Araka io hitanareo @ lohateny io dia niova ireo mpikambana ao @ les adeline. Sao mba misy manana vaovao momba ireo mpikambana @ izao fotoana : anarana sns.
Sao indrindra koa misy manana ilay CD vaovao. Efa ilay anabavin' Sarobidy no mihira ao koa mba alefaso @ radiovazogasy moa ho renesin'ny namana rehetra eh.
Raha misy manana clip moa dia manantena anao handefa izany @ daily motion tsy ho ela.
Ilay vol 10 mantsy toa mbola ezaka be
Misaotra eh
Dia mahereza ao @ Tompo daholo (l) (l) (l)
2. Belle ( 03/08/2008 00:50)
Manao ahoana ianao,
Ilay CD Video vol 9 ve io resahanao io?
Manana an'io aho fa toa tsy misy ilay anabavin'i Sarobidy ny lisitry ny mpihira!
Ny voalazao ao ho chanteurs: Sarobidy ny Finoana, Barry's, Jimmy, Mamy Andria.
Kapila roa ilay izy - ny voalohany misy hira 12 ary ny faharoa hira 11.
Belle
3. diamondra27 ( 03/08/2008 16:48)
Lejoba: salut ndray, ary heveriko fa i sarobidy ilay nmana ato ange io lazainao io we mihira ao am les adelynes e.

Mahay mihira be sy tsara feo koa manko iny an

de kiss be ho an'i sarobidy fa tena tsy tafaoratra efa elabe akia a
4. fahamarinana ( 03/08/2008 16:52)
:arrow: dia mba miandry ao am daily sy youtube koa aho zany,na ireo les adelines taloha aza efa tiako rahateo... (l)
5. Lejoba ( 04/08/2008 10:29)
Tsy ireo ao @ vol 9 intsony ny mpikambana ao izao ka. I Sarobidy (lehilahy fa tsy ilay namana serasera) sy i Barry's efa tsy ao intsony.
Efa nanao fampisehoana tany Dago ireo vaovao fa tsy mbola misy raki-tsary hahitana azy. Ny CD audio no efa misy manana mandehandeha any mahatonga ahy mangataka an'io. :wink:
6. fahamarinana ( 04/08/2008 12:21)
:arrow: dia any am radio ndray zany no miandry kouh.. :) (l)
7. endrika01 ( 06/08/2008 08:32)
Nefa nilay mintsy ry zareo teo aloha a,zah zao vao eo no nijery le VCD ndry zareo vol.9 iny,fa mhhh,tsy mba nieritreritra we hisy hiala andaharana.Sao njay ary de hanao hoatrany tarika Rebika,tokony hiverina hitambatra ry zareo :wink::-P
8. Lejoba ( 06/08/2008 10:57)
Tsy haiko izay antony nahatonga an'i Barry's nanangana tarika ho azy manokana fa i Sarobidy lasa nanao pasitera any @ FVKFM any Andraharo. Toa mafana fo @ chorale any koa ranamana sady tsy mipetraka ao @ Rajaonarivo intsony koa lasa tsy manam-potoana ho an'ny les Adeline intsony fa "misy raharaha nampanalan'ny Tompo azy". Tsy hitanareo @ vol. 9 ve fa manana fihetsiketsika pasitera kely izany ranamana, nefa mbola azo lazaina ho tanora dia tanora ihany izy @ iny. Asa raha efa hitanareo ity clip ity fa tena mbola zaza mihitsy i Sarobidy raha oharina @ ireo ambiny http://www.dailymotion.com/video/x69udb_adeline-sambatra_music
Mbola manampy tsindraindray ny tarika sisa no ataony fa toa tsy miaka-tsehatra intsony izy. Izany no mampitarazoka ny famoahana ilay vol. 10 satria vao mamerina ny enregistrements rehetra miaraka @ ireo mpikambana vaovao ry zareo.
Notaomin'ny Tompo i Sarobidy dia resiny http://www.dailymotion.com/video/x5lgya_resinao-les-adeline_music
Io angamba ny clip public ahitana azy sy Barry's farany miaraka @ les Adeline nefa io efa t@ 2 na 3 taona lasa tany ho any no no-tourner-na :idea: :cry: :oops:
9. endrika01 ( 06/08/2008 13:07)
Efa henokenoko io Sarobidy andeha hanao Pasitera io.Tena mbola kely tokoa izy a any @ 20ans any,ary tsy @ty volana Aout ty mou ny Anniv-ny.Mety hiampita ranomasina kounkou izy .:wink::P:-P
10. xxx ( 06/08/2008 15:15)
endrika>iza no manana anniv aminity volana Aout ty oé?
11. Lejoba ( 06/08/2008 15:19)
Izaho mpankafy fa tsy mahalala izay taonany sy aniversarany any aloha eh
Inty raha hankafy ny sangan'asany nareo http://www.dailymotion.com/playlist/xgwpz_Jaondranto_les-adeline
Io no hitako complet indrindra ao @ dailymotion. Mihoatra aza no marimarina kokoa.
dia bon anniv raha mahita an'i Sarobidy i endrika01 eh, sa nikah no manana contact aminy? Diams aloha mino aho fa tsia eh
he he he
je commence à te connaaître tu sais =D>
12. endrika01 ( 06/08/2008 19:28)
xxx:

endrika>iza no manana anniv aminity volana Aout ty oé?



Ayyy,tsy sarobidy kah,fa...izy mahalala azy :wink: alao alou izy tsy rebirebena fa mbola sahirana !:-*
13. endrika01 ( 06/08/2008 19:45)
Lejoba:
he he he je commence à te connaaître tu sais =D>
mais non,j suis leur grande soeur,tu sais!:-P . Tiko be le hiran-dry zareo, En qui...?:-*:-*:-*
14. tsiambaratelo ( 07/08/2008 16:14)
Lejoba:

ho an'ny namana rehetra, ny mpandrindra serasera.org sy radiovazogasy
Araka io hitanareo @ lohateny io dia niova ireo mpikambana ao @ les adeline. Sao mba misy manana vaovao momba ireo mpikambana @ izao fotoana : anarana sns.
Sao indrindra koa misy manana ilay CD vaovao. Efa ilay anabavin' Sarobidy no mihira ao koa mba alefaso @ radiovazogasy moa ho renesin'ny namana rehetra eh.
Raha misy manana clip moa dia manantena anao handefa izany @ daily motion tsy ho ela.
Ilay vol 10 mantsy toa mbola ezaka be
Misaotra eh
Dia mahereza ao @ Tompo daholo (l) (l) (l)



=D=D=D
15. dafytahiana ( 25/10/2014 10:13)
matahotra an'i Les Adelines aho ka tsy tiako fa te hitomany aho !
:-) :') :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4769