Mitsitsy vola - miaro tontolo iainana

1. Bola ( 05/07/2008 01:04)
Ity misy fomba mety efa misy mahafantatra fa manaparitaka fotsiny na manamafy ity.

Manimba tontolo iainana ny karazana produits ampiasaina @ fanadiovana isan karazany ao an trano matetika. ity misy fomba mora nefa mandaitra sady miaro ny tontonlo iainana:
mampiasa vinaigitra sy karibonetra (bicarbonate de soude na baking soda izay hahaizanareo azy)
- vinaigitra: ampifangaroana @ rano dia hanadiovana fitaratra. ny fanaovako azy iray ampahafitony vinaigitra ary enina ampahafitony rano. Atao anaty ireny tavoangy spray ireny ihany fa tena variana aho fa tsy misy mamaritra. Mba tsy handaingana dia zara raha misy! Efa tarafin ny masoandro aza izany!!!
- fanadiovana evier sy cuvette a WC: rarahana karibonetra aloha dia arahina vinaigitra. Ilay evier azo tonga dia sasana arahana eponge fa ilay wc avela hilona. Dia arahina rano avy eo.
- douche toy ilay fitaratra fa ny ahy ataoko atsasany rano ary antsasany vinaigitra.
- efa hainareo koa angamba hoe sokafana boatina karibonetra ao anaty frigo dia vao mainka mampiadana ny fihasimban ny sakafo. Boaty iray soloana fara fahelany isaky ny enim-bolana
- mba hisosa foana koa ny rano @ tuyaux rehetra dia araraka @ @ fandehananan ny rano rehetra ny karibonetra dia avy eo ny vinaigitra ary rano @ farany

*mamiko ny planeta-taniko*
novalian'i ainaheri ny 05/07/2008 09:51
2. veromahefa ( 05/07/2008 09:10)
Misaotra an'i Bola, be mihitsy ny asan'ny karibonetra kah!hitako tao amin'ny aterineto vao haingana, za koa ary mba variana : lay vovony iny dia
-manala ny fofona anaty kiraro
-manala ny fofona amin'ny fitoeram-pako
-mampihiratra indrayny lokon'ny tapis
- manala loto amin'ny vilany : rarahana karibonetra sy ranomafana kely, avela hilona 15mn vao kosehina
Fa mbola tsy nampiasa za a! vao hanandrana koa, tsy mbola nahavidy karibonetra e!hihihi
3. ainaheri ( 05/07/2008 09:51)
ilay manala fofona kiraro efa henoko,ary efa nisy hitako nanao fa d nandaitra .........tsy laitra zay mpiaramiangona aminay zay ra fofon-kiraro ,nisy nanoro an'io d tsy heno tsony :) ,le izy kou tsy miankina @ zay ihany fa misy oul tsy manasa tongotra oh,na ba kiraro efa avy nanaovana no mbola anaovana ihany ,na misasa tongotra otran'inn aza enao tsy maintsy hisy fofona ra bakiraro maloto no anaovanao :roll: :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2629