veloma ry malala

1. sff ( 23/06/2008 05:45)
Na lahy aza aho
Dia feno toloko
Fa lasa tsy hita
Ilay olon'ny foko

Nandrianiko ela
Nokoloiko fatratra
Fa tsisy tavela
Ilay tonga lafatra

Efa tamim-boalohany
No fantatray izany
Fa tsy naleonay
Notohizina ihany

Anio izy hisidina
:* farany
Aleoko nampidina
ity toaka tapany

:twisted:
novalian'i sff ny 26/06/2008 02:12
2. agoago ( 23/06/2008 13:03)
Ntso!!!!!
3. fabrinah ( 23/06/2008 16:21)
mahereza re
4. fahamarinana ( 23/06/2008 17:32)
:arrow: ngaha tsy hiverina intsony ?? Tandremo fa tsy vaha-olana hono ny toaka an... (l)
5. toetra ( 23/06/2008 20:54)
[center]Ny toaka
Mahadomelina
Aoka
Tsy atelina

Ny ampitso
Vitaminina
Tsy diso
Indray fihinina

Tsakoana
Tsisy very
Hahazoana
Hery

Ho tena
Sahisahy :
Fa ny tena
Lehilahy !

Mitrakà sy mahereza ise ry sff ![/center]
6. sff ( 26/06/2008 02:12)
Misaotra ry ingahy
fa niafana any iny.
Nandrotika fanahy,
na dia tsy nirina.

Ny taoka tafahoatra
no ratsy ho an'ny tena
fa fo raha mitroatra
dia sarotra resena

Tsy manabe sandry
ekena ny amin'io
fa mampivalam-pandry
manampy manadino

Ka isaorana ry taoka
isaraorana ianao
ny ankizy raha miteny
ho amba va ianao

:-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.159