NY FANAMBADIANA MALAGASY

21. naritsimba ( 23/06/2008 05:21)
fahamarinana> ari.malala> ny fanalan-jaza ho ahy dia tsy misy hifandraisany @ renin-jaza mihitsy.
Mino ve ianareo fa ny malagasy izay tia taranaka dia hanala zaza? Harena ny zanaka @ Malagasy noho izany na nisy aza tsy fahatanterahan'ny fanambadiana dia tsy hanala ny zanany mihitsy ny reny malagasy.
22. fahamarinana ( 23/06/2008 09:30)
:arrow: naritsimba :ny olana mipetraka anie ho an'ny olona manao fanalan-jaza dia satria voatery,asa,mety misy koa angamba hadalana satria efa maro koa ny contraceptions natoro,misy koa noho ny tsy fahalalana ho an'ny tanora ,misy moa viols etc... fa tsy hoe tsy tia taranaka ilay olona,na koa hoe tsy fahatanterahan'ny fanambadiana.Au contraire amin'izao fotoana aza efa betsaka ny meres célibataires .
Misy tokoa ny manala zaza ny vehivavy malagasy ary tsy vao izao...ary noho ny tsy fisian'ny toerana fikarakarana izany dia voatery manaonao foana an-tsokotsoka dia mitarika fahafatesana mazana na simba ny vatatena satria sendra olona tsy competents..,na koa manary zanaka satria tsy nirina,na mamono tena noho ny henatra..
Za manokana tsy pour ny avortement spécialement fa amiko tokony hanana choix ny tsi11 selon ny situation-ny.Ny fanoroana,fanazavana tsy midika fa famporisihana hanao ny tsy mety,misy koa lasa mampieritreritra .Zany hoe ny ahy choix amin'ny maha-Xna ahy sy finoako fa avy amin'Andriamanitra ny taranaka fa tsy azo tsinotsinoavina koa fa ny olon-drehetra tsyXna daholo ary libre sy tokony omena choix fa tsy omen-tsiny raha izay no tiany...Izay no mahatonga ny aty hoe miloha ny hanaovana ilay acte dia mandalo psycho :misy ny miova hevitra,misy ny miroso fa en connaissance de cause.Aleoko avotra ny vehivavy toy izay manaonao foana dia maty.Hevitro manokana moa iny.
Ialana tsiny fa lasa nivaona be ny resaka par rapport amin'ny dinika,nefa na izany aza dia mahaliana tokoa ny mifampizara satria misy lesona azo tsoahina... (l)
23. kelly13 ( 23/06/2008 10:21)
lava b lôtra ry reto fa mba omeo famitinana za azafady a :)
24. fahamarinana ( 23/06/2008 10:35)
:arrow: keliterezy,marina aky raha ho voafintina ntsony? efa lasa nihitatra aza fa na izany dia interressant daholo.. (l)
25. ari.malala ( 23/06/2008 11:06)
naritsimba, siora amizany v enao hoe ts manala zaza ny vevavy malagasy taloha?? misy dia misy tokoa!!! ary ny antony d satria ny RAD taloha diso sarotim-boninahitra loatra!
26. kelly13 ( 23/06/2008 20:13)
27. naritsimba ( 24/06/2008 05:24)
Manahoana indray eh!
Ny RAD taloha dia tena sarotim-boninahitra mihitsy indrindra ho an'ny zanaka vavy, ary izany hoe bevohoka tsy manambady izany dia nahamenatra azy, saingy tsy ny fanesorana azy no vahaolana nataony fa ny niezaka nanatanteraka ny fanambadian'ny zanany, ary dia tena avoakany ara-dalana izany raha hita ilay lehilahy rain'ny zaza, raha tsy izay moa dia atsangan'izy ireo ho zanany ilay zaza.
Sarotiny tokoa ny RAD taloha na ny ankehitriny eo @ resaka fanambadiana, ary izay no nahatonga ilay fiteny hoe: Mitari-bady tsy lasam-bodiondry, henatra amin'ny tany ama-monina, ka hifanondroan'ny olona molotra.
Na misy aza ny vady andrana, dia efa hifaneken'ny RAD roa tonta izany fa azo atao, ny any @ faritra hafa moa dia atokantrano ny vehivavy rehefa hita fa mahaleo tena ny zatovovavy.
Ny hita ankehitriny mantsy dia voatery hanambady ny ankamaroan'ny tanora ny fitondrana vohoka tsy fidiny.
28. ari.malala ( 24/06/2008 06:18)
hoan'ny hafa angamba ilay voatery manambady....

nisy hoa ny nanala zaza!! teneniko anao izany! kobokobon'ilay zazavavy ny reniny irery satria masika lotra ilay raimpianakaviana d lasa manatona reninjaza mangingina any hanalàna ilay zaza! na koa hoe mbola tsy ampy taona ilay zazavavy na mbola mianatra ialy zazavavy d manatona reninjaza d alàna mangingina any ampisotroana izao karazana tambavy retraretra izao... ts tsaroako tsara na ao am tantara orimbaton'ny fiadanana moa izy izay ilay nisy ilay vevavy bevokan'ny anadahiny d nokasaia halàna ilay zaza kinanjo ts afaka d ts maints ateraka izany d nalàna faditra izy dahy... d jereo amizany, iny tantara iny toa efa tany am andro fahagola be tany d efa nisy ny fanalàna zaza :°)
29. fahamarinana ( 24/06/2008 08:30)
:arrow: nisy tokoa ry naritsimba a,ary nisy marina koa ny voalazanao fa tsy hoe ny rehetra akory kah.. (l)
30. naritsimba ( 25/06/2008 11:10)
Ny lohatenin'ny Dinika dia ny Fanambadiana Malagasy.
Tsapanareo ve fa tsy nivaona t@ fomban'ny fanambadiana voalohany ny fomban'ny fanambadiana malagasy t@ andro taloha, nefa nahoana ankehitriny no lazaina fa lany andro ny fomban'ny malagasy raha hanambady????
Misy fampitahana vitsivitsy natao ireo izay nalaina tao @ Baiboly sy t@ fomban-drazana Malagasy, ary mbola azo tohizana ihany izany.

Ho ahy dia tsy lany andro ary tena anisan'ny tsara ny fombantsika Malagasy raha ny resaka fanambadiana no resahina.

Azo alaina ohatra @ izany i Jakoba, moa ve tsy karazan'ny vady andrana ihany no nahazo azy, ka dia izy mirahavavy ihany(ny zokiny sy ny zandriny) araka ny fombantsika hoe: tsy afaka manambady ny zandriny raha tsy lasa ny zokiny.
31. fahamarinana ( 25/06/2008 12:36)
:arrow: Naritsimba :za koa dia milaza fa tsy lany andro kah,mbola betsaka aza no miverina amin'ny fomba malagasy tokoa fa choix-ny tsi11 oah dia respecter-na...Zay fontsiny anie,efa niova ny toetrandro,betsaka ny zvtr niova dia raisina en considération ihany koa :izay tsara alaina,zay ratsy tsy alaina... (l)
32. naritsimba ( 25/06/2008 12:49)
fahamarinana> ny olona mpiteny ny hoe olombelona ihany ny tena, dia olombelona avy nanao ratsy na nahatsapa ny tsy mety nataony.
Ny fitenin'ny maro ankehitriny ihany koa dia mampiseho tsy fankasitrahana ny fomba natao teo aloha, nefa tsy adala akory ny RAD raha nanao ireny zavatra ireny satria tsapany ny hasarobidin'ny tokantrano.
33. fahamarinana ( 25/06/2008 12:58)
:arrow: :) marina zay fa aza adino fa betsaka no miteny hoe tsy mankasitraka fa mbola mandala ny fomba malagasy ihany...Ary marina sy ekeko hoe tsy adala akory ny RAR raha nanao ireny :tsy discuter-ntsika akory izay fa kosa ny fiainana tamin'izany sy izao koa efa nisy zava-dehibe niova be dia be koa... (l)
34. naritsimba ( 27/06/2008 05:22)
Ilay fiovam-piainana ange ry fahamarinana dia tena marina eh, ny fandrosoana koa tsy azo sakanana, fa ny tsapa dia tsy voafehin'ny RAD intsony ny zanany ankehitriny.
Ny fomban'ny fanambadiana dia tsy tokony ho resin'ny fandrosoana mihitsy fa matoa resy dia isika RAD no tsy mitazona na tsy manaja azy.
35. ari.malala ( 27/06/2008 07:35)
tsy mandà za hoe tsara ny fomba taloha, tsara aty tena tsara tokoa! saingy aza adinoina, fa ankehitriny efa be ny teknolojia entin'ny fandrosoana! (eto aho akory tsy sanatria manilaka am fandrosoana fa milaza ny zavamisy ankehitriny ftsn iany)

valin'ilay n°33, tena mino v i naritsimba fa tsy mitazona sy tsy manaja ny fomba fahiny ny RAD ankehitriny? fanontaniana iray apetrako aminao ftsn firy ny isan'ny cyber misokatra eto Tana (eto Tana ftsn no nteneniko a!) d siora v i naritsimba hoe afaka hanaraka ny zanakao erak'izay tany alehany tsy hitsofoka cyber? miezaka d miezaka mints ny RAD manaja sy mitazona ny fomba raha ny fahitako azy fa ny tanora mitns no efa diso resin'ny fiainan'ny hafa ka lasa manamavo sy manatsinontsinona ny antsika!
36. naritsimba ( 27/06/2008 10:44)
Ny ahy aloha dia tsotra miezaka aho manaraka azy @ izay ataony, tsy manakana mihitsy hoe aza manao an'itsy na iroa, fa manaraka azy @ zavatra tiany atao dia hazavaina aminy ny maha tsara sy maha ratsy ilay izy avy eo. Tsy manakana azy aho raha te hamonjy bal, fa izaho no miezaka manaraka azy. Toy izay koa ny internet, izaho mihitsy no nitondra azy nankany @ cyber fa anjarako no manoro ny tokony atao, ary dia miteny amiko izy alohan'ny hidirany cyber, fitaizana io ry ari.malala an!
Anisan'izany ny fanoroana azy dieny mbola kely ny fomba malagasy. Ny fahavoazantsika RAD mantsy dia tsy miezaka manaraka azy fa manapempo avy hatrany azy ireo, na miala andraikitra @ hoe sahirana. Tsy ilaina hiandrasana azy hanao sipa vao ho taitra fa atoro azy ny tokony atao rehefa tonga @ fotoana ilàna izany.
37. ari.malala ( 27/06/2008 13:06)
non za kosa ts manapempo e! manazava, ary tsy misy tsara toy ny miresaka anie e! mahazo ny confience ny ankizy kokou enao miresaka aminy toy izay manaratsy b fahatany ny zavatra ataony na ny toy izany :)
38. naritsimba ( 01/07/2008 05:18)
Ny RAD ankehitriny raha ny hitako aloha dia tsy mahasahy miteny loatra ny zanany ny ankamaroany, ny fahalalako dia satria fantatry ny zanany ny toetra ataony.
ohatra azo raisina: raha mikapoka ny zanakao ianao dia lazaina fa mamono zaza, toy izany koa tsy azon'ny mpampianatra atao mihitsy ny mikasi-tanana ny mpianany na dia maditra toy ny inona ary ilay mpianatra, ary dia isika RAD mihitsy no manangam-bovona miaro ilay zanantsika @ ilay ditra ataony.
Toy izany koa ny fanaovana sipa any am-pianarana, tsy voafehintsika ireo zanantsika @ io resaka sipa io, nefa iza no mioty ny vokany avy eo, isika RAD ihany, nefa dia sahintsika ny milaza fa lany andro ny fitaizana taloha. Toy izay ihany koa ny fijerena Film Visa A, ny film toy izany teo aloha dia rehefa film misy herisetra fa tsy X ihany akory, na film miresaka fitiavana dia tsy azon'ny ankizy jerena, ary voasokajy ho Visa C(- de 13 ans), Visa B(13-17ans), Visa A(+ de 18 ans) ny sarimihetsika mandeha na io @ Tele, na io any @ salle de cinema. Amin'izao fotoana dia mahamenatra ny RAD ny miteny ny zanany fa tsy azo atao ny mijery an'io film io. Isika RAD ihany izany no mahatonga ny zanantsika hanaonao foana ka lasa manambady mbola kely ny zaza ka mahatonga ny fanambadiana ankehitriny ho tsy tena fitiavana fa teren'ny zava-misy.
Ohatra vitsivitsy ihany ireo, fa mbola amafisiko ny hevitro fa tsy lany andro velively ny fombam-panambadiana malagasy, ny zavatra tadiavina dia ny hamerenana ny hasin'ny maha malagasy mba tsy ho resin'ny fandrosoana. Mitombo ny Kristiana fa miha ratsy ny ankohonana malagasy, ny kristiana @ izao mantsy dia mihevitra fa raha vao miresaka fomban-drazana dia lazainy fa manompo sampy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3155