Ny lehilahy no lohan'ny tokantrano,na tsy miasa aza ve?

41. rakaroka ( 01/06/2008 12:01)
ravakamalala:


[quote=rakaroka] sermona sy filozofia 'ngaha mahavelona 'taoko misy besoin materiel.


tsisy afa-tsy izay ve ilay safidy : na sermôna sy filôzofia, na manao makorelina? za mantsy mbola tsy nahita olona velon'ny sermôna sy filôzofia, ka nanao makorelina daholo izany ny reny rehetra amelomana an-janany?

aoka re!!!!

Tena à l'infini ny safidy ka : Ary ny navalin'ity makorely iray aza:" ny azy hono no amidiny fa tsy ny anao!...". Ny "blem" hono tsy hoe nanao "corruption" tahaka ny mpivavaka maro izy , samy manana ny helony hono! tsy mifampitsara ! Ny mahatonga ny "ésprit" de révolte anie dia fihoirana amin'ny zava-maro tsy eken'ny saina: Misy tsy eken'ny saina ny "situation maro" dia
zary mihoitra amin'ny saim-pantany ny tsi1/1. Ary "point négatif" koa no omendrizareo ny vhv mamelona lhl. Donk na misy reny mety ho idéal aminao aza : "tsy réference" koa ho an-drizareo.



42. rakaroka ( 01/06/2008 12:19)
[quote=rakapy]
Ka raha hiandry hovelomin-dehilahy fotsiny anie ny vhv @ zao vanin'andro izao

Fa kou 'ngaha izany intsony no cas fandre sy niainana aza:'taoko maro ny lahy ankehitriny no miandry ny vavy p^lut^t! Ary tsapako fa heverindrizareo toa ny mana latsaka avy any an-danitra ara-tantara tokoa angamba ny hoe misy sakafo masaka , sy trano milamina tonga ho azy! dia ramatoa à gauche sy à droite "raha tsy izany tsy vhv.
Io na raiko na anadahy na vady na rafozana,na namana, sns...ny ahy dia nahitsiko daholo : ! satria vokatr'ilay hoe ny lahy no lohan'ny vavy 'ngamba dia zary mialangalana rizareo amin'ny zavatra tokony atao sy ho vitany.Eto tena miharihary ny hoe tsy késtion hoe "miandry hovelomin'ny lhl ny vhv: NON,NON,NON koa 'ngaha misy tany hipetrahana loatra ny vhv maro?...noho ny fiahiana ny ankohonana
43. rakaroka ( 01/06/2008 12:31)
Taoko ny lhl aza mbola manam-potoana hijerena baolina , hamakiana gazety, hialana voly isan-karazany, fa ny ankamaroan'ny vhv dia lany amin'ny fiahiana an-janany sy ny tokan-trano ary tahaka ny fohy holaniany amin'izany aza ny andro-piainany: "Ary ny "analyse" ny fahaizan'ny lhl mitia ny tenany no mampianatra fa mbô tokony hotiavin'ny vhv koa ny tenany.
Miteny 'nareo etsy ambony hoe : ireo ihany angaha ny "choix"?....
Io ara-piofanana. Matetika ny ankamaroan'ny vhv toa nofanina ihany ny ao an-trano dia "limité" koa ny "sehatr'asa" azony atao.Bien sur ireo vhv mba nanana fahafahana niana-javatra hafa. Afaka ny hitojo izay niofanany.
44. rakaroka ( 01/06/2008 12:45)

Maro koa ny vhv no miheritreritra fa moramora kokoa ho an'ny lhl ny miaina sy mitady asa sns... nefa dia tsy azon'ny vhv an-tsaina koa ny fijaliana sy fiafiana mianjady ary ny ady mafy izay ataon' ireny lhl ireny vao tonga eo @ toerana misy azy izy ireny.
:cry: :cry: :cry: :cry: :cry:
'Ndriiiiiyyyyyy!.......MAHAONTSA TANTERAKA ny fo @ panahy 'lay "MMmmaaafy" zakain'ny lhl hamlomana ny ankohonany indrindra indrindra! Ho an'ireny dia MENDRIKA TANTERAKA NY SITRAKA hoenti-miaina sy hoenti-matory 'lay olona. Mendri-panajana indrindra aza.
Ka ity tranga lazainao ity anie tsy ao amin'ilay noenjehiko e. Ny noenjehiko
dia ireo "Machoman" tsy mihevitra" hafa tsy ny tenany ary tsy mba miaritra ny mafy zakain'ny ankohonany akory! Fa dia n "tenabeany ihany no fantany!



45. rakaroka ( 01/06/2008 13:09)
Dia hoy ny sasany hoe ara-baiboly :roll: :roll: 8O .
Ka ao anatin'ilay didy folo anie misy "fitiavana ny tena" natao ho réfesansa mihitsy e. Ka raha tsy hay moa ny mitia ny tena: "atao akory ny mitia ny hafa?
Ary ny fitiavana ny tena tsy hoe fanekena lembenana izay tsy eken'ny saina sy tsy zaka, sy miaritra lava, sy fanekena sy fiaretana izao toetra mamohehatra fataon'ny bandy tsy misaina rehetra izao! Rahato fitiavampahamarinana ny fandalàna ny rariny sy ny hitsiny. Dia ho "eken'ny saina ve hoe "efa miampy" tsy ohatran'ny taloha intsony anie ny andraikitry ny vhv na ao an-tokan-trano na eo amin'ny fhm. Donk mifanaraka amin'izany koa ny sata sahaza ny "ezaka ataony. Io raha revisé ny kitay tlo an-dalana, tsy voatery ho ambanin'ny soratra ny olona.
Dia hihevitra ianareo fa tsy araka an'Atra izany?....
46. rakapy ( 01/06/2008 22:06)
Angamba raha ny lhl no problem-nao Rakaroka dia tsotra ny torohevitro. safidy ny hiaraka @ lhl ary safidy koa ny hiaraka @ vhv. Maro ny lhl na vhv @ zao fotoana izao no mifidy ny tsy hanambady satria tsy zakany ny hiaina @ tokatrano.
47. prime ( 03/06/2008 12:22)
Raha ny ao amin'ny Sorara Masina aza no dinihina dia mbola misy endrika lasa lavitra kokoa itarihan'ny fampianarana kristiana ka mananatra ny fiaraha-miaina sy ny fifandraisana ao anaty tokantrano eo amin'ny lehilahy sy vehivavy, voasoratra toa izao amin'ny anaran'i Kristy :

"Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo." Efesiana 5:22

"Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]" Efesiana 5:25
48. niryna ( 07/06/2008 03:54)
naritsimba:

mazava angamba ny voalazan'ny Soratra Masina.
Ny mahavoa antsika olombelona dia mitady hanohitra ny lalanan'ny natiora, ny lalàna nataon'Andriamanitra.
Efa mazava ny voalaza fa ny lahy no lohan'ny tokantrano, amiko manokana, na inona na inona zava-mitranga dia hajaina izay voalaza raha toa ka tena mahatsiaro fa Kristiana marina ianao.

marina izany naritsimba ary tsy azo ho difiana mihitsy izany.Matoa mahalala ny ao an-tokantrano ny olona aty ivelany dia nisy namboraka izany,raha tsy miasa ra lehilahy ka manampy ao an-tokantrano izy ohatra mandra-pahitany asa toa tsy olana angamba ,saingy ny ao anatiny no misy sy mety tsy mahazaka dia mibaradaka dia mivoaka toy ny akohokely ahelin'ny tokan'anaka ny tokantrano.

Misy anefa dia arakaraky ny fananan'ilay lehilahy no mahatonga ny vehivavy hanaja izay na tsy hanaja, hany ka miteraka fikorontanana io ary miafara @ ady ary dia rava ny tokantrano.
eto indray izany,ny vola no maharanagahy e.Manana izy dia tamy daholo na tanora vatony kely aza,firifiry ny tanora no mitady anti-mola oops,be vola hono ary dia miandry ny ahafantesany fotsiny aza ny sasany. mampalahelo indraindray ilay toe-tsaina,mety izy no alain'Atra mialoha eo oopss

Ny malagasy na mbola tsy nahalala ny fivavahana Kristiana aza dia efa nahalala izany, ary dia mbola manaja izany ny malagasy any anindran-tany, sy ny sasantsasany eto afovoan-tany, izany akory tsy misakana ny vehivavy tsy handray andraikitra ao anatin'ny fiaraha-monina misy azy(deputé, maire sns) saingy manaja ny rafi-piaraha-monina izay entin'ny lehilahy toy ny ampanjaka, tangalamena sns...
manaja manaja ihany fa ilay manao vady maro no tena dange be kouh

Koa anjaran'ny tsirairay foana no mandinika izay tokony ataony.
marina izany ary izay no izarana aza fa soa fianatra ho an'ny rehetra

49. niryna ( 07/06/2008 04:08)
rakapy:

Rakaroka> tsy ny lhl rehetra no manana io toetra voalazanao io.Ary raha niteny ianao fa ny vhv no mamorona ny tsy misy rehefa tonga ny fahasahiranana dia toa minia manadino ny asa sy adidy vitan'ny lhl nanditra ny fotoana mamy ianao. Raha resaka nahandro indray dia tokony hifampizarana ny raharaha ao an-trano raha toa ka samy miasa ny mpivady. Fa kosa tokony andraikitr' izay tsy mitady vola no mikarakara sy manao izay mampandeha ny ao an-tokatrano. I rangahy ve sady hitady vola no hahandro sakafo?
mifandamina dia mandeha ny tokan-trano ka.
ramatoa izany hiresaka @ namany sy hanosotra maquiage ary hanao douche fotsiny no ataony? dia mbola hihevitra ny tenany fa firavaky ny tokatrano fotsiny?
aiza kosa e,raha manositra maquillage izy ,tsy mba anao izay mahametimety koa ve izy ? iza no hijery azy eo fa tsy ny vadiny ihany ?
Fa adin'ny firy ny douche? tsemboka kosa izy koa,vonjena ny nahandro,ny ankizy alaina,ny fampirimana trano manginy fotsiny,ny sasa lamba manaraka ny arabe,aiza no tsy ho tsemboka amin'izany?
Firavaky ny tokantrano foana foana izy raha tsy efa misy ravadravaka mandehandeha angamba any ambadinmbadika any mitady handravaka ny tokan-tranony .hi,hi, oops.

Nyrina>Ary raha mbola ny baiboly no hitondranao 10%ny tokatranona @ izao fotoana izao dia tsy mantsy mbola hipetraka hatrany ilay hoe ny lhl no ambony noho ny vhv. Amiko dia tsy mitovy ny lhl sy ny vhv fa sahala.

Ny ahy dia omeko azy foana ny maha lohany azy,tsy midika mihitsy izany
fa ambony noho izaho izy,ny biby tsy manan-doha tsy mandeha,ary tsy maintsy misy ny fifandeferana sy ny tenin'Atra.
Na mahantra ,na manankarena,na salama na marary ho tia anao aho mandra-pihavin'ny fahafatesana..... Dia averiko indray ny tenin'ATra hoe ..Ra lehilahy hajao ny vadinao,ravehivavy hajao ny vadinao...mifanaja izany,mifanankalo hevitra ,tsy maintsy misy mitarika anefa eo ka ny iray no mitarika ary ny iray no ho taritina ...hannnn!!!

50. niryna ( 07/06/2008 04:21)
rakaroka:

Tena à l'infini ny safidy ka : Ary ny navalin'ity makorely iray aza:" ny azy hono no amidiny fa tsy ny anao!...". Ny "blem" hono tsy hoe nanao "corruption" tahaka ny mpivavaka maro izy , samy manana ny helony hono! tsy mifampitsara ! Ny mahatonga ny "ésprit" de révolte anie dia fihoirana amin'ny zava-maro tsy eken'ny saina: Misy tsy eken'ny saina ny "situation maro" dia
zary mihoitra amin'ny saim-pantany ny tsi1/1. Ary "point négatif" koa no omendrizareo ny vhv mamelona lhl. Donk na misy reny mety ho idéal aminao aza : "tsy réference" koa ho an-drizareo.

ka izy ary izany mivarotra ny tenany,mety tsy ho fidiny azy izany ary raha ny fanazavanao azy eo ambony eo indray dia toa sitrapony indray ilay izy,raha k ohatra ka tsy manantsafidy izy tsy hanao vava toa izao.Tsy misy nenina ao aminy fa mampitaha azy amin'ny mpivavaka aza izy
.Marina fa samy manana ny helony ,koa maninona raha mahafantatra ny helony izy no tsy mibebaka fa variana mitsikera ny hafa ....mbola te hanao ny fanaony izy ka any amin'ny hafa no hanalana ny soketa .. tahaka ny mpivavaka maro Raha vao ny olona no mampitaha amin'ny hafa dia efa ao izay ilay ambo na pride ary io dia isany heloka satria natao hanetry tena isika fa tsy hanandratra,natao hanompo fa tsy ho tompoina sa tsy izany ?

Na inona mahazo antsika ,na inona heloka nataontsika e raha miaiky isika ka mibebaka amin'Atra dia ho voafafa avokoa izany fa raha ny ataontsika fasaromantsika kanefa dia eo foana ny hoe ireo kristiana ireo toa izao sy izao...Tadidio fa manondro olona ny fanondron-tsika iray fa ny telo aty amintsika ary ny iray mbola any an-karatra mitady ho tondroina ihany koa

:roll:
51. niryna ( 07/06/2008 04:29)
prime:
Fa raha ny nitondran'i niryna ny resaka no zohina dia tsy misy fanazavà na hafa afatsy ny hoe, ny lahy no lohan'ny vavy... tsy resaka sefo na lehibe na vola na harena izany fa mirohy tsara amin'ny fifandraisan'i Kristy sy ny fiangonana... ka na lasa mahantra, na lasa tsy an'asa, na kilemaina, na tsy manao n'inon'inona ralehilahy, ny tenin'Andriamanitra tsy niteny mihitsy hoe fa amin'ireto "conditions" ireto dia miala aminy ny mahalohany azy...

mitovy hevitra aminao koa aho araka ny maha kristiana sy ny voasoratra ao amin'ny soratra masina
rakapy:
Nyrina>Ary raha mbola ny baiboly no hitondranao 100%ny tokatranona @ izao fotoana izao dia tsy mantsy mbola hipetraka hatrany ilay hoe ny lhl no ambony noho ny vhv. Amiko dia tsy mitovy ny lhl sy ny vhv fa sahala.

niryna:

Kristy no lohan''ny fiangonana ary toy izany ihany koa ny lehilahy no lohan'ny tokantrano.
mitovy hevitra amin'i prime aho ary izay koa no tiako resahina

52. rakaroka ( 07/06/2008 14:42)
'zaho io tsy dia faly hanohitra ny voalaza fotsiny sanatria!.
Raha miteny i Rakapy hoe tsy voatery hiaraka, ka justement BBbe indrindra koa ny misaraka, ary vao miha aza mahita "tsirony" @ izany. Misy ramatoa namana maro...mbola misy "mpangataka" maaro aza! fa "aoka izay" hoy izy ireo!
Ary dia mahatsiaro "milamina sy miaina kokoa rizareo nialana geza sy fatopatotra indrindra "Charge"Bbbe izany!
Ny resako toa tsy tsotra araka ny tsipona isan-karazany: jereo itony manjoa ny vhvntsika lasa atsy Liban : http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4840252594c0a
Fa naninn loatra aza no vhv no lasa "cobay" ilain-drizareo hanorina tanàna: 'Taoko" ny "herin-dehilahy no mifanahantsahana @ izany?...Sa tsy opérationnel ny lhl? Dia mbola voaporofo fa ny vhv ihany no ilain'ireo vahiny!...
Ka izany no mahatonga ahy mitady ny "utilitén'ny lhl! Sanatria tsy hoe tsy misy ilana azy: "mampalahelo loatra, fa tsy "izaho anie" no mi-embauche an-drizareo, fa satriko koa ny hisian'izany lhl "vanona: voara" tsy lo!
53. rakapy ( 07/06/2008 20:16)
:-D :-D :-D Ka tsy very ve izany ny vhv raha izany Rakaroka? Nialana ny asa tao an-tokatrano mba hiasa any ivelany, nefa avy eo dia milaza indray fa mafy tsy zaka ny asa any ivelany. Dia hitady inona indray? :-D :-D :-D
Toa mampatsiahy ahy ilay ady nifanaovan'ilay namako tamin'ny vadiny indray andro ity resakao ity.
Nitaraina sy nahatsapa fa toa mpiasa an-trano hono ny vadiny ka dia nitady asa. Dia nahita soa aman-tsara. Kelikely taty aoriana dia mitaraina ho vizaka sy valaka ary tsy tia ny asany ity vadiny isaky ny mody. I rangahy nefa @ io dia sady miasa no mandray andraikitra ao an-tokatrano isana'andro. I ramatoa dia mipetraka sy mitaraina ary mimenomenona no mba ataony rehefa tonga avy miasa. Dia hoy i rangahy indray andro. Manaova "demande d'emploi ho Mpanjaka vavy eny anatirova raha toa ka manahirana anao daholo ny fiainana .Toa efa hisokatra atsy ho atsy manko ny rova eny Manjakamiadana. :-D :-D :-D
54. niryna ( 08/06/2008 04:43)
rakaroka:

'zaho io tsy dia faly hanohitra ny voalaza fotsiny sanatria!.
Raha miteny i Rakapy hoe tsy voatery hiaraka, ka justement BBbe indrindra koa ny misaraka, ary vao miha aza mahita "tsirony" @ izany. Misy ramatoa namana maro...mbola misy "mpangataka" maaro aza! fa "aoka izay" hoy izy ireo!
Ary dia mahatsiaro "milamina sy miaina kokoa rizareo nialana geza sy fatopatotra indrindra "Charge"Bbbe izany!
Ny resako toa tsy tsotra araka ny tsipona isan-karazany: jereo itony manjoa ny vhvntsika lasa atsy Liban : http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4840252594c0a
Fa naninn loatra aza no vhv no lasa "cobay" ilain-drizareo hanorina tanàna: 'Taoko" ny "herin-dehilahy no mifanahantsahana @ izany?...Sa tsy opérationnel ny lhl? Dia mbola voaporofo fa ny vhv ihany no ilain'ireo vahiny!...
Ka izany no mahatonga ahy mitady ny "utilitén'ny lhl! Sanatria tsy hoe tsy misy ilana azy: "mampalahelo loatra, fa tsy "izaho anie" no mi-embauche an-drizareo, fa satriko koa ny hisian'izany lhl "vanona: voara" tsy lo!

:D
misaotra betsaka rakorako nizara a.
Raha ny fiainana ankehitriny aloha dia hiaraha-mahalala fa mihasarotra e,ary raha resaka fivavahana indray dia tena mirangorango mihitsy satana mamotraka ny tokantranon'ny olona.
Jereo fotsiny misy firenena izay tsy tononin'ny gasy ny anarany noho ny fihetraketrahany(tavaratra) hialako tsiny io a.Lehilahy iray manambady firy?
Miteraka firy? ary maka fanampiana amin'ny fanjakana daholo? feno sakafo ny posiposy ,satria ahoana ? toa vola adala-tompo.Raha izao no mitohy dia ahantra tsy ho ela ilay firenena. Tsy mitsabaka ny firenana aho akory fa kosa misy mihevitra fa hoe lohany dia manao izay hiadanin'ny kibony.Fivavahana moa no resaka eto ka mazava ho azy fa tsy mino ny fanambadiana (iray ihany izy).

Tsy ny lehilahy rehetra kosa no ratsy e,mbola maro ihany no olona tsara ary hoy ny fitenin'ny olona hoe ,efa lasan'olona daholo ny tsara :D
55. niryna ( 08/06/2008 04:46)
rakapy:

:-D :-D :-D Ka tsy very ve izany ny vhv raha izany Rakaroka? Nialana ny asa tao an-tokatrano mba hiasa any ivelany, nefa avy eo dia milaza indray fa mafy tsy zaka ny asa any ivelany. Dia hitady inona indray? :-D :-D :-D
Toa mampatsiahy ahy ilay ady nifanaovan'ilay namako tamin'ny vadiny indray andro ity resakao ity.
Nitaraina sy nahatsapa fa toa mpiasa an-trano hono ny vadiny ka dia nitady asa. Dia nahita soa aman-tsara. Kelikely taty aoriana dia mitaraina ho vizaka sy valaka ary tsy tia ny asany ity vadiny isaky ny mody. I rangahy nefa @ io dia sady miasa no mandray andraikitra ao an-tokatrano isana'andro. I ramatoa dia mipetraka sy mitaraina ary mimenomenona no mba ataony rehefa tonga avy miasa. Dia hoy i rangahy indray andro. Manaova "demande d'emploi ho Mpanjaka vavy eny anatirova raha toa ka manahirana anao daholo ny fiainana .Toa efa hisokatra atsy ho atsy manko ny rova eny Manjakamiadana. :-D :-D :-D

=)) =))
Nisy lehilahy tsy niasa izay koa dia izy daholo no nanao ny raharaha rehetra,tena leony hono izy e.Nony nahita asa izy,ilay ramatoa tsy miasa dia mbola ilay rangahy ihany no asiany manao ny asa rehetra ...
56. rakapy ( 08/06/2008 05:11)
Ka izay mihintsy anie ilay izy ry Nyrina e! Zavatra hifanaovana ilay izy fa matetika ny vhv no mimenomenona :-D :-D :-D
57. rakaroka ( 11/06/2008 10:01)
[quote=rakapy]
:-D :-D :-D Ka tsy very ve izany ny vhv raha izany Rakaroka? Nialana ny asa tao an-tokatrano mba hiasa any ivelany, nefa avy eo dia milaza indray fa mafy tsy zaka ny asa any ivelany. Dia hitady inona indray? :-D :-D :-D
Toa mampatsiahy ahy ilay ady nifanaovan'ilay namako tamin'ny vadiny indray andro ity resakao ity.
Nitaraina sy nahatsapa fa toa mpiasa an-trano hono ny vadiny ka dia nitady asa. Dia nahita soa aman-tsara. Kelikely taty aoriana dia mitaraina ho vizaka sy valaka ary tsy tia ny asany ity vadiny isaky ny mody. I rangahy nefa @ io dia sady miasa no mandray andraikitra ao an-tokatrano isana'andro. I
:roll:
Mety misy fahamarinany angamba ny voalazanao, ary mi-reonnaitre aho hoe
tsy ny lhl rehetra no kamo be tenda sy toa akololahy avo fo sy mampidra fantsy fa "NAHATSAPA" "cas maro aho nanaovako "analyse" mihitsy hoe "ao anatin'ny fe-potoana voafetra, matetika efa mahasahana zavatra am-polon'ny fiainana ny vhv maro raha tsy miatrika afa-tsy zavatra iray monja ny lhl. Raha
"connu" @ zavatra iray ataony izy c'est normal s'il n'a fait que çà alors.. Ny filazana hoe mamela ny asa tokan-trano ny vhv compte tenu hoe tsy vitan-drangahy tsinona ny fidiram-bola. Ary raha fantatra aza fa ny koks no misy créneau dia aza faly mitsara fotsiny rehefa déjà tsy nanak'hafitsoka! Ka 'zay aza ny solution mbô hitany ko 'ngaha moa ny iainana ity vitavita @ izao?....
58. prime ( 11/06/2008 10:25)
rakaroka> :)
59. prime ( 11/06/2008 11:13)
rakaroka> :)
60. rakaroka ( 11/06/2008 11:52)
prime:

rakaroka> :)


Salut Prime! Tsy 'naro mbamin-dry Rakapy kosa anie no lazaiko fa jereo aza ny firenena Malagasy ankehitriny zary mametra ny zaza teraka raFanjakana, satria nahoana?.... satria "blem" bbbe ilay famelomana. ary ny "enquete izay tsapako mitombina tsara dia hoe "iza no rain'ny zaza?..." matetika io satria ilay izy tsy vitan'ny hoe nateraka ftsn! Donk izay no antsoiko hoe misy "responsabilisation'ny lhl apetraka: tsy fanenjehana akory izany. Ary teny ho eny maro ny vhv tampin-dalan-kaleha satria tsy mba voahomana hiatrika ny fiainana. Dia tahaka an'i Jesoa tsotra be ny teniko hoe:
"izay tsy nanota t@nareo no aoka hitorabato azy!" :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0042