adivory

1. rakotoline ( 20/04/2008 05:59)
:( miarahaba ny rehetra na ela aza noho ny andraikitra maro, misy mahalasa saina ahy ka sao mba pmisy mahalala ny tantara momban'ny adivory,misy milaza fa ny mpanjaka taloha no mipetraka amin'iireny ,as fa sao misy mahalala,hisaorana mialoa ,mety tsy tokony eto angamba ty resaka ity nefa te halala ny hevitry ny maro aho ,misaotra e :roll:
2. Jeankely ( 20/04/2008 08:19)
Mety tsy diso toerana raha olona lehibe andafy tsy mahalala an'i Madagasikara ianao nefa zanaka Malagasy. Voalohany dia ady hatrany ny fiainana taloha hainao kosa izany. Nifanafika ary izay resy handevozin'ny sasany. Noho izany dia fiarovana ny adivory. Tsy nisy tetezana tsarabe sahalan'ny misy anao izao taloha, fa milatsaka ao @ adivory vao miakatra noho izany mora ho an'ny avy eny ambony ny mitsipona mitoraka lefona na manjera vato ireo mitady hanafika mba tsy ho tafakatra tanana. Tsy ny ao Madagasikara ihany no misy io fa ny anarany fotsiny no samihafa. Ankehitriny moa dia mbola misy ny firenena miady izay ianao angamba no mahalala be noho izaho. fa ny antsiaka kosa moa dia "retraite" tsy nanao "Guerre" ny Miaramila ary tombony ho antsiaka izay. Saingy fahavoazana satria mihevitra ny sasany fa mandeha ho azy ny fiainana ka samy manao izay daninin'ny kibony. Farany lazaiko anao koa raha mbola tanora ianao dia aza adino fa ny Diaspora no afaka mampandroso faingana ny tanana niaviany amin'ny fitondrana ny endrika vaovaon'ny fandrosoana any @ taniny. Porofon'izany dia saika Sinoa mpanana ivelany na Indian mpanana ivelany no miverina manangana zavatramaro any @ taniny.
3. booboo ( 20/04/2008 10:02)
" Hadivory " no izy fa tsy " adivory ". Dia tsy tokony any @ Kolotsaina tokoa ve no misy an'ito ?
Mariky ny fisiana tanàna taloha ny hadivory ; na ndraindray koa hoe nisy andriamanjaka kounkou tao.
Kibory² mihodidina ny tanana ny hadivory, natao hiarovana ny tanàna. Dia tsy ankasa foana ny isany fa tsy haiko hoe maninona ( 3, 5, 7 ...). Ny tamboho kounkou tsy ankasa foana ny isany fa HS.
Tsy maintsy misy vavahady foana kounkou niaraka t@ hadivory taloha ( lé vato beee kibory² be ohatra lé eo Ambavahadimitafo sy Analamanga ireo ).
Izay ihany no haiko momba ny hadivory.

4. kiadi ( 20/04/2008 10:09)
inona ny dikan'ny "kounkou"? teny gasy ve io? :-D :-D :-D :-D
5. rakotoline ( 20/04/2008 10:53)
:D misaotra re tompoko zay namaly fa nisy namako mantsy nilaja fa ao an-tananany misy io ary niady hevitra teo zahay dia hoy aho taminy aleo manotany izay tena mahalala fa tena very isika izany nefa gasy tsy malala ny tena izy fa variana amin'ny fitolomana vie fotsiny,misaotra e,dia ahoana ny momban'io bouboun io,mba azavao raha azo atao,misaotra :^)
6. Ratoa ( 27/06/2009 21:43)
Ny tanànan'andriana no misy hadivory. Ny tsy andriana dia sady tsy nahazo nipetraka no tsy nahazo nilevona tao an-tanàna nisy hadivory tamin'ny faha-mpanjaka. Any Ilazaina misy tanàna misy hadivory, Ambohitrarahaba koa, Antasahadinta, Ampitatafika, toerana hafa koa.
Ny hova sy ny andevo tsy mahazo mipetraka @ ny tanàna misy hadivory. Misy trano manara mandrakariva ny fasana anaty hadivory.
Ankehitriny anefa dia totofan'ny mpandova izy ireny. mampalahelo ihany satria vavolombelon'ny tantara izy ireny.
Tamin'ny firenena hafa koa dia ny tanànan'ny andriana (noblesse) no nisy hadivory. Mandrakariva misy zohy (tunnel) ao anaty hadivory mivaoka lavitra ny tanàna raha tena mafy ny ady ka ilaina ny mandositra; misy làlana miafina mampitohy ny tanàna sy ny hadivory (ny any Madagasikara no lazaiko)
7. Zomahenina ( 24/10/2013 09:31)

rakotoline:

:( miarahaba ny rehetra na ela aza noho ny andraikitra maro, misy mahalasa saina ahy ka sao mba pmisy mahalala ny tantara momban'ny adivory,misy milaza fa ny mpanjaka taloha no mipetraka amin'iireny ,as fa sao misy mahalala,hisaorana mialoa ,mety tsy tokony eto angamba ty resaka ity nefa te halala ny hevitry ny maro aho ,misaotra e :roll:

Tsy hoe diso akory ireo voalazanareo ireo raha hilaza zavatra somary mifanipaka kely aminy aho. Izany hoe manamafy fotsiny aho. Amin'ny ankapobeny, ny Merina sy ny Betsileo no tena nampiasa ny Hadivory raha toa ka Manda no hita matetika nampiasain'ny tany anindrana; ny antony dia tsotra ihany: noho ny "relief" sy ny toe-tany (modraka ny tany any amorontsiraka ka mety hihotsaka raha lavahana lalina).Natao hiarovana ny tanàna tokoa io hady io (ny hadivory mihitsy no tanàna), ary tsy voatery ho mpihavana no miaraka monina ao fa rehefa olona ka manaiky ny velirano natao tany amboalohany dia afaka(io ilay antsoin'ny Ntaolo hoe "FAMATO"). Izao no fomba arahina rehefa handavaka Hadivory: mifanaraka tsara aloha izay izay honina ao, dia maka mpanandro (manampahaizana tamin'izany fa tsy araka izay heverantsika azy ankehitriny satria izy no mahay ny momba ny tany sy mamantatra ny toetr'andro) hanondro ny toerana sy ny andro hanaovana ny asa; angonina daholo izay vato mety hilaina rehetra ao anaty Hadivory(ny vato eo amin'ny vavahady rehetra rehetra, ny amin'ny fototra ilàna vato tsy misy azo hadinoina izany raha teo no ilàna mpanandro.) dia manomboka ny asa ka ny olona manatanteraka izany dia ireo manodidina tapaka (mbola porofon'ny firaisan-kinan'ny Malagasy taloha izany). Taloha dia hazo lava no nandavahana raha mbola tsy nahay nanefy ny Ntaolo (manomboka any amin'ny rambo-kady no lavahana hahitana ny fianjeran'ny rano). Raha hefa izay dia atomboka amin'izay ny velirano ka: maka osivavy maty anaka halatsa-drà eo amin'ny toerana misy ny vavahady ary alevina eo ny taovany rehetra ("izay mivadika amin'izao velirano izao dia ny alahelon'io osivavy io no hiatra aminy").Nasiana zohy mampitohy ny Hadivory samy hafa hialana amin'ny fahirano sy ny mety ho faharavan'ny vavahady(resin'ny mpanafika) Tokony hanome ohatra aho fa saingy vao efatra eo ho eo no hitaka ka tsy afaka milaza aho hoe misy daholo rehefa hadivory. Afaka mipetraka anaty hadivory tsara ny hova sady afaka manao ho azy saingy tsy mahazo manao fasana anatiny fa any ivelany na antsosokady. Marika ahafantarana hoe tanànan'andriana izany na tsia ny fisian'ny fasana ao anaty hadivory. Ny miaramila tsy dia nilaina hiambina ny tanàna fa misy Famato izay miaro ka raha misy olona mitady sy miheritra ratsy amin'ny tanàna dia mahita loza (finoana), ary nandaitra izany. Hainareo ny tantaran' Isoavina? raha tonga ny Frantsay tsy afaka niditra ny tanàna mihitsy izy noho io Famato io ka nasainy noravana ny vavady ka nahatonga ilay fitenenana hoe "mibanabana ohatra ny vavahadin'Isoavina": nisy manko ny didy tamin'izany hoe tsy ataon'ny frantsay n'inon'inona izay mivoaka ny Hadivory fa izay tsy mety mivoaka kosa haringana noho io Famato io ihany no antony (aza adinoina fa ny Frantsay ihhany koa nampiasa "grgr" nefa ts naharesy ny Famato izy). izay aloha fa amin'ny manaraka indray milaza misimisy fa mbola betsaka no tsy voalaza satria raha mahafantatra ny momba ny Hadivory ianao dia mahay ny fomba nitantanan'ireo andriana taloha ny fanjakany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2102