VARY

1. bida ( 14/04/2008 19:41)
Efa misy fepetra ve azo ampiharina mivantana ho any firenena malagasy raha tojo ny crise momba ny vary toy ny mahazo ny firenena hafa (Inde, Haïti, ...) ???
novalian'i soanja ny 24/09/2009 03:13
2. melody ( 14/04/2008 19:51)
henoko tokoa ilay vaovao momba ny 'shortage' @ vary, ka asa raha efa tonga any dago sa mbola aty @ tany hafa... fa na dia izany aza, tokony hieritreritra an'io mihintsy ny tombon'andraikitra rehetra dieny mbola tsy crise any amintsika...
3. TIABESERA ( 04/08/2009 10:54)
Mba manana ambara koa izaho amin'ny ity resaka vary ity!
Efa ela izaho ny resy lahatra fa ny tekinika amparitaka eto amintsika mikasika ny fambolena dia efa tsy mifanaraka amin'ny fampandrosoana misy manerana izao tontolo izao.
Aiza ve amin'izao taonjato hiainantsika izao, dia mbola mahita tantsaha maro izaho mampiasa sandry, herimbatana amin'ny resaka fambolena (miasa Angady, manosika sarcleuse anaty fotaka amin'ny kilometatra maro, sns...). tena taraiky be isika e! (Ingénieur Agronome no manoratra eto). Tsy mahagaga raha mahita ireo namana teo aloha mitaintaina amin'ny mety tsy fahampian'ny vary!
tsy ny tantsaha velively no kamo, araky ny filazan'ny sasany azy, fa ny hery hoenti-miasa no tsy maharaka e!
Dia mety hiteny ianao hoe inona ary ny sosonkevitrao mba miseo ho Agronome io (mba tsy hilazana hoe ianareo Agronome mihitsy anie izany no tsy mamely e!)!
Dia hoy aho hoe, tsy afa-manoatra izahay satria raha hiteny hoe tsy voatery mitsingolika manetsa amin'ny 4 maraina ao anaty fotaka akory ny vehivavy vao mety maniry ny vary, na koa hoe, tsy voatery manosika sarcleuse amin'ny kilometatra maro anaty fotaka ny lehilahy vao betsaka ny vokatra, fa misy ny atao hoe semis direct na repiquage à la volée..., misy ny "herbicides" izay fampiasan'ny firenena maro mpamboly vary erantany.
Ny valiny mety ho azoko indray dia ny hoe: manimba tontolo iainana ny herbicides sady tsy takatry ny fahafaha-mividy ny tantsaha sns... andontoantsaina mba tsy hampandroso e!
Mbola maro ambara izaho amin'io fa miandry anao fotsiny hamaly dia tohizako ny resaka amin'ny manaraka
4. soanja ( 24/09/2009 03:13)
Tohizo hatrany ny resaka fa mahaliana ka.

Zah zao manontany tena foana hoe fa nahoana foana isika no tsy manao ilay Ketsa 8 andro e. Iny efa tena hita fa mandaitra be tokoa. Inona no mila ovana amin'ny toetsain'i gasy vao hanaraka an'io isika fa tena sempotry ny fahantrana ilay firenena nefa ny vahaolona hamokaram-bary betsaka efa miha hita ihany. Sa ve diso zah? Tsy Agronome no miresaka aminao io fa tantsaha le mahazatra ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4427