Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra rehetra

61. Fody ( 21/04/2008 13:03)


Mandefitra: Lazao amiko àry hoe: Aiza ao amin'ny Baiboly no milaza fa Trinite Masina izy Andriamanitra. Aiza ao amin'ny Baiboly no misy an'io voambolana Trinite Masina io ?


Manaraka: Aiza ao amin'ny Baiboly no milaza sy manazava fa i Jesoa dia tena Andriamanitra ary tena Olombelona ?

Raha nazava sy voalaza tao amin'ny Baiboly ireo rehetra ireo dia tsy nisy ny olana tamin'ny arianisma, sns... Fa matoa nisy ny olana dia satria tsy voalaza na tsy voazava ireo.

De hoy aho hoe: mandinihà ihany vao mitsikera ra-mandefitra fa aiza dia aviavy be fahatany!
62. Fody ( 21/04/2008 13:21)

Mandefitra:
Aiza ao amin'ny Baiboly koa no milaza fa ny FANAHY MASINA dia OLONA FAHATELO ao amin'ny Trinite Masina ? Lazao azafady!

Misaotra
63. prime ( 21/04/2008 13:43)
Fody, Ika> :)
64. cutie ( 21/04/2008 13:58)
fa mba asio valiny ry ika le fanontanian'i lizabeth hoe:"inona momba an'Andriamanitra no tsy hita ao amin'ny baiboly ohatra fa tsy lazaina fotsiny hoe tsy ampy dia vita !"

za koa miandry :-D
65. ikaretsaka ( 21/04/2008 15:43)
efa io voavaly io ambony io ry cutie a.. mamakia tsara

tsy misy miteny tokoa ao hoe ny Fanahy masina dia Andriamanitra,
ny trinitology tsy ao anaty baiboly mihitsy ary tsy voazava mazava tsara, raha baiboly ihany no ifotorana nefa inoan'ireo soi disant ho mifototra @ baiboly irery ihany!
dia hoe Telo olona iray!

prime> contreo miaraka @ proof raha tsy izany le izy ! :wink:.. dia raha iznay dia miaike!
66. cutie ( 21/04/2008 15:46)
64. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 21-04-2008 17:43:21
Lohateny : Re : Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra reh
efa io voavaly io ambony io ry cutie a.. mamakia tsara

tsy hitako e :-D
67. ikaretsaka ( 21/04/2008 15:57)
jereo hafatra 57-58
dia maso tena maso ampiasaina fa tsy ny mason-koditra.... ok?
68. pissoa ( 21/04/2008 16:03)
Io amin'ny 64 io koa le izy efa naverin'i Ikaretsaka ...
dia maso tena maso ampiasaina fa tsy ny mason-koditra.... ok?

Aza mampime hoa =)) =)) =))
69. rakaroka ( 21/04/2008 20:00)
Ny tsy normaly amiko dia ireo olona milaza fa "ampy" ny baiboly: On dirais hoe tsy namaky tsara rizareo 8O :roll: 8O :^) :^) :^) . Satria hihevitra izy fa "takatry ny sainy ve ireo voavakiny ilazany hoe "ampy"? Sinon dia lazaina fa "ampy tsotra izao noho ny fiekena fa "ambany na tsy ampy saina".
Fa raha tena "asesintsika ny famakiana izany, na vao genesisy fotsiny aza dia Be no ho fanina :roll: :^) :^) :^) :^) :^) :^) .
Ireo manao hoe ampy ny baiboly mba hazavao "mazava" hoe ny hoe:
"Ary tamin'ny voalohany ny teny dia tao amin'Andriamanitra, ary ny teny dia Atra. Izay fotsiny ohatra. :^) :^) :^) :^) :-P
70. Mandefitra ( 22/04/2008 04:51)
Ny resaka eto ange raha azoko tsy resaka ampy sy tsy ampy ... efa dinika lavabe ngamba ny momba an izany ... efa nisy version 1, 2, 3 mitsy.
Ny resaka Trinite ve tsy notovozina tao @ Baiboly, sa loharano avy aiza no nanovozan' Ika sy Fody an le izy?

Jaona 4:24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny Fanahy sy ny fahamarinana

Mihomehy marina no fahendrena Ra Prime ....
71. rakaroka ( 22/04/2008 06:39)
Koa misoratra ery amin'ny lohantenin'ity "size" hoe :"tsy mahalaza ny momba an'Andriamanitra rehetra": izany hoe raha azoko tsara misy any an-kafa koa mameno sy miresaka ny momba an'Atra fieritreritra fa tsy hihanona fotsiny amin'izay voasoratry ny baiboly. Donk naman'ny tsy ampy izany, d'autant plus voafetra dans le temps et dans l'espace ny voasoratra ao, tsy tafapaka amin'ny tontolo! 8O
72. Mandefitra ( 22/04/2008 07:17)

Ka ny mampihomehy an le mpitondra dinika anie, angatahana ohatra izy , avy ao anaty Baiboly ihany no nangadiana ilay hevitra (Trinité).
Ary raha lazaina hoe tsy ara-tsoratra Masina ny toy zao, sarotiny mitsy mitanisa toko sy andininy, mampiady masony, fa hoe ao io.
Ka ny tsy azoko dia lay endrika fanilihana rehefa tsy mitovy firehana @ tena, nefa loharano iray ihany no nipoirana.
73. pissoa ( 22/04/2008 09:16)
Oadray zany Mandefitra kosa kle !

Jaona 4:24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny Fanahy sy ny fahamarinana

Toa hoe Andriamanitra dia fanahy no soratra eto fa tsy hoe Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra ! Diniho fa tsy mitovy ireo :-D :-D :-D
74. Fody ( 22/04/2008 09:20)


Dia lazao eto ramandefitra hoe: Aiza ao amin'ny Baiboly no misy an'io Voambola io hoe: Trinite Masina!


Raha nilaza i Jesoa fa Andriamanitra dia Fanahy: Iza no nolazainy Fanahy Masina sa Andriamanitra Ray ?

Aiza ao amin'ny Baiboly koa no milaza fa ny Fanahy Masina dia Olona, ary Olona fahatelo ao amin'ny Trinite Masina.

Lazao koa hoe: aiza ao amin'ny Baiboly no milaza fa: i Jesoa dia olona iray (une persone) fa misy natiora roa ao aminy dia ny an'Andriamanitra sy ny an'ny olombelona. Lazao!


Valio ilay fanontaniana azafady,

Misaotra.
75. lizabeth ( 22/04/2008 10:41)
Fody:



Mandefitra: Lazao amiko àry hoe: Aiza ao amin'ny Baiboly no milaza fa Trinite Masina izy Andriamanitra. Aiza ao amin'ny Baiboly no misy an'io voambolana Trinite Masina io ?


Manaraka: Aiza ao amin'ny Baiboly no milaza sy manazava fa i Jesoa dia tena Andriamanitra ary tena Olombelona ?

Raha nazava sy voalaza tao amin'ny Baiboly ireo rehetra ireo dia tsy nisy ny olana tamin'ny arianisma, sns... Fa matoa nisy ny olana dia satria tsy voalaza na tsy voazava ireo.

De hoy aho hoe: mandinihà ihany vao mitsikera ra-mandefitra fa aiza dia aviavy be fahatany!




Ny teny trinité no tsy misy ao amin’ny Baiboly fa ny votoatiny dia voalaza ao amin’ny fomba maro. Ny trinite dia milaza ny famonjen’Atra am alalan’i JK. Raha azoko tsara dia aminao ny Baiboly tsy milaza io satria tsy misy teny milaza hoe trinité = Atra+Jesoa+Fanahy Masina.

Ny trinité dia endrika iray an’Atra, izay ao am tv no anehoana azy.
Raha mamaky ny Romana 1.1-4 ianao dia tokony ahita ireo lazainao ireo ao : « …Zanany, Izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery ho Zanak’Atra araka ny fanahin’ny fahamasinana tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia Jesosy Kristy Tompontsika ».
Nandritra ny fiainany dia hita foana ny maha olombelona sy Atra an’i Jesosy. Vizana sy natory ohatran’ny olona rehetra Izy ohatra tamin’ny niantsambo niaraka tamin’ny mpianany. Nefa, contrairement tamin’ireo mpianatra, nahavita nampitsahatra ny rivotra Izy. Nijaly sy nitete rà ohatran’ny nofo rehetra Izy teo amin’ny hazo fijaliana nefa amin’ny maha Atra azy dia namela helok’ilay jiolahy teo akaikiny, ohatra.
Momba ny Fanahy Masina dia manana ny maha Izy azy koa any amin’ny TT fa ao amin’ny TV dia fahatelo amin’ny trinité dia voalaza ao amin’ny Rom 8.11 : « ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo ». Tsy mahalaza ny fifamatoran’Atra sy Jesosy sy ny FM eo amin’ny fianan’ny zanak’olombelona ve izany ?

Tsy milaza aho fa io teny ao am Romana io irery no milaza io fa io no hahitako izany ary ny hafa mety mahita hafa. Tsy hilaza akory aza aho hoe ampy ny baiboly fa « riche » ny baiboly raha hilaza momba an’Atra. Ny TT dia milaza ny momba an’Atra : mpamorona, fahendrena, voninahitra…izay tsy ho voatanisa ka eo indrindra no tiako lazaina hoe efa hitanao daholo ve ireo toetran’Atra voalaza ao ka ilazanao amin’ny fomba miezinezina fa tsy ampy ny baiboly, tsy mahalaza ny momba an’Atra rehetra ? ankoatran’ny Baiboly dia ny olombelona sy ny zavaboahary amiko no manampy « mitory » an’Atra fa tsy boky hafa, milaza zavatra HAFA noho ny baiboly momba an’Atra. Tsy satria tsy mahazo révélation ao am Baiboly ianao dia hoe tsy ampy ny baiboly !

Fa hoy ianao hoe tsy voalazan’ny baiboly ireo : dia taiza aza no nahitanao fa Atra dia Trinite Masina, Ny FM dia Olona fahatelo, Jesoa dia sady Atra no Olombelona (izay ekenao)
76. cutie ( 22/04/2008 10:53)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 21-04-2008 17:57:32
Lohateny : Re : Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra reh
jereo hafatra 57-58
dia maso tena maso ampiasaina fa tsy ny mason-koditra.... ok?

tsy haiko ny dikan'zany :-D
mitenitenena foana eo ihany :-D
77. cutie ( 22/04/2008 10:57)
Hoy i Fody:
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa Andriamanitra dia Trinite Masina. Ary na io voambolana io aza dia tsy ho hitanao ao.
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa ny Fanahy Masina dia Olona Fahatelo ao amin'ny Trinite Masina.
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa i Jesoa dia sady Andriamanitra no Olombelona.



[quote]Fa hoy ianao hoe tsy voalazan’ny baiboly ireo : dia taiza aza no nahitanao fa Atra dia Trinite Masina, Ny FM dia Olona fahatelo, Jesoa dia sady Atra no Olombelona (izay ekenao)[/quote

de mbola miandry ny valiny foana koa ny aty :-D
78. Mandefitra ( 22/04/2008 11:15)
Manampy zay voalazan 'i lizabeth
Mark 3: 29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy

Iza no mamela heloka? tsy Andriamanitra va?

Ny maha olona sy maha Andriamanitra an'i Jesosy, voalaza ao @Baiboly aby zany ... naterak i Maria virijiny, notorotoronina t@ Fanahy Masina ....

Fa dia miandry ny valim-panontaniana zao hoe avy aiza no nahitanareo ny trinite ary refa tsy ao @ Baiboly?
79. Fody ( 22/04/2008 12:19)
Ny trinite dia milaza ny famonjen’Atra am alalan’i JK.

Eto aloha dia efa tsy ekeko. Satria ny Trinite Masina dia tsy milaza "action" fa "relation".
Raha azoko tsara dia aminao ny Baiboly tsy milaza io satria tsy misy teny milaza hoe trinité = Atra+Jesoa+Fanahy Masina.

Ny filazanao koa hoe: "Trinité = Atra + Jesoa + Fanahy Masina" dia midika avy hatrany fa Jesoa sy ny Fanahy Masina dia tsy Andriamanitra. Donc mbola laviko koa izany, satria Ny Ray, Ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia samy Andriamanitra avokoa.
« …Zanany, Izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery ho Zanak’Atra araka ny fanahin’ny fahamasinana tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia Jesosy Kristy Tompontsika ».

Dia aiza amin'io no milaza fa i Jesoa dia sady Andriamanitra no Olombelona.
Isika olombelona koa anie azo atao hoe: zanak'Andriamanitra rehefa mandray ny Fanahy Fanamasinana e! Fa moa ve isika Andriamanitra?
Nandritra ny fiainany dia hita foana ny maha olombelona sy Atra an’i Jesosy. Vizana sy natory ohatran’ny olona rehetra Izy ohatra tamin’ny niantsambo niaraka tamin’ny mpianany. Nefa, contrairement tamin’ireo mpianatra, nahavita nampitsahatra ny rivotra Izy.

Ataoko fa na i Moizy aza nahavita nampisaraka roa ny ranomasina mba hanavotana ny vahoaka Jody. Donc tsy ny fahagaga no ilazana fa Andriamanitra izy.
Momba ny Fanahy Masina dia manana ny maha Izy azy koa any amin’ny TT fa ao amin’ny TV dia fahatelo amin’ny trinité dia voalaza ao amin’ny Rom 8.11 : « ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo ». Tsy mahalaza ny fifamatoran’Atra sy Jesosy sy ny FM eo amin’ny fianan’ny zanak’olombelona ve izany ?

Vakio tsara ny voasoratra eto fa hoe: "raha ny fanahin'izay nanangana..." Tsy misy milaza hoe: Raha ny Fanahy Masina.
Ary dia mbola hamafisiny indray moa hoe: "Izay nanangana an'i Kristy Jesoa tamin'ny maty..." Iza no nanangana azy tamin'ny Maty ?

Somary hafahafa moa ity fomba fametrahanao fanontaniana ity: Tsy mahalaza ny fifamatoran’Atra sy Jesosy sy ny FM eo amin’ny fianan’ny zanak’olombelona ve izany?
Io dia midika amiko fa ho anao i Jesoa sy ny Fanahy Masina dia tsy Andriamanitra.

Tsy hilaza akory aza aho hoe ampy ny baiboly fa « riche » ny baiboly raha hilaza momba an’Atra.

raha ity hevitra lazainao ity dia tena manaiky aho. Ary mahatsapa an'izany koa.
Ny TT dia milaza ny momba an’Atra : mpamorona, fahendrena, voninahitra…izay tsy ho voatanisa ka eo indrindra no tiako lazaina hoe efa hitanao daholo ve ireo toetran’Atra voalaza ao ka ilazanao amin’ny fomba miezinezina fa tsy ampy ny baiboly, tsy mahalaza ny momba an’Atra rehetra ?

Tsy mila mamantatra an'ireo rehetra voalaza ao amin'ny Baiboly dia efa afaka milaza fa tsy mahalaza ny momba an'Andriamanitra rehetra izy.
Antony:
1 - Raha voafaritra sy voalaza daholo ny momba an'Andriamanitra dia midika fa diso ny filazana fa tsy manam-pahataperana izy, tsy taka-pesipesena, sns...

2 - Ataonao ahoana moa ny hilaza ny momba an'Andriamanitra ao anatin'ny Boky iray, izay inoanao fa lehibe noho ny olona sy zavatra rehetra, nefa na dia ny momba ny olona iray aza tsy ho voalazanao ao anatin'ny boky iray akory?

3 - Raha voalazanao ny momba an'Andriamanitra rehetra dia midika fa "kely" noho ianao izy izany, satria fantatrao ny aminy rehetra. Dia vakio ny ao amin'ny Salamo izay milaza fa Andriamanitra no mahalala ny momba antsika rehetra satria kely sy bitika isika eo anatrehany.

4 - Raha fantatrao ny momba an'Andriamanitra rehetra dia midika koa fa azonao fehezina izy izany. Izay anefa ve no izy ? sns....

ankoatran’ny Baiboly dia ny olombelona sy ny zavaboahary amiko no manampy « mitory » an’Atra fa tsy boky hafa, milaza zavatra HAFA noho ny baiboly momba an’Atra. Tsy satria tsy mahazo révélation ao am Baiboly ianao dia hoe tsy ampy ny baiboly !

Ianao ihany dia efa manohitra ny zavatra lazainao eto. Raha ampy mantsy tsy tokony hampiana intsony.

Ary izaho raha milaza fa tsy ampy ny Baiboly dia tsy milaza fa tsy mamaky Baiboly aho izay, na mandà izay voalaza ao. Na mitady boky hafa manohitra ny Baiboly. Aminareo mantsy rehefa milaza hevitra iray izay tsy hitanareo izay hanoherana azy, nefa marina dia lazaina fa tsy manana an'i Jesosy na manana Andriamanitra hafa.

Fa hoy ianao hoe tsy voalazan’ny baiboly ireo : dia taiza aza no nahitanao fa Atra dia Trinite Masina, Ny FM dia Olona fahatelo, Jesoa dia sady Atra no Olombelona (izay ekenao)

Ny Boky milaza momba an'Andriamanitra betsaka, araka izay nolazainao dia ny Baiboly.
Io no niaingan'ny fandinihana. Fa tsy nijanonana teo amin'ny SORATRA, na izay voasoratra, fa nampifandraisina tamin'ny fomba fisehon'Andriamanitra teo amin'ny fiainan'ny olona, izay tsy hary voasoratra daholo.

Aza adino fa tsy izay voasoratra ao amin'ny Baiboly ihany akory no lazaina hoe: teny avy amin'Andriamanitra, fa maro ny teny nolazainy tsy voarakitra an-tsoratra.
Ary izay tsy voasoratra dia tsy midika hoe: "manohitra ny Baiboly" akory.

Misaotra.
80. cutie ( 22/04/2008 12:26)
Voalaza teo :
Fa hoy ianao hoe tsy voalazan’ny baiboly ireo : dia taiza aza no nahitanao fa Atra dia Trinite Masina, Ny FM dia Olona fahatelo, Jesoa dia sady Atra no Olombelona (izay ekenao)

Ny Boky milaza momba an'Andriamanitra betsaka, araka izay nolazainao dia ny Baiboly.
Io no niaingan'ny fandinihana. Fa tsy nijanonana teo amin'ny SORATRA, na izay voasoratra, fa nampifandraisina tamin'ny fomba fisehon'Andriamanitra teo amin'ny fiainan'ny olona, izay tsy hary voasoratra daholo.


omeo ny ohatra :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4427