Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra rehetra

21. cutie ( 14/04/2008 18:12)
Dia mbola manamarina ny fanamarinan'i Fody fa tsy mahalaza ny mikasika an' Atra rehetra tokoa ny "baiboly" fotsiny.

tsy ampy zany ?? sa .......
22. kiranil ( 14/04/2008 18:19)
Miarahaba,

Ny anombohako ny fandraisako anjara eto dia ito tenin'i Apostoly Paoly ito:

Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,

mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.


Averiko mazava tsara ireto teny ireto:

- HO FANITSIANA NY DISO

- HO FITAIZANA AMIN'NY FAHAMARINANA

Mety diso avy isika rehetra. Tsy misy olona marina na dia iray akory aza eo anatrehan'Andriamanitra. ary izay no ilana ny Soratra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra hanitsiana izay diso ary hitaiza ao amin'ny fahamarinana.

Raiso ohatra amin'ny tenako.

Mahatsapa aho fa misy fotoana somary mivatravatra sy teny mafy loatra indraindray rehefa mitondra hevitra eto.

kanefa ny Tenin'Andriamanitra manaraka ito dia manitsy ahy.

Fa raha tahiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo;

fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8. 12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana I Petera 3


Manitsy ahy io Teny io ny amin'ny tokony hilazana ny marina amin'ny fahalemempanahy sy fanajana.

Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.

Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
Romana 12

http://baiboly.org/toko.asp?boky=Romana&Toko=12


Fehiny: Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra izany, fa boky mirakitra ireo Soratra nomen'Andriamanitra ho fampianarana, hanitsiana ny diso ary hitaizana amin'ny fahamarinana.

Misaotra.
23. cutie ( 14/04/2008 18:23)
Fehiny: Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra izany, fa boky mirakitra ireo Soratra nomen'Andriamanitra ho fampianarana, hanitsiana ny diso ary hitaizana amin'ny fahamarinana

miombon-kevitra :)
24. rakaroka ( 14/04/2008 19:23)
Ny "blem" 'ngamba tsy dia i Paoly taty aoriana akory no ni-saisir izany fa i Jesoa aby. Hoy Izy (araka ny tsimpona koa) : Jaona5 an 39-40: "Dinihonareo ny soratra...anefa tsy manantona ahy ianareo!".
Donky tsy any amin'ilay fandinihina loatra no inn? fa lé "application" izay!
:wink: Miverina matetika ao anaty baibl io tsy fahazoan'ny olona ny soratra io ary ilay "samaritana tsara fanahy ts namikotra baiboly tahaka ny fariseo indray no nalainy ho fanoharana....Mba hieritreretana :wink:
25. ikaretsaka ( 14/04/2008 21:00)
cutie:

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 14-04-2008 19:04:23
Lohateny : Re : Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra reh
aminao ahoana, raha araka ny eritreritr'i cutie, rehefa inona ny taha anankiray no atao hoe "masina"?

taha????


taha=tahaka=examples=stuffs
26. cutie ( 14/04/2008 22:28)
ika
refa avy nohamasinina :-D
27. ikaretsaka ( 14/04/2008 22:54)
dia ahoana ny fanamasinana beboly any ! propestant?
28. cutie ( 14/04/2008 22:56)
tsa haiko
ahona ny fanamasinana rano voahasina @ katolika :-D
29. ikaretsaka ( 15/04/2008 00:21)
cutie> http://www.global.org/Pub/OCC_HolyWater.asp
30. cutie ( 15/04/2008 00:40)
31. ikaretsaka ( 15/04/2008 11:18)
mazava? ok passons..
marina ny an-drakaroka
32. rakapy ( 15/04/2008 11:28)
Ny zavatra rehetra dia azo atao "MASINA" daholo rehefa tian'ny sain'ny olombelona ny HAHA-MASINA azy. Ary azo atao "TSY MASINA" avokoa rehefa tsy tian'ny sain'ny olombelona ny hahamasina azy.
33. cutie ( 15/04/2008 11:32)
eny wa
miankina @ saina ihany io :-D :-D :-D :-D :-D
34. Fody ( 15/04/2008 15:34)


rakapy: Tsy miankina amin'ny olona ny fahamasinan'ny Tenin'Andriamanitra na ny Sakramenta, sns... fa miankina amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Izany hoe: miankina amin'izy Andriamanitra. Ka na handà aza ianao hoe: tsy masina ny Tenin'Andriamanitra, tsy masina ny sakramenta dia tsy manafoana ny fahamasinany izany, satria tsy miankina aminao izany....

MIsy ilay antsoina hoe: "ex opera operato", io no manazava azy raha mba mahaliana anao. http://en.wikipedia.org/wiki/Ex_opere_operato http://it.wikipedia.org/wiki/Ex_opere_operato
35. cutie ( 15/04/2008 18:50)
eisy e :-D
36. fijo ( 15/04/2008 21:44)
mivatravatra be ny filazan'i feody azy,na dia marina aza.io fanazavan'i soanja io sy ilay vanontaniana no tokony apetraka.

ilay filazana hoe masina foana io na tsy heverina aza dia itako hoe tsy marina.mety masina aminareo fa tsy masina amin'ny hafa.de ataovy hoe masina aminay io na dia tsy ekenareo aza.izay ngamba no marimarina kokoa.
37. cutie ( 15/04/2008 23:24)
ohatran'ny rano voahasina ihany e :-D :-D :-D :-D
38. prime ( 16/04/2008 10:55)
Mitombina ny voalazan'i kiranil nefa tsara koa ilay fanamarihan'i rakaroka...

Tsy ny boky (baiboly) no inona, tsy ny soratra (ranomainty) no inona, fa Andriamanitra mihitsy izay nanambara ny tenany...

Ka ilay resaka etoana dia mitombina satria raha ny maha-Andriamanitra an'Andriamanitra dia tsy voafehin'ny boky sy soratra... fa ny herin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fanahy masina dia mampianatra sy mananatra ary manoro kosa fa raha te-hahafantatra marina ny momba an'Andriamanitra dia ny baiboly no fototra mahalaza ny momba Azy akaiky indrindra aloha...

Ny Soratra Masina dia tsy ho azo raha tsy feno ny fanahy masina izay manamasina azy, ny Tenin'Andriamanitra (Logos, Rhema) dia tsy ho voaray mihitsy raha tsy Izy tenany no hainoana sy raisina ary iainana...

Ny tena olana dia ilay fialàna amin'ny fototra iray anisan'ny mahalaza ny momba Azy indrindra ka anoloana izany amin'ny fampianarana sy ny fomba amam-panao... eo nefa no tena mahatsara ny miverina amin'ny tenin'Andriamanitra...
39. ikaretsaka ( 16/04/2008 13:13)
kiranil:


Ny anombohako ny fandraisako anjara eto dia ito tenin'i Apostoly Paoly ito:

Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,


aza adino eto ilay hoe izay soratra REHETRA! tsy voatery ho ao anaty baiboly ny soratra REHETRA


mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.



kiranil:
Manitsy ahy io Teny io ny amin'ny tokony hilazana ny marina amin'ny fahalemempanahy sy fanajana.


tsy teny io fa soratra IANARO TSARA NY MANAVAKA NY TENY SY NY SORATRA



kiranil:
Fehiny: Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra izany, fa boky mirakitra ireo Soratra nomen'Andriamanitra ho fampianarana, hanitsiana ny diso ary hitaizana amin'ny fahamarinana.


boky mirakitra SOMBINY kely fotsiny!
40. rijadolly ( 16/04/2008 15:30)
Fody:



Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra.... Mpanompo sampy izay milaza fa Andriamanitra ny Baiboly.


Ny Andriamanitry ny Kristiana dia ilay Andriamanitry voalaza ao amin\'ny Baiboly, fa tsy ny Baiboly akory. Ary tsy azo ferana amin\'ny Baiboly fotsiny izay Andriamanitra izay, satria lehibe mihotra an\'izao tontolo izao.



Misaotra!
Marina ny an\'sé ary tsy misy kianina satria Andriamanitra dia tsy zavatra akory na vitan\'tanan\'olombelona,fa kosa ny hafatra sy ny teniNy(an\'Andriamanitra) ao amin\'Baiboly dia tsy azo atao amban\'javatra na misy hevitra hafa mavesa-danja noho ny TeniNY.
Fody:
Ary tsy azo ferana amin\'ny Baiboly fotsiny izay Andriamanitra izay, satria lehibe mihotra an\'izao tontolo izao
. :arrow: Ekena.Tsy misy afaka mandrefy AZY.Na ireo mpaminaNy taloha na ny Zanaka(Jesoa) na ny oloNY ankehitriny:arrow:Tsy misy mahalaza ny fahalebiazaNy:arrow:Tsy mahalaza AZY koa ny Baiboly.

NEFA,Kely ny zavatra takatsika olombelona.Tsy azo atao ny manome zavatra tsy takatr\'olona satria tsy zakany. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=16&andininy=12-13&dika= Noho izay fahaizan\'Andriamanitra izay dia izay zakantsika no apitaNy amin\'oloNy avi@ alalan\'MpaminaniNy,IraNy.
:arrow: :arrow:Ny Baiboly avy amin\'ireo Iraka sy MpaminaNY lehibe dia zay aloha ny zakatsika, ampy antsika zay.Fa hoan\'izay hoe tsy ampy azy n-y Baiboly dia arahabasoa arahabatsara fa tonga lafatra izy.Nefa kosa ty misy teny ao @Baiboly izay mampiheritreritra ihany http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=33&andininy=14-17&dika=



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4259